]
Les quotidiens du 14 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Fianarantsoa. Nanomboka ny JMJ Mada VIII 2015 ho an’ny tanora malagasy

Fianarantsoa. Nanomboka ny JMJ Mada VIII 2015 ho an’ny tanora malagasy

Taorian’ny tanànan’Antsiranana nandray ny JMJ Mada VII tamin’ny taona 2012 (40.000 mahery ny isan’ireo mpivahiny tonga tany avaratra tany ka 24.000 ny tanora avy amin'ny lafi-valon'ny Nosy tamin'izany) dia anjaran’ny tanànan’i Fianarantsoa indray no mandray ny JMJ Mada VIII, ny 15 ka hatramin’ny 20 Septambra 2015. Ny JMJ moa dia midika hoe : « Journées Mondiales de la Jeunesse » izay hevitry ny Papa Joany Paoly II

VIDEO HIRA FANEVA ETO

“Sambatra ny madio fo fa hahita an’Andriamanitra izy”. Io no lohahevitra hanentana ny JMJ Mada VIII. Hampifantoka ny tanora amin’ny hasambarana atoron’i Kristy ny Papa Fransoà, ka tsy ho very anjara amin’izany ny tanora eto Madagasikara.


Praograman’ireo tanora ato anatin’ny telo taona ny handinihana ny hasambarana atoron’i Jesoa Kristy nanomboka tamin’iny taona 2014 iny, nandinihana ny hoe “Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny Lanitra” (Mt 5, 3) izay hitondra azy ireo amin’ny JMJ any Krakovia (Pologne) ny taona 2016, handinihan-dry zareo ny hoe « Sambatra ny mamindra fo fa hahita an’Andriamanitra izy » (Mt 5, 7).


Raha mikasika ity JMJ Mada VIII ao Fianarantsoa ity, marihina fa 11 ny toerana handraisana ny tanora, ary ny toerana faha-12 dia natokana ho an'ireo tanora voafonja ao Ankazondrano. Satria manana ny zony koa ireo ho sambatra.


Miisa 14 kosa ny toerana hanaovan'ireo raiamandrenintsika eveka katesizy. Tsara ny manamarika dieny ety am-boalohany, fa izay tanora nahaloa ny saran-dasy 40.000 ariary no manaraka ny hetsika rehetra fa tsy ekena ny ivelan’ireo toerana ireo na hoe " hors site".


Ny fahatongavan'ny taolam-balon'ny Mb Thérèse de l'Enfant Jésus sy ny an'ny ray aman-dreniny tao Morondava, ny 8 Aogositra 2015

Ny hampiavaka ity JMJ Mada VIII ao Fianarantsoa ity dia ny fahatongavan’ireo taolambalon’i Mb Thérèse de l’enfant jésus sy ny an’ny ray aman-dreniny.


Jeannot Ramambazafy – 16 Septambra 2015

Mis à jour ( Mercredi, 16 Septembre 2015 12:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON