]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Edito et News Shina: mifindra amin'ny olombelona ny gripan’akoho H7N9

Shina: mifindra amin'ny olombelona ny gripan’akoho H7N9

Email Imprimer PDF

Hianjadiam-pahasahiranana tanteraka ireo mpianatra Malagasy any Sina.

Ankoatra ny fahataran’ny vatsim-pianaran’izy ireo izay efa nampanantenain’ny Filohan’ny Tetezamita Andry Rajoelina tamin’ny fihaonana tamin’ny solontenan’ny mpianatra ny 22 Martsa 2013 tao Macau, dia tandidomin-doza indray izy ireo.

Nanamafy ny fisiany sy ny fihanaky ary ny fifindran’ny “grippe aviaire H7N9” amin’ny olombelona ny ministeran’ny Fahasalamana aty Shina, indrindra fa ny any amin’ny faritra atsinanan’ny Shina, Shanghai sy Nanjing ary Hainan.

Fantatra amin’izao fa mihanaka ary miha mahazo vahana any Shina ny "grippe aviaire" amin’izao vanim-potoana izao.

Fotoana indrindra izay mapihanaka ity aretina ity izao noho ny fifindramonin’ireo vorona mamonjy tany mafana, satria dia efa manomboka miha mafana ny toetr’andro any Shina amin’izao fotoana izao.

Tena mampivarahontsana ny Sinoa tokoa ity trangan’aretina ity satria tamin’ny taona lasa dia efa nisy trangan’aretina ka nahafatesana olona maro.

Ny ministeran’ny Raharaham-bahiny sinoa noho izany dia namoaka filazana fampitandremana ho an’ireo teratany vahiny mipetraka aty Shina mba handray fepetra makasika izany mba hisorohana ny fihanaky ny valan’aretina.

Tsara ho marihina fa ny “grippe aviaire H7N9” dia aretina mpahazo ny biby (akoho amam-borona, kisoa…) ary mifindra ihany koa amin’ny olombelona.


Misy ny fepetra tsy maintsy raisina mba hisorohana ny fihanak'io aretina io:

- Tsy azo atao ny mifandray na mifampikasoka amin’ny akoho amam’borona fiompy na voron-dia, kisoa (volailles, oiseaux sauvages et porcs vivants…) indrindra fa eny an-tsena;

- RarĂ na ny mihinana sakafo avy amin'ireo biby ireo;

- Mila manasa Tanana matetika amin’ny savony.

Ny hena azo avy amin'ny akoho amam-borona sy ny kisoa anefa no tena sakafo fihinana sy mora vidy any Shina;

Hidiram-paty antoka araka izany ny varotra akoho amam-borona eny an-tsena na dia efa milatsaka ambany dia ambany aza ny vidiny.

Ohatra:

- Any amin’ny Faritany Zhejiang araka ny loharanom-baovao “Agence Chine nouvelle” dia midina hatrany amin’ny 20% ny vidiny;

- Any amin’ny tanànan’ny Shijiazhuang dia mitotongana hatrany amin’ny + 50%;

- Ny Toeram-pisakafoanana tahaka ny Mc Donald dia efa mampidina hatrany amin’ny 40%, amin’ny sakafo amidiny mba hisintomana sy hitazomana ny mpanjifa ao aminy.

Nampita ny vaovao: Mpianatra Malagasy any Shina, 10 Aprily 2013

Mis Ă  jour ( Mercredi, 10 Avril 2013 17:44 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30