]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

LALIE (1976-2024) : Mandria am-piadànana namako amin’ny tsikinao ‘zay…

Alahady 28 Avrily 2024. Izao aminy 9 ora maraina izao aho no manoratra rehefa avy nolazain’ny zanako fa “lasa” i Lalie.

LALIE LOUISE HANITRINIALA ANDRIAMAZAVA no anarany feno. Ny taona 1996 izy no tonga dia nalaza tamin’ilay hirany “Miaraka aminao”. Avy eo nanao “cabarets” maro sy nampiaram-peo tamina mpihira betsaka… Nanambady izy ary nanomboka ny taona 2010 tany dia tsy hita sy tsy ren’ny mpankafy azy intsony i Lalie izay eny an-dalana eny sisa no mba nifanena sy ny fampiarahaba…


Ny taona 2023 indray izy vao nipoitra saