]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Jesy Rabelalao. Nivoaka ny bokiny mikasika an’ny Mpanjaka Antemora Ramakararo

Jesy Rabelalao. Nivoaka ny bokiny mikasika an’ny Mpanjaka Antemora Ramakararo

Nivoaka ny 4 Jona 2021 ny boky nosoratan’i Randriambe Randriamahasoa Georges, fantatatra amin’ny anarana mpanao gazety hoe JESY RABELAOLAO, mitondra ny lohan-teny hoe « Mpanjaka Antemoro Ramakararo, Hasina sy Rain’ny fanjakana Malagasy ».

Mitantara ny tsara ho fantatra amin’ny tantaran’ny Antemoro io boky io. Voalaza ao anatin’izany boky izany ny Hasina izay mampalaza ny Lapa ao Ivato-Fenovola izay misy ny Mpanjaka Ramasitrakarivo mifandimby avy amin’ny Anteony. Ny fanjakana Antemoro izay misy ny ANDRIAMBITELO (Anteony, Antalaotra ary Ampanabaka)

Mitantara an’i Ramakararo Ampanjaka Antemoro izay mpanjaka voalohany teto Madagasikara ny boky, ny fihaviany avy any Moyen-Orient (Atsinanana Afovoan’ny tany). Miresaka momba ny Sorabe, sy ny Hasin’izany boky izany, ary ny razany avy any Kanana any Israely ka hatrany Turquie sy La Mecque (Imaka).

Miresaka ny momba ny Fanjakana manana razana Antemoro eto Madagasikara koa ity boky ity. Ny fifandraisany tamin’ny foko rehetra teto Madagasikara hatramin’ny taona 1336 ka hatramin’izao. Ny antony niantsoana azy ireo hoe «olokendry» teto Madagasikara.


Ny mpitondra firenena rehetra teto Madagasikara dia nandeha « MITADY HASINA » ao amin’ny lapan’Ivato-Fenovola avokoa hatramin’ny andron’ny faha mpanjaka ka hatramin’izao, indrindra fa ny fanjakana Ambaniandro nifandimby. Amin’ny alàlan’ny « TSODRANO » no anaovana izany, izay fahefana manokan’i Ndrenogny Ramasitrakarivo taranak’i Ramakararo mpanjaka voalohany teto Madagasikara.

Natao hanampy ny Malagasy rehetra amin’ny fahalalana ny bebe kokoa amin’ny tantara Antemoro, fa indrindra ny ANTEONY, ity boky ity.

izay boky faharoa navoakan’i Randriambe Jesy Rabelaolao. Ny iray voalohany dia tantaran’Ambatofinandrahana mitondra ny lohan-teny hoe « Ambatofinandrahana taloha sy ankehitriny (1720-2008) ».


Isaorana manokana ny orinasa « La Gazette de la Grande Ile », indrindra fa ny Tale jeneraliny, Lola Rasoamaharo, izay noho ny mpanoratra mpanao gazety ao amin’ity orinasa ity no nahavitana izany.

Ny boky dia ho hitanao amin’ny fivarotana gazety « La Gazette de la Grande Ile » eto Antananarivo sy ao amin’i Foiben’ny gazety ao amin’ny « Villa Pradon» etsy Antanimena.

Ny mpiara-miasa ao amin’ny « La Gazette de la Grande Ile »

Mis à jour ( Samedi, 05 Juin 2021 07:10 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30