]
Les quotidiens du 23 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Pasitera Zaka Hary Masy Andriamampianina. Arahabaina fa izy no tsy hahalany an’i Marc Ravalomanana

Pasitera Zaka Hary Masy Andriamampianina. Arahabaina fa izy no tsy hahalany an’i Marc Ravalomanana

Inona ry zareo ny zavatra tsy hitranga eto ambonin’ity tany fandalovana ity ? Izaho aloha dia tsy ho gaga intsony n’inona n’inona hiseho. 69 taona aho izao. Raha mbola homen’Andriamanitra 25 taona hiainana eto an-tany aho dia mba hahita ny zafiafy sy ny zafikitrokely. Fahasoavana be izany. Saingy faniriana ny an-draolombelona fa Izy irery ihany no manapaka.


Fa amin’ny maha mpanao gazety ahy efa am-polo taonany kosa dia mila manome antony ho anareo mpamaky sy mila mametraka soratra ho an’ny Tantaram-pirenena malagasy, mikasika ireo tranga mampisara-bazana ny Malagasy. Karazana fijoroana vavolombelona fa mifototra amina zavatra marina, azo porofoina amin’ny fikaroana lalina ataoko izay hita ao amin’ny Internet ihany raha tena vonona hikaroka.


Mikasika ny re sy heno tamin’ny fanompoam-pivavahana tao amin’ny Coliseum ao Antsonjombe, ny Alahady 15 Janoary 2023, ity lahatsoratro ity. Mazava ny antony nikarakarana io fanompoam-pivavahana io : Fampaherezana sy Fampihavanana no nandrasan’ny kristianina rehetra tonga teny. Saingy…

Eny, maro no nahita sy nandre ny teny sy « famelabelarana » tsy ho lazaiko hoe « famelezana » nataon’ny pasitera Zaka Hary Masy Andriamampianina, Filoha lefitry ny birao Foibe Fjkm - avy ao amin’ny FJKM Tanjombato Maritiora - sy ilay mpanolotsaina laika, Georges Henri Randriamamonjisoa, ao amin’io Foibe io ihany. Ity farany moa dia anisan’ny 3è promotion Rainandriamampandry tao amin’ny CEDS. « Cerveau » e !... Tale mpanantanteraka tao amin’ny PSDR (« Programme de Recherche pour et sur le développement régional ») Anosimasina Itaosy teo aloha, ihany koa ingahy ity. Eto vao tadidiko fa ny taona 2008, fony mbola Filoham-pirenena i Marc Ravalomanana, dia nahazo vola 200 tapitrisa ariary, avy any amin’ny « Banque mondiale » izy, hanatontosana ny praograma « agriculture sans feux ». Tsy hitako ny tohiny fa ny PSDR nitohy foana ka lasa « Projet Sectoriel de Développement Rural ». Nankaiza ny vola ry Georges ?...


Raha ny an’ny voalohany aloha dia tohin’ny famotehana ny Fjkm nanomboka teo amin’ny fidiran’ingahy Marc Ravalomanana sehatra tao amin’io fiangonana lasa nilaozan’ny mpihino kristianina tsikelikely. Ny taona 2000 izany. Io taona io tokoa no voafidy filoha lefitry laika ao amin'ny Fjkm io filohampirenena teo aloha io. Ary mbola voafidy hatrany izy, amin’io toerana io, ny taona 2004 sy 2008. Ny sasany amin’ireo minisitra nandrafitra ny governemantany, tamin’izany fotoana izany, dia nanana andraikitra lehibe teo anivon’ny sampana laikan’ny Fjkm. Anisan’izany Itompokolahy Benjamina Andriamparany Radavidson, minisitry ny Vola lasa minisitry ny Fanabeazana avy eo ; Hajanaririna Razafinjatovo, minisitry ny Fanabeazana lasa ministry ny Vola avy eo ; Ivohasina Razafimahefa, minisitry ny Varotra…

Hoy i Miary, mpandalina ny fiarahamonina tamin’izany vaninandro izany : « Il est clair qu’au sein de l’église Fjkm, on voit se refléter les dégâts entrainés par l’intrusion de la politique et de l’argent. La nomination de Marc Ravalomanana comme Vice-président de cette fédération au titre des laïcs et sa politique de se faire aimer et se rendre indispensable en distribuant généreusement une manne financière, a débouché en l’absence de liberté de jugement des hauts dignitaires de cette église, dont certains trouvaient dans les largesses du donateur un moyen d’équilibrer leur budget familial. La politique est entrée de manière insidieuse dans les affaires de foi et de religion. C’est grave, très grave ».

Dikan-teny malaka : Mazava fa eo anivon’ny fiangonana Fjkm dia hita taratra ny fahavoazana vokatry ny fidiran’ny politika sy ny vola. Ny fanendrena an’i Marc Ravalomanana ho filoha lefitry ny federasiona ho an’ny laika sy ny politikany amin’ny fanaovana izay tiavan’ny olona azy amin’ny alalan’ny fanomezana ara-bola tsy misy fetrany, no nahatonga ny tsy fisian’ny fahalalahana hitsara tokony hisy ao amin’ireo olona ambony ao amin’ity fiangonana ity. Ny sasany moa dia nahazo fidiram-bola nampifandanjana ny teti-bolan'ny fianakaviany. Niditra an-tsokosoko tamin’ny resaka finoana sy fivavahana ny politika. Zava-doza, tena loza.


Tamin’ny andron’ingahy Marc Ravalomanana izany dia tafiditra tsikelikely teo amin’ny sehatry ny finoana sy ny fivavahana ny resaka politika izay tsy anjaran’ny mpitondra fiangonana mihitsy no manely sy/na mampiseho ny fironany ara-politikany imasom-bahoaka, ary ao anatina fotoam-pivavahana indrindra indrindra. Zava-doza tokoa. Kanefa, etsy andaniny dia mazava ho azy fa nànana tombontsoa isan-karazany ireo mpisorona. Fa izy, Marc Ravalomanana, filoha lefitry ny Fjkm no nanomboka nampiditra ny kabary politika ao am-piangonana. Modiany tsy fantatra fa misy fomba, fotoana ary toerana ny famelabelarana hevitra iray. Any amin’ny taranja SVT (Mikasika ny Tontolo iainana) ve ny mpampianatra dia hiresaka Matematika, ohatra ?

Saingy izy no sady Filohampirenena no any filoha lefitry ny Fjkm, fiangonana mbola natanjaka noho ny Ekar (Fiangonana katolika romana) tamin’izany vaninandro izany. Aza adino koa fa ny protestanta no tonga voalohany teto Madagascar, ny taona 1818, tamin’ny alalàn’i David Jones sy Thomas Bevan  izay nalefan’ny LMS (« London Missionary Society »).

Tsy ho velabelarako eto ny fomba nahazoan’ingahy Ravalomanana ireo tanin’ny Fjkm sy ny an’ny miaramila ao Faravohitra izay notapenany mihitsy ny làlam-bahoaka (« voie publique ») eny, fony izy Filoha am-perinasa -manontania eny amin’ny manodidina eny raha te-hahalala bebe kokoa- fa dia lasa fitaovana teo am-pelatanany io Fjkm natanjaka be io.

Dia hino ve isika fa haka sary toa izao i Pasitera Zaka raha izy no Filohan'ny Fjkm na koa Ffkm ? Asa...

Eto aho dia manipika fa tsy ilay Fiangonana protestanta nohavaozina (« Eglise protestante réformée ») natsangan’ilay frantsay Jean Calvin mihitsy no ratsy fa ny fomba fitorian’ingahy Ravalomanana miala avy amina andininy sasany nalaina ao amin’ny Baiboly Masina ikambanan’ny kristianina rehetra. Dia samy manana ny fomba fandraisany avy ny rehetra (« inteprétation »). Kanefa raha bangoina dia izao ny hafatra tiany alentika any anatin’ny ati-dohan’ny mpino miangona ao amin’ny Fjkm : izaho no tena izy -mpanompo an’Andriamanitra izany- fa ny hafa devoly daholo !

