Filoha Rajaonarimampianina, 7 Febroary 2014: Taratasy ho an’ny AV7

Vendredi, 07 Février 2014 15:41 Dossier
Imprimer

Kianja mitafo Mahamasina, 7 Febroary 2014. Na dia tsy nanatrika ny fotoam-pahatsiarovana ny faha-dimy taonan’ny vono moka nitranga ny 7 Febroary 2009 -teo anolohan’ny Lapam-panjakanan’Ambohitsorohitra, nahafatesana sy nandratrana olona maro-, dia nandefa taratasy ho an’ny Fikambanana AV7 (Association des Victimes du 7 février) ny Filohan’ny Repoblika faha-IV, Hery Rajaonarimampianina.

Ny Dokotera Kolo Roger Christophe no nanolotra ilay taratasy, ary ny Filohan’ny AV7, fa Andriamatoa Boana Jean Pierre Rafaramandimby no namaky azy. Izao ny votoatin’izany taratasy izany :

********************************

Repoblikan’i Madagasikara

Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana


Le Président de la République

Ry Malagasy nitolona ho an’ny fahafahan’ny Tanindrazana,

Andro fahatsiarovana ny andro androany 7 Febroary 2014. Koa na dia tsy miaraka aminareo ary ny tenako, dia ambarako fa miray fo sy saina aminareo mpiara-nitolona rehetra aho.

Mahatsiaro manokana ireo fianakaviana niara-boina sy ireo mbola mitondra takaitra. Aminy maha tany tan-dalàna ny Repoblika sy manaja ny zon’olombelona an’i Madagasikara, dia manohitra ny toetra mamoafady, tonga hatramin’ny fandatsahana ny ràn’ny mpiray tanindrazana; ny fampisaraham-bazana ny Malagasy; ny fampiasana erisetra; noho ny hevitra tsy mitovy sy ny ambo-po politika.

Mijoro aho, ankehitriny, efa voafidin’ny Malagasy ho Filoham-pirenena hamerina sy hamitrana ny fihavanam-pirenena. Miantso ity zanak’ity Nosy ity aho, hitondra am-bavaka ny firenena mba tsy hiverenan’ireny toe-javatra ireny intsony ary hafahan-tsika miara-miasa amin’ny fampivoarana ity tanindrazana iombonana ity. Koa aoka isika hiara-hisalahy, hibanjina ny hoavy ampahatokiana ary hanaja hatrany ny fihavanana malagasy.

Dia mankahery antsika rehetra.

Ho ela velona i Madagasikara.

Antananarivo, faha-7 Febroary 2014

Ny Filohan’ny Repoblika

Excellence Hery Rajaonarimampianina

***********************************

Anaran'ireo Malagasy miisa 36 (antitra, lehibe, tanora, lehilahy, vehivavy) maty voatifitra teo Antaninarenina



Koraonina amin’ny anaran’ny Filoha Hery Rajaonarimampianina, napetraka teo amin’ny tsangambaton’ny 7 Febroary 2009, manoloana ny Lapan’Ambohitsorohitra


Vidéo sy fandikana an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

Sary : Harilala Randrianarison – Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Vendredi, 07 Février 2014 19:41 )