]
Les quotidiens du 26 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Orchidées Blanches : 39ème OPERATION BRIOCHES

Orchidées Blanches : 39ème OPERATION BRIOCHES

CLIQUEZ SUR L'AFFICHE POUR L'ALBUM DE PHOTOS N° 1

Les 26, 27 et 28 mai 2011, l’association « Orchidées Blanches » organise sa 39eme opération Brioches. Il s’agit d’une levée de fonds destinée à supporter les dépenses afférentes à l’intégration sociale de personnes handicapées mentales. Créée par Odette Ramaroson, cette association a des centres d’accueil médico-éducatifs à Antananarivo, Mahajanga et Toamasina. Elle est appuyée par des clubs e service comme le Lion’s Club et des personnes de bonne volonté.

Le fruit du travail que j'accomplis pourrait vous être bénéfique

CLIQUEZ ICI POUR L'ALBUM DE PHOTOS N° 2

Durant ces trois jours, brioches et barres de chocolat seront vendues dans les grandes surfaces et sur les marchés, dans de grandes soubiques. Une partie sera donnée aux personnes économiquement faibles sous l’égide d’associations comme celles des sœurs ou encore de l’association Fitia présidée par Mialy Rajoelina, Première Dame de l’Etat, qui a procédé au lancement officiel de l’opération, ce 26 mai 2011 à Androhibe. Une première : l’implication directe du ministère de la Population et des Affaires sociales, saluée par Odette Ramaroson. Rappelons que ce ministère avait été supprimé par le régime Ravalomanana…

Androhibe, 26 may 2011. Tonga nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny  « Opération Brioches » faha-39 izay efa fanaon’ny  « ORCHIDEES BLANCHES », nanomboka ny taona 1972, ny  vadin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita, Ramatoa Mialy Rajoelina, notronin’ireo  mpiasa sy tale eo anivon’ny Ministera ny Mponina sy ny Raharaha sosialy.


Mialoha ny kabary samihafa dia nisy fitsidihana ireo fianarana sy famoronan’asa izay iandraketan’ny « ORCHIDEES BLANCHES »,  ary indrindra fa ny fanamboarana solaitra (« craie ») fanoratana amin’ny tabilao.


Navoitran’i Ramatoa Mialy Rajoelina, vadin’ny Filohan’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita no Filoha mpanorina ny fikambanana FITIA, fa :

CLIQUEZ ICI POUR LE REPORTAGE VIDEO EN FRANCAIS

Mbola kely ny tenany  dia efa  nahatsiaro ny tany ampianarana  momba ny fizarana ny mofo toy izao ary tamin’izany dia nolazain’ny mpampianatra fa “ny « brioches » izay vidianareo dia fanampiana ho azy ireo ». « Vonona hanampy ny  akany ny Fikambanana FITIA », hoy ihany Ramatoa Mialy Rajoelina, « ary hanentana ny rehetra izay malala-tànana  mba handray  anjara amin’izao “Opération Brioche” izao,  satria ny fanampiana ataonareo dia hanampy ireo tezaina, ary mankahery an’ireo sembana rehetra  mba tsy ho kivy fa hilofo hatrany ».

Ramatoa Odette Ramaroson, mpanorina sy mpitarika ity « ORCHIDEES BLANCHES » ity indray dia nitatitra fa :

CLIQUEZ ICI POUR LA VIDEO

Faha-39 taona nanaovana ny fizarana «brioches” («Opération Brioches») izao hetsika ataony nanomboka ny androany izao ka haharitra telo andro. Hetsika izay fanaony isan-taona ho fitadiavam-bola hoentina hikarakarana sy hanabeazana ireo sembana tezaina ao amin’ny «ORCHIDEES BLANCHES». Izany dia ao anatin’ny firaisankina sy firaisam-po eo amin’ireo  malala tànana. Ho an’ny akany dia zava-dehibe ny fijoroan’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Raharaha sosialy izay afaka miahy ireo sembana izay anisan’ny mponina ihany koa. Ary izany dia hisaorana manokana an’ny Filoha ny Tetezamita Andry Nirina Rajoelina. Ny tanjona ho an’ny akany dia mba hahatonga ireo  ankizy  haleo-tena tsy ho vesatrin’ny fiarahamonina sy ny raiamandreny. Ary dia nisaotra an’ny fikambanana FITIA izy sy ireo malala-tànana to any “clubs de service” (Lion’s Club, Rotary, sns) ary koa ireo “grandes surfaces”.

Ny Minisitry ny Mponina sy ny Raharaha sosialy, Ramatoa Nadine Ramaroson moa, ny maraina dia efa tonga tany Androhibe.

CLIQUEZ ICI POUR LA VIDEO

Navoitrany  fa 2.000 ny« brioches» novidian’ny  Ministera ny Mponina ka ho zaraina amin’ireo olona sahirana eto an-drenivohitra sy eny amin’ ireo akany mitaiza ankizy kamboty. Ny hiriana ho an’ireo ankizy tezaina ao amin’ny «ORCHIDEES BLANCHES» dia mba ahitana orin’asa kely afaka iveloman’izy ireo. Mahatratra 110 ireo ankizy beazina ao aminy Akany «ORCHIDEES BLANCHES» ary  mahatratra hatrany aminy 8 tapitrisa Ariary isan-taona  ny lany amin’ny fikarakarana sy fitaizana ireo ankizy . Folo isan-jaton’ny mponina eto Madagasikara kosa no manana fahasembanana, na ara-batana na ara-tsaina.

Nahazo fanomezana (asa tànana) avy amin'ireo ankizy sembana ara-tsaina i Mialy Rajoelina


Eo ankatoky ny Fetin’ny Reny rahateo moa izay koa dia samy nirary so any Reny Malagasy tsy an-kanavaka izy telo mianaka ary mbola hisy ny praograma ho tontosaina izay taterina eto aminy madagate ihany…

Jeannot RAMAMBAZAFY

Sary : Andry RAKOTONIRAINY

Mis à jour ( Vendredi, 27 Mai 2011 11:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024