Izaho, Jeannot Ramambazafy, dia nanao sekoly alahady tao amin’ny Tempoly protestanta ao Avaratr’Andohalo izay lasa « Paroisse internationale » ankehitriny. Ny Pasteur Lucien Pérot no nitarika tao ho an’izay mahatadidy. Ary isaky ny alahady dia miaraka amin’ny ray aman-dreninay nivavaka ao izahay mianadahy avy. Tao aho ny nanao skoty voalohany (« louveteau » vao nanomboka). Fa ny mamanay dia mandeha mivavaka ao amin’ny fiangonana katolika Md Josefa etsy Mahamasina ihany koa. Tsy nisy olana nipetraka mihitsy satria Andriamanitra iray ihany no hivavahana fa ny fomba amam-panao no samy manana ny azy. Tsy nisy ary tsy hisy mihitsy, ao aminay, ny adihevitra hoe atsy na eroa no « tsara » na « ratsy ». Malaka ny safidy. Dia misy, amin’izao vaninandro izay, havako katolika, silamo, protestanta, anglikana, loterana, manaraka ny finoana nentim-paharazana, eny mandeha mankao amin’ny Ritz, na Rex na Roxy eto Antananarivo. Izay ilay fanajana ny hafa fa tsy voatery ny anao. Anjaran’ny mpitarika no mandresy lahatra. Tsy hidirako na dia efa nisy nanaovako lahatsoratra fa fanambakana no betsaka… Ho an’ireo havana miodikodina tsy tapakevitra dia tsora ny hafatro : moa tokoa ny miditra na ao amin’ny Mormons (« Eglise des saints des dernier jours »), na ao amin’i Fabiola, sy tralala, sns. Fa sarotra no miala ao… Fa inona marina no andrandrainareo aloha ?

Fony izaho niasa tany Antsiranana dia niditra « Mosquée » aho rehefa tara tsy nahatratra ny fidirana ao amin’ny Fjkm Antseranana Fahazavana. Satria mitovy hatrany ny finoana amin’Andriamanitra iray sy tokana (« monothéisme »). Ny mpitandrina tamin’izany dia ny Pasitora Randrianarison Gilbert. Fa ao amin’ny finoana kristianina, na protestanta ianao, na katolika, na loterana, na anglikana, na advantisa, na mpivavaka amina rafitra mampiasa Baiboly Masina (Vavolombelon’i Jehovah, Fkvfm, Fpvm, Vahao ny Oloko, Fam, Shine sy ny hafa), dia ity no voatahiriko ary ampiariko : « Fa ianao kosa, raha mivavaka, dia midìra ao amin'ny efi-tranonao, ka rehefa voarindrinao ny varavaranao, dia mivavaha amin'ny Rainao, Izay ao amin'ny mangingina; ary ny Rainao, Izay mahita ao amin'ny mangingina no hamaly anao » (Matio 6 : 6).


Rehefa tsy Filohampirenena intsony ingahy Marc Ravalomanana, dia mbola maro amin’ireo pasitera no nanohy ary manohy ny fampidirana resaka politika ao anatin’ny toriteniny. Tsy hoe voatery nahazo baiko avy any amin’ilay filoha teo aloha fa entin’ny fankahalana an’ny Filoha Andry Rajoelina fotsiny izao. Ary ny tanjon’ireo olona sasany -tsy izy rehetra akory- ao amin’ny Fjkm ireo dia ny hampandany an’i Marc Ravalomanana amin’ity taona ity. O lereitsy a ! Fankahalana ny hafa ve no teneninareo dia hanantena fahombiazana ianareo ? Adino tanteraka ny hoe : « Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao » (Matio 22 : 39). Adino koa ny Didy faharoa. Izao no nianaranay azy fony mbola zaza, tao Andohalo : « Tu n’utiliseras pas le nom de l’Eternel, ton Dieu, à la légère, car l’Eternel ne laissera pas impuni celui qui utilisera son nom à la légère », izay midika hoe : Aza manao tsinontsinona ny anaran'ny Tompo Andriamanitrao, fa tsy hataon'ny Tompo ho tsy manan-tsiny izay manevateva ny anarany.

Ny tian’io Didy faharoa io hambara sy ny heviny dia izao :

Tsy tokony hotononina tsy am-panajana ny anaran'Andriamanitao. Satria tsy ho fantatsika izany Anarana izany, raha tsy Izy no namboraka azy tamintsika. Ny Anarana no fanalahidy manokatra ny fon'ilay Mahefa ny zavatra rehetra. Izany no maha zava-doza ny fanevatevana ny anaran'Andriamanita, ny mianiana sy ny manao fampanantenana poak'àty amin'ny Anarany. Koa ny Didy faharoa àry dia didy miaro ny ''zava-masina'', amin'ny ankapobeny. Rehefa mety ho toerana, na zavatra, na anarana, na olona nokasihin'Andriamanitra dia ''masina''. Ny fahaizana mahatsapa ny atao hoe ''masina'' no antsoina hoe fanajana, na fanolorana hasina.


