CJD: Hafatra ho an'ny Mpanao gazety Malagasy tsy an-kanavaka

Jeudi, 05 Janvier 2012 13:00 Madagate affiche
Imprimer

Miarahaba anareo rehetra tompoko.

Misy hafatra izay avy amin'ny  “Club des Journalistes Doyen” ho an'ny mpanao gazety rehetra, natao androany Alakamisy 5 Janoary 2012 :

dia mirary soa tompoko



Ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Zokiolona (CJD) dia faly miarahaba ny namana Mpanao gazety rehetra nahatratra ny taona 2012.

Manoloana ny savorovoro mitranga eo amin’ny tontolon’ny Asa Fanaovan-Gazety amin’izao  fotoana izao, dia misy hafatra tian’ireo Mpanao gazety zoky ray aman-dreny ampitaina amin’ireo zandry – zanaka miasa eo amin’ny sehatry ny Fifandraisana sy ny serasera tahaka izao :


« Ny Fikambanan’ny Mpanao Gazety Zokiolona (CJD) dia miangavy ny andaniny sy ankilany tsy mifanara-kevitra :

* Mba hampitony ny fo mafana;


* Mba hifanatona ao anaty firahalahiana ka hiaraka hanondrotra avo ny Hasin’ny Asa Fanaovan-Gazety;


* Mba hampitsahatra ny fifanenjehana eo amin’ny Mpitondra sy ny Gazety, ery eo amin’ny samy Mpanao gazety.

Heverin’ny CJD fa ny vaha-olana hisedrana izany savorovoro izany dia ny famerenana ny fampijoroana ny Biraon’ny Holafitry ny Mpanao Gazety ao anatin’ny fotoana fohy.


Ny CJD dia vonona mandrakariva hitondra ny anjara birikiny eo amin’ny fandaminana sy ny fampiraisana hina ny Fianakaviamben’ny Mpanao Gazety ».



Ny Filoham-boninahitry  ny CJD             Ny Filohan’ny CJD



Moks RAZAFINDRAMIANDRA     Georges RAKOTONDRASOAVA

Mis à jour ( Jeudi, 05 Janvier 2012 14:26 )