]
Les quotidiens du 23 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Antsiranana Presse. Mandat d’amener pour le journaliste Gilbert Rakotonirina

Antsiranana Presse. Mandat d’amener pour le journaliste Gilbert Rakotonirina

Gilbert Rakotonirina, directeur de publication de « La Tribune de Diego »

Vraiment, il ne se passe pas une semaine, sinon un jour, sans que le régime Rajaonarimampianina démontre sa velléité de faire de Madagascar une dictature à la Corée du Sud. Fort de l’article 20 de la fameuse loi 2014-006 sur la cybercriminalité, un notaire de la ville d’Antsiranana (ex-Diego Suarez) a porté plainte à propos d’un article paru dans « La Tribune de Diego », en date du 23 juillet… 2013. Eh oui ! L’effet rétroactif a fait son… effet.

Un titre qui a bien cent ans d'existence. Ci-dessus le numéro de février-mars 1914

En tant que directeur de la publication, notre confrère Gilbert Rakotonirina est responsable aux yeux de la loi. Mais après l’incarcération de Jean Luc Rahaga et de Didier Ramanoelina, le mandat d’amener à l’encontre de Gilbert va en contre-sens même de l’assurance du président Rajaonarimampianina qui avait déclaré, le 24 juillet 2014, qu’il n’était pas pour l’emprisonnement des journalistes. D’où le retrait de la plainte du citoyen-ministre d’Etat, Rivo Rakotovao contre Jean Luc et Didier.


En tout cas, c’est l’excès de zèle qui prime au sein des tenants du pouvoir actuel, avec comme excuses toutes trouvées l’injure et la diffamation, grâce à l’article 20 de la loi 2014-006 qui n’a plus rien à voir avec la cybercriminalité. Des notions élargies comme on veut. Et qui veut peut au sein de ce régime en chute libre. Mais cette affaire dénote que n’importe qui peut porter plainte contre n’importe qui et sur n’importe quoi. Comme je l’ai titré ici, sur madagate.com : Les Malgaches sont tous en liberté provisoire ! On attend la suite de cette affaire qui menace la liberté d’expression prise dans sa globalité à Madagascar.

DERNIERE INFO :
La convocation auprès de la juge d'instruction de vendredi matin a finalement été écourtée et reportée à ce jour, lundi 4 août 2014, à 16h au TPI d'Antsiranana.

Jeannot Ramambazafy – 4 août 2014

**************************

ARTICLE EN MALAGASY PARU DANS LA GAZETTE DE LA GRANDE ILE, 4 AOUT 2014


Fanaovan-gazety: Hitohy any Diego ve ny famonjana ?

Lundi, 04 Août 2014

Taorian’ny fitanana am-ponja an’ireo mpanao gazety roalahy teto Antananarivo tao amin’ny Madagascar Matin, roa herinandro lasa izay, dia mifantoka any Antsiranana indray anio ny mason’ny mpanao gazety Malagasy, satria dia namoahan’ny fitsarana any an-toerana didy fitaomana (« mandat d’amener ») hiazo ny lapan’ny fitsarana ny talen’ny famoahana ny gazety « Tribune de Diego ».

Ny namana mpanao gazety Gilbert Rakotonirina

Gazety miseho indroa isam-bolana ao andrenivohitr’Antsiranana ity gazety « Tribune de Diego » ity, ka anio alatsinainy no hoe hoentina  eo anoloan’ny fitsarana i Gilbert Rakotonirina, talen’ny famoahana ity gazety « Tribune de Diego » ity.

Ny antony dia hoe « nisy fitoriana napetraky ny mpiraki-tsoratra na “notaire » any an-toerana tamin’ny fitsarana satria hoe nisy lahatsoratra nivoaka teo amin’ny takelaka natokana hamakafakana ny resaka momba ny lalàna (« chronique juridique ») voalaza fa  nosoniavin’izany Michel Billy izany, ary izy io dia hoe mendrika indrindra (« lauréat ») teo anivon’ny Sekolim-pirenena momba ny lalàna tany Parisy-Frantsa, ary mpanolotsaina araka ny lalàna koa amin’ny famaliana ny fanontanian’ny mpamaky.

Nisy fanontaniana avy amin’ny mpamaky àry nivoaka tao amin’ity gazety « Tribune de Diego » ity, izay nanipika hoe “azonareo atao ve ny mamoaka ny lisitr’ireo Notera eto Diego, satria isaky ny mangataka fanadihadiana na « renseignements » momba izany aho dia valin-teny tokana hatrany no azoko, izay mamoaka anaran’olona iray, izay fantatro fa io Notera io manokana dia « tsy mahavita azy ».

Io no fanontaniana napetraky ny mpamaky tao amin’ity gazety « Tribune de Diego » ity tao amin’ny laharany nivoaka ny 10 ka hatramin’ny faha-23 jolay lasa teo (TTF: izany hoe ny taona 2013). Dia tamin’io no namalian’i Michel Billy ilay fanontanian’ny mpamaky hoe « malahelo aho milaza aminao fa eto Diego dia io Notera tokana io ihany misy eto ».

Izay izany no endrika nambaran’ilay Notera fa fanalam-baraka azy ka nitoriany ny talen’ny famoahana ilay gazety any amin’ny fitsarana ary anio no ho fantatra ny tohiny.

Mibanjina any Diego avokoa indray izany ny mason’ny mpanao gazety anio ny amin’ny hoe « inona koa no hihafaran’ity raharaha ity ? ».

Sanatria ve, amin’ny maha-mpiara-miasa amin’ny fitsarana ny Notera (« auxiliaire de justice »)  dia  homena rariny izy ka homelohina ho nanala baraka azy ilay gazety izay namoaka ny tenin’ny mpamaky nametra-panontaniana hoe « tsy mahavita azy io Notera io » ?

Raha ny marina, tsy heloky ny fitsarana ange ny manasokajy ny fitoriana iray tonga eo anatrehany rehefa hitan’ny fitsarana fa tsy misy antony handinihana azy (« dossier classé sans suite »), nefa izao famoahana didy  mitaona  ilay mpanao gazety ho tonga eny amin’ny fitsarana izao dia toa manana endrika fampihorohoroana sy fandrahonana mpanao gazety ihany, ary toa efa any am-ponja mihitsy aza ny tongotra ilan’ilay namana mpanao gazety amin’izany e !

Dia ho hita eo anio ny tohin’ity raharaha ity e !

Ndrema


Mis à jour ( Lundi, 04 Août 2014 09:41 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)