]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagascar-U.S.A.: fananganana governemanta vaovao aloha, hoy Robert P. Jackson

Madagascar-U.S.A.: fananganana governemanta vaovao aloha, hoy Robert P. Jackson

Ny Ambasadaoro Robert P. Jackson, miatrika ny mpanao gazety

Filazana avy amin’ny masoivohon’ny Etazonia eto Madagasikara

1 Aprily 2014


« Vonona izahay hijery izay ho fiaraha-miasa vaovao fa miankina betsaka amin’ny fananganana ny governemanta vaovao », hoy ny Ambasadaoro Robert Jackson

Nihaona tamin’ny mpanao gazety teto amin’ny tranon’ny Masoivoho Amerikana androany tolakandro Atoa Ambasadaoro Robert P. Jackson, Lefitry ny Sekreteram-panjakana Mpanampy Voalohany misahana an’i Afrika. Izy no vahiny amboly indrindra avy ao amin’ny Departemantam-pankana Amerikana nitsidika an’i Madagasikara hatramin’ny taona 2010. Nambarany tamin’ireo mpanao gazety fa nihaona tamin’ireo tompon’andraikitra ambony avy amin’ny sehatra samihafa teto amin’ny firenena izy nandritra ny andro vitsivitsy nivahinianany teto Madagasikara, anisan’izany ny filohan’ny repoblika Hery Rajaonarimpampianina sy ny praiministra Omer Beriziky mba anorenana ny fototry ny fifandraisana vaovao eo amin’i Etazonia sy Madagasikara.


* « Miandry ny fananganana ny governemanta vaovao izahay alohan’ny hanafoanana ireo sazy… Ireo fanambarana nataon’ny filoha Hery Rajaonarimampianina teto, anisan’izany izay nambarany tany Washington, D.C., dia maneho ny firosoana amin’ny fiverenana amin’ny demokrasia… Vonona izahay hijery izay ho fiaraha-miasa vaovao miaraka amin’ny governemanta sy ny hanitarana izany ». Nambaran’ny Ambasadaoro Robert Jackson fa nihenjana ny fifandraisana teo amin’ny firenena roa tonta taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ka nahatonga ny fanjakana amerikana hametraka ireo sazy nitarika ny fanesorana ny tombotsoa azon’i Madagasikara avy amin’ny AGOA (African Growth and Opoortunity Act sy ny MCA (Millennium Challenge Account).

Momba ny firaha-miasan’ny firenena roa tonta dia nambaran’ny Ambasadaoro Robert Jackson fa azo itarina izany satria na dia nandritra ny krizy aza dia mbola nahatratra 70 tapitrisa dolara ny fanampiana nomen’ny Governemanta Amerikana an’i Madagasikara teo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy ny fambolena sy fiompiana. Raha namaly fanontaniana momba ny fiaraha-miasa eo amin’ny tafika izy dia nambarany fa ny fitandroana ny filaminana an-dranomasina sy ny fikajiana ny tiontolo iainana dia laharam-pahamehan’i Etazonia maneran-tany.


* Nous attendons la mise en place du nouveau gouvernement avant de lever les sanctions… Les déclarations faites par le président Hery Rajaonarimampianina, ici et à Washington D.C., semblent indiquer une avancée vers le retour de la démocratie. Nous somme prêts à œuvrer dans la recherche de nouveaux accords de partenariat à élargir avec le [nouveau] gouvernement.

Traduction de Jeannot Ramambazafy

 

Mis Ă  jour ( Mercredi, 02 Avril 2014 07:09 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30