Orinasa HITA Toamasina. Nidina tany an-toerana ny minisitra David Ralambofiringa sy Atoa Tiana Rabarison, Filohan'ny FIMZOMPAM

Dimanche, 29 Juin 2025 09:44 A la une
Imprimer

VIDEO ETO

Araka ny nambarany ny harivan’ny 26 Jona 2025, tao amin’ny TVM (ETO), dia nidina ifotony tao amin’ny orinasa HITA, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra, Andriamatoa David Ralambofiringa. Ity manaraka ity ny tatitra avy amin’ny Ministeran'ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra

FANJIFANA MENAKA

Manaraka ny fenitra ny famokarana menaka eo anivon’ny Orinasa HITA. Maso mahita ny an’ny Fikambanana mpiaro ny zon’ny Mpanjifa (FIMZOMPAM), hoy ny solontenan’izy ireo tany Toamasina.

Tsy nionona tamin'ny tatitra ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra (MIC) fa nidina nijery tany an-toerana ny fanodinana menaka ataon'ny Orinasa HITA any Toamasina, manomboka amin’ny menaka mbola tsy voadio (brute) hatramin’ny menaka amin’ny endriny atolotra ny mpanjifa. Niara-dia taminy tamin’izany, nisolo tena ireo Fikambanan’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa ny avy amin'ny FIMZOMPAM sy PMH. Nanotrona ny fitsidihana koa ny manampahefana sy tompon’andraikitra any amin’ny Faritra Atsinanana ka anisan’izany ny Governora.

Nanomboka tao Ampilaolava, toeram-panadiovana ny menaka RAJAH, nitohy tao Androranga izay fanadiovana ny menaka soja HINA sy ny menaka tournesol LAFATRA ny fitsidihana ka niara-niaiky ny rehetra fa manaraka ny fenitra takiana ny famokarana ny vokatra ka tsy misy tokony ho atahorana.

* " Manamarina izahay fa manara-penitra ny orinasa mikarakara izany menaka Hina sy Lafatra izany ", hoy ny Filohan'ny FIMZOMPAM, Andriamatoa Tiana RABARISON, izay nanamafy koa ny maha-zava-dehibe ny fanaraha-maso eny amin'ny mpivarotra mpaninjara sy mpamongady.


* " Manana laboratoara manokana ny orinasa ary misy fitiliana isaky ny adin'ny iray. Aleo isika vahoaka mpanjifa tsy ho andairan'ny tsaho ", hoy kosa ny mpitarika ny PMH, Andriamatoa Andry Vola RAZAFINDRALAMBO.

Nanentanan'ny Minisitra David RALAMBOFIRINGA ny mpanjifa ny fanaraha-maso ny entana rehetra, tsy voatery ho ny menaka ihany, na amin'ny fitsinjarana azy izany na ny toeram-pivarotana.

Tokony ho efa fahazarana ao amin'ny tsirairay moa ny fijerena foana ny daty farany azo ampiasana ny menaka, ny marika manokana eny amin'ny tavoahangy sy bidao izay manamarina fa tena izy fa tsy hosoka ny jifaina.

Ny Tale jeneralin'ny HITA, Andriamatoa Handrisoa RAZAFINDRAZAKA, dia nanipika fa mandalo fitiliana manokana ny menaka vokarin'ny orinasa ary mahazo taratasy fanamarinana (certificat) karazany telo vao avoaka ho tonga eny amin'ny mpanjifa.

Minisiteran’ ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Varotra

Mis à jour ( Dimanche, 29 Juin 2025 10:44 )