Nahita izay nahita, nandre izay nandre tao amin’ny Coliseum, ny alahady 15 janoary 2023. Tsy anao dokam-barotra ny tsy fahavanonana ilay mitonona ho Pasitera eto aho. Misy vidéo tsy ho voafafa mihitsy any ho an’ny taranaka kristianina any aoriana any. Aleho Andriamanitra no hikapoka azy niteny nandritra ny 19 minitramahery kely. Ny vady aman-janany no mampahonena. Ho tondron’ny olona molotra : ireny ny taranak’ilay Zaka tsy nahazaka.


Niniako tsy nasiana resaka loatra ny niafaran’ny Pasitera Lala Rasendrahasina (zanaky ny Pasitera Titus Rasendrahasina), nodimbiasin’ny Pasitera Ammi Irako Andriamahazosoa izay voafidy fanindroany ho Filohan’ny Fjkm, ny 18 aogositra 2021. Eto aho dia malahelo ny vady aman-janak’io Zaka Hary Masy Andriamampianina aho. Amiko tsy Pasitera io fa bandy kely nanozon-tena. Nanozona ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana mihitsy aza. Satria mino aho fa izy aza mety ho taitra ihany satria « trop », araka ny fitenin’ny tanora amin’izao, ny zavatra nivoaka ny vavany.

Mikasika ilay hoe mpanolo-tsaina indray dia io izy ambany io, fa "cerveau" tokoa...


Ity misy tranga modian’izy roalahy ireo tsy fantatra :

Ny Fiangonana Protestanta Vaovao eto Madagasikara izay hafohezina amin' ny hoe FPVM dia fiangonana protestant niforona teto Madagasikara vokatry ny tsy fifanarahan-kevitra nisy teo anivon' ny fiangonan’i Jesoa Kristy eto Madagasikara na FJKM.

FPVM 2022

Tamin' ny taona 2002 no niforonan’ny FPVM ary ao Taninanandrano Antananarivo no natsangana ny trano fiangonana voalohany naorin' ny mpitandrina Randrianantoandro Jean Joseph. Nakaton' ny fitondram-panjakana malagasy, tamin' ny naha filoham-pirenena an-dRavalomanana Marc, io FPVM io tamin' ny taona 2005 ary tsy niverina nisokatra raha tsy tamin'ny taona 2009. Efa miely eran' i Madagasikara sy hatrany an-dafy ny FPVM amin'izao fotoana izao, indrindra any Eoropa.

Dia vao manomboka anefa ny taom-baovao 2023… Lasa ny saiko : sao kosa ary ny tsy hahalany an’i Dada no tena « mission » an’i Zaka sy Georges ? Iza tokoa ny mahita ? Fa tsy kisendrasendra aloha ireny teny ireny fa nomanina fatratra. Efa planina maty maika voasoratra mialoha ka novakian’i Zaka fotsiny sisa. Mampahonena. Tsy naha endry azy ny aretina mafy nanjo azy, nanaovana antso nitsaboana azy tany ivelany... Sa raha maty aho, matesa rahavako, raha maty rahavako, matesa ny omby ?.. «  Et, après moi, le déluge » ? Samia re, ho ela velona mandrapahatonga ny fotoana handaozana ity tany ity an-tanam-polo.

