]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Mahajanga Serasera. Nahomby ny fanangonan-tsonia norakakarain’ny MLE

Mahajanga Serasera. Nahomby ny fanangonan-tsonia norakakarain’ny MLE

HETSIKA HO AN’NY FAHALALAHAN’NY ASA FANAOVAN-GAZETY

(Mouvement Pour la Liberté d’Expression)

****

FAMPITAM-BAOVAO

Fahombiazana ny fanangonan-tsonia natao tamin’ny olom-pirenena tany Mahajanga

Ny Zoma sy ny Sabotsy 11 Septambra 2016 lasa teo no natao teto Mahajanga ny hetsika fanangonan-tsonia manohitra ny fikasan’ny Fitondram-panjakana hampihatra amboletra ny Lalànan’ny Serasera vaovao (Code de la Communication Mediatisée).

Tonga marobe nanoina ny antsoin’ny Mpanao gazety avy eto Mahajanga sy ireo Mpanao gazety mivondrona ao anatin’ny “Hetsika ho an’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety” (Mouvement Pour la Liberté d’Expression - MLE) ny olom-pirenena.

Teo anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’i Mahajanga no nanaovana izany fanangonantsonia izany. Nandritra izay roa andro izay dia nahatratra 4.200 isa (Roan-jato sy Efatra Arivo) ny sonia voahangona tamin’izany. Tamin’io Sabotsy io dia tonga teto Mahajanga nanome tanana tamin’ny fanentanana ny olom-pirenena ny ekipan’ny “Hetsika ho an’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety”, izay notarihin’ny namana Mpanao gazety, avy any Antananarivo, Fetra Rakotondrasoa sy Lalatiana Rakotondrazafy. Tonga tany Mahajanga nampiseho fiaraha-mientana koa ny namana Mpanao gazety Fernand Cello avy amin’ny Radio Juputer any Andohan’Ilakaka.

Noho ny fangatahan’ireo namana Mpanao gazety avy eto Mahajanga no anton’izany. Izay rehetra nandray fitenenana dia samy nanipika fa : “mamono ny fahalalahana io Lalànan’ny Serasera vaovao kasain’ny Fitondram-panjakana hampiharina io. Tsy ny mpanao gazety irery ihany no iharan-doza eo anatrehan’izany fa ny olom-pirenena maneho hevitra sy manan-jo hahazo vaovao”.


Isan’ny tonga nanao fanentanana nitaona ny mponin’i Mahajanga hanao sonia i Hary Kalizy mpilalao sarimihetsika Malagasy sady Mpanao gazety teo aloha.

Ny hetsika fanangonan-tsonia manohitra ny fampiharana an’io Lalànan’ny Serasera vaovao io, dia mbola hitohy ka hisy ny fidinana ifotony eny an-tsena sy any amin’ireo Fokontany ao anatin’ny Kaomina Mahajanga Renivohitra. Ny Mpanao gazety avy eto Mahajanga no hanatontosa izany.

Eo anatrehan’izany, fanohanan’ny vahoakan’i Mahajanga, ity hetsika fanangonantsonia ity, dia maneho fisaorana mitafotafo azy ireo ny Mpanao gazety mivondro eo anivon’ny “Hetsika ho an’ny Fahalalahan’ny Asa Fanaovan-gazety”. Izany hetsika fanangonan-tsonia izany dia mbola hitohy any amin’ny tanàna hafa sy ny Renivohi-paritany eto Madagasikara.

Mahajanga faha-11 Septambra 2016


SABOTSY 10 SEPTAMBRA 2016

*************************

Tsara marihina fa tonga tany Mahajanga ihany koa ry zareo avy ao amin'ny Mmf (Malagasy mivondrona ho an' ny fanorenana) tamin'io Zoma 09 Septambra 2016 io, nanazava ny antony tokony hanaovana aingana izany fanorenana izany

IZAY MITAMBATRA DIA VATO

*************************

ZOMA 09 SEPTAMBRA 2016

Mis Ă  jour ( Dimanche, 11 Septembre 2016 19:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30