]
Les quotidiens du 11 May 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Toamasina. « Fantatro ny zo hananako », hoy i Lindbergh Chrys Yves

Toamasina. « Fantatro ny zo hananako », hoy i Lindbergh Chrys Yves

Izy dia mbola tanora erotrorony kanefa mahavelom-panantenana ny fandraisany andraikitra eo amin’ny raharaham-pirenena. « Normal », hoy ny fitenenana satria mandalina ny Tantara politikan’i Madagasira izy, ary tsapany amin’izao fotoana izao fa dia niverin-dàlana 50 taona be izao ny Tanindrazana iombonana amin’ity Repoblika faha-efatra tarihin’ny filoha voafidy Hery Rajaonarimampianina ity.

Fa ny loza dia ity: ny ratsy rehetra nataon'ireo nialoha azy (filoha voafidy ny resaka eto fa tsy ireo tetezamita enina nolalovan'ny firenena akory) no naveriny ka anisan’izany ny fanagejana ny Malagasy eo amin’ny lafiny fanehoan-kevitra izay efa nisy tany amin’ny repoblika voalohany tany… Tsy iza izany tovolahy izany fa i Lindhbergh Chrys Yves izay nitsanga naneho ny heviny eto aminy madagate .org

Jeannot Ramambazafy

***********


Fantatro ny zo hananako

Raha izaho manokana dia tsy hangina ary tsy ho tampenam-bava sy tsy ho fatoran-tànana ao amin'ny fitaovan-tserasera facebook, raha resaka politika sy tsikera no lazaina, satria zoko tanteraka ary tsy azo n'iza n'iza esorina amiko izany raha mbola sata repoblikanina koa no mifehy ity firenena ity. Fa raha misy te hamefy ahy amin'izany dia asaivo ovainy aloha io sata io raha sahy izy.

Aoka hazava fa firenena demokratika i Madagasikara ka mananjo aneho hevitra sy anao « critique » avokoa ny olona tsirairay, ary mananjo ihany koa hisafidy izay firehan-kevitra na ankolafy politika na olona izay tohanany. Ny an’ireo mpamadika palitao sy zavatra hafa no tsy fantatro…

Noho izany dia tohanako ny foto-kevitra hijoroako ary arovako ihany koa ilay olona izay tohananako satria zoko feno izany ka tsy hanaiky fefena amin'izany aho fa raha te hisambotra anay izay tsy mitovy hevitra aminareo ianareo dia tohizo hatrany ny fisamborana, fa 99 andro ny anareo fa iray andro tsy maintsy anay.

Tsy nametraka rafitra fitondra-mpianakaviana na akamakama, na fitondrana mpanjaka ny vahoaka Malagasy fa rafitra repoblikanina no napetrany ary firenena démokratika ity ka araho ny tantara ary mianara lesona tsara sao lavo lahy.

Lindbergh Chrys Yves

Tanora MAPAR

Toamasina, 17 Febroary 2017

Mis à jour ( Vendredi, 17 Février 2017 14:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON