]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche MICHELLE OBAMA. “NY FAHAZAVANA AO ANATIN-TSIKA…

MICHELLE OBAMA. “NY FAHAZAVANA AO ANATIN-TSIKA…

Eny, na dia lehilahy aza aho, tena liana androany 25 avrily 2025 nijery ilay fandaharana vao novokarin’ny Netflix, maharitra 31 minitra, ahitana an’i Oprah Winfrey -mpanolotra fandaharana amina televiziona amerikana, malaza maneran-tany- manasa an’i Michelle Obama, vadin’ny Filoha amerikana teo aloha, miresaka ny bokiny faharoa, mitondra ny lohatany hoe : “The Light We Carry, Overcoming in Uncertain Times.

Adikako amin’ny hoe : Ny Fahazavana ao Anatin-tsika, afahana mandresy ny fotoan-tsarotra tsy misy mahalala ny fiafarany (ny “confinement” tamin’ny aretina covid-19 no tiany resahina indrindra indrindra, nahatonga ny ankamaroan’ny olombelona nanontany tena momban’ny ho aviny…

Feno ipoka ilay toerana nahitana sy nihainoana azy mirahavavy ao Los Angeles, California, roa herinandro lasa izay.

Nataoko vain-dohan-draharaha ny nandika ny momban’io boky io amin’ny teny malagasy. Satria tena nahatonga saina ara-bakiteny ny nihaino azy mirahavavy tsy naka sarotra amina resaka tena “giravy”…

Tsy mahagaga raha mandroso hatrany ny Etazonia satria avo dia avo ny fanabeazana any, ankapobeny, ary ity dia avy amina vehivavy “First Lady” ana firenena matanjaka toa ny “Bekintana”.

Andao ary.


Taorian'ny fahombiazan'ilay bokiny voalohany “Becoming” (azo adika malalaka hoe : ny fototry ny haha iza anao any aoriana any) maneran-tany, dia mizara amintsika ny toro-hevitra, tantara ary paikady mahomby amin'ny fijanonana ho be fanantenana hatrany sy ho tony lalan-dava eo anatrehan'ny fisalasalana lehibe amin'izao tontolo izao ny vadin’i Michelle Obama.

Mety tsy hisy vahaolana tonga lafatra na valiny fohy amin'ireo fanamby lehibe eo amin'ny fiainana. Saingy resy lahatra i Michelle Obama fa afaka mahita loharano hisintonana ny tsirairay mba hiatrehana tsara kokoa ny fiovana sy hivoatra tsy ho very na diso lalana.

Ao amin'ity “Hazavana ao Anatsintsika” ity dia manao fifanakalozan-dresaka am-pahatsorana sy marina miaraka amin'ireo mpamaky azy i Michelle Obama, ary mijery ireo fanontaniana izay apetraky ny maro amintsika amin'ny tenantsika hoe : ahoana ny fomba hananganana fifandraisana maharitra sy marina? Ahoana no ahafahan'ny fahasamihafana misy antsika hatanjaka sy hampiray antsika? Inona no fitaovana azontsika ampiasaina rehefa misalasala ny tenantsika ka toa mahatsiaro ho tsy afa-manoatra? Inona no tokony hatao rehefa mahatsiaro ho very fanahy mbola velona ianao?

Michelle Obama dia manolotra ny mpamaky azy ireo tantara manokana tsy voatanisa sy fandinihana lalina momba ny fiovana, ny fahasahiranana ary ny hery: mino izy fa raha mamiratra ny fahazavantsika amin'ny hafa isika dia afaka manambara ny harena sy ny fahafahan'ny tontolo manodidina antsika. Ary manokatra lalam-pandrosoana vaovao. Miorina amin'ny traikefany amin'ny maha-reny, zanakavavy, vady, namana ary Vadina Filoham-pirenena izy ka mizara ny tsiambaratelo sy ny loharanon-karena ampiasany mba hifanaraka amin'ny fiovana sy handresena ireo sakana.

Io Fahendrena io, vokatry ny zavatra niainany, no ahafahany manohy ny fanatanterahana ny tenany. Manoritsoritra ny fomba fiasany mahasoa indrindra izy, anisan'izany ny "manomboka amin'ny hatsaram-panahy", "manandratra", na manolo-kevitra mihitsy aza izy ny hivory manodidina ny "latabatra an-dakozia" izy sy ny namana azo itokisana.

Miaraka amin'ny hatsikana, mariky ny fahatsoram-pony ary ny fiarahany miory, dia miresaka ihany koa momban’ny olan'ny firazanana, ny lahy sy ny vavy ary ny fahitana izy. Manentana ny mpamaky azy handresy ny tahony, haka hery avy amin'ny fitambarana ary hiaina amim-pahasahiana.

Hoy indrindra i Michelle Obama: “Rehefa afaka mahita sy mahafantatra ny fahazavanao ianao, dia ho sahy hampiasa azy io”.

Amin'ny alalan'ny ohatra mahery vaika sy torohevitra feno fahendrena no amelabelarany izany. Ity boky “Hazavana ao Anatin-tsika” misy 350 pejy ity dia manasa ny mpamaky hisaintsaina ny fiainany, hamantatra izay mahafaly azy ireo, ary hanao fifandraisana manan-danja ao anatin'ny tontolo mikorontana.

Tsipihiko fa tsy misy amin’ny teny malagasy io boky io fa teny anglisy sy teny frantsay ihany aloha hatreto.

Jeannot Ramambazafy

25 Avrily 2023

Mis à jour ( Mardi, 25 Avril 2023 16:00 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30