Madagascar Transition: réponse au Chef du Bureau de liaison de la SADC local

Samedi, 08 Décembre 2012 18:56 Déclarations
Imprimer

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Fitiavana- Tanindrazana-Fandrosoana

MINISTERE DES AFFAIRES ETRANGERES

---------------

SECRETARIAT GENERAL

---------------

DIRECTION DE L’INFORMATION ET DE LA COMMUNICATION

----------------

12 - 28 AE/SG/DICOM

COMMUNIQUE

Faisant suite au communiqué publié par le Chef du Bureau de Liaison de la SADC à Madagascar en date du 07 décembre 2012, relatif à l’invitation de SEM le Président de la Transition à participer au Sommet de la Troïka de la SADC du 06 au 07 décembre 2012, la République de Madagascar :

=======================================================

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Fitiavana- Tanindrazana-Fandrosoana

MINISTERE DES AFFAIRES ETRANGERES

---------------

SECRETARIAT GENERAL

---------------

DIRECTION DE L’INFORMATION ET DE LA COMMUNICATION

----------------

 

12 - 28 AE/SG/DICOM

COMMUNIQUE

Manoloana ny fanambarana an-gazety izay nataon’ny Lehiben’ny Biraom-pifandraisan’ny SADC eto Madagasikara ny 07 desambra 2012 mikasika ny fampiantsoana ny Filohan’ny Tetezamita ho any Tanzania;

Ny fitondrana Tetezamita dia:

* Mahatsapa fa miendrika tsy fanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny Filoham-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara iny fanambarana iny, satria azo lazaina fa manitsaka ny hasin’ny Firenena Malagasy. Madagasikara dia firenena mahaleo-tena ary manana ny maha-izy azy eo anivon’ny fianakaviambe iraisampirenena ka tsy azo tsinontsinoavina.

* Manamafy fa tsy naharay ara-potoana ny fanasana hanatrika ny fivoriamben’ny Troïkan’ny SADC satria ny 05 desambra no nandraisana izany raha ny 06 desambra no daty iantombohan’ny fivoriana.

* Manamafy fa tsy mitovy tamin’ny fanomanana ny fivoriana tany Seychelles ny trangan-javatra tamin’ny fanomanana ity fivoriana ity.

* Manamarika fa misy ihany koa tsy fahamatorana tamin’ny fandefasana ny fiantsoana, satria diso ny anarana sy ny andraikitry ny Filohan’ny Tetezamita (Andrea Rajoleina no voasoratra, raha tokony ho Andry Rajoelina ; ary Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, raha tokony ho Filohan’ny Tetezamita).

* Mampahafantatra fa naneho fahavononana manokana hihaona amin’ny Filohan’i Tanzania ny Filoha Malagasy hifampidinika momba ny raharahan’i Madagasikara, ary mbola vonona hanatontosa izany fihaonana izany; fa tsy niomana kosa, ary tsy nampiomanina hihaona amin’Andriamatoa Ravalomanana.

* Maneho hatrany ny fahavononany hikaroka vahaolana amin’ny krizy eto Madagasikara ary tsy mametraka ahiahy ny amin’ny fahavononan’ny SADC hikely soroka amin’ny fanampiana ny vahoaka Malagasy amin’izany krizy izany. Saingy kosa mametraka ahiahy amin’ny fihetsiky ny lehiben’ny Biraom-pifandraisan’ny SADC, izay namoaka ny fanambarana voalaza eo ambony io, izay mivaona tanteraka amin’ny fomba amam-panao ara-diplaomatika. Madagasikara dia firenena mahaleo tena fa tsy eo ambany fiahiana (tutelle) an’ny firenen-kafa, na vondrom-pirenena mikambana.

* Ny fanatanterahan’ny lehiben’ny Biraom-pifandraisan’ny SADC ny asany, amin-kitsim-po, tsy misy fiandaniana anisan’ny antoka ho an’i Madagasikara hivoahana amin’ny krizy.

* Maneho hatrany ny fahavononany ny Firenena Malagasy amin’ny famahana haingana ny krizy amin’ny alalan’ny fifidianana.

Antananarivo, faha-08 Desambra 2012

Mis à jour ( Samedi, 08 Décembre 2012 19:18 )