Jeannot RAMAMBAZAFY

******************

Fiangonan'i Jesoa Kristy eto Madagasikara
Alin'ny 18 aogositra 2021
Lisitr'i
reo Mpiandraikitra Foibe miisa 100


MPITANDRINA (50):
ANDRIAMAHAZOSOA Ammi Irako
RAKOTONINDRAINY Jaona
RADIMISAON Andriamasinjara Jonah
ANDRIAMAMPIANINA Zaka Hary Masy
RAKOTONAVALONA Maholy
RAZAFIARISOA Juliette
RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa
RASENDRAHASINA Lala
RAKOTOBE RAJAOMANJATO Dodaherisoa
ANDRIAMAMPIANINA Zo Nantenaina
RAKOTONDRAMANANA Arijaona
ZARAZAKA Jean Louis
RAZAFINTSALAMA Riana Lalasoa
RANDRIAMAMPIONONA Alfred
SIDA Zarazafy
RAFANONERANTSOA Valisoa
RAZARASOA Sylasy Fitahiana
TOTOFENO Théis Elia
RABENAIVOSON Perier
ANDRIAMASINORO Fidimalala
RAKOTOSON
RANDRIANARISOA Fameno Elinah
RAZAFINDRAKOTO Hasinarivo A.
RAZAFINDRAMIARANA Claire Aimée
RAKOTOVOLOLONA Elanirina Faly Vahiny
RAZAFIMAHATRATRA Jean William
RAZAFINDRAJERY Oniniaina Harifa
RALAMBOMAHAY Hendrininosy
RANARIJAONA Jean Jacques
RAKOTOTIANA Fidimanana Herve Clement
RAMANOHISOA Eulalie Monia
RAZAFIMAHALEO Rowlands Peter
RAMAMONJIARISOA Robert
TOVONIRINA Guy Delachet
RASOLONIAINA Bebiarisoa
ANDRIATSIMBAHARISON Ulrich Gildas
RADIMBINIMARO Abela
RAFANOMEZANTSOA Jean Charles Gabriel
BE Nantenaina Evrart Clariot
RAMINOARISOA Njaramalala Suzette
RAZANADRASOA Charles
RAMIANDRISOA Harifinoana
FLORENT
RAHARIVELO Laurette
ANDRIANILANONA Rija
MAROZAMA Jean Dede
RAJERIARIMANANA M.
RANDRIANANTENAINA Lazandrainy Martin
RANDRIALIVA Soanirina Seheno
RAMAROLAHY Patricia

LAIKA (50):
RANDRIAMAMONJISOA Georges Henri
RANDRIANJA Voahangy
RAZARASOA Timoty
RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis
ANDRY Nirina Velosoa
RAKOTOHERISOA Benjamin D .
LAHIAVAO Voriraza
RAMALALANIRINA Avosoa
RAFALIMANANA Rakotomalala Hery
RAKOTONDRAZAKA Volatantely
RAKOTOBE Olitiana Andosoa
RAMIARINJATOVO Marc Arison
RAZAFINDRALAMBO Didier Alban
ANDRIANOMENJANAHARY Livanirina
RAHANTAHARIMALALA Landiharinoro Lynah
RAMILISON Harifidy Janset
ANDRIANJAFY Mirana.
RAZAFINDRABE Vivien J . Aimé
RAHARISON Elian
RAKOTONDRALAMBO Fanja Nirina
RAMADIMISAINA Jean Denis
ANDRIANARIVELO René Olivier
RATSIRAHONANA Lalaina Harilanto
RAVAOARIMISA Vololomboahangy Razanajatovo
RATSIFANDRIHAMANANA Hanitriniaina Tatamo
RAZAFINDRAKOTO Juliana
RAMALANJAONA Vero Hanitriniala
RATSIMANDRESY Joseph Andriantiana
RANDRIAMANANIHERY Tinarivo William
FETY Jean Eddie
MANANJARA Razanadrakoto
RANDRIANIRINARIVO Charles
RA-PIERRE
RADIMISON Harinjaka
RAVOLOLONIAINA Harimalala Eleonore
RANDRIANARIMALALA
RAZAFINDRAVAOARINORO Virginie
RAKOTONDRANAIVO Domoina
ANDRIAMIHAJAMAHALEO Josoa Ernest
IANONJARA
RAKOTOARIMANANA Andriambola Herizo
RAHARISON Solo Ny Herizo
RAKOTONIRINASOA Hubert
ADAVAO Dieudonné
ZAFIHASINA Norbertine
RAHARINIRINA Lantomalala
RAVELOZANANY Vola Harimalala
RABESOA Jeannitou
RAZANADRAKOTO Fanilo Aronihery
RANDRIANARIDAORO Vero Hanitriniaina

Mis à jour ( Mercredi, 18 Janvier 2023 08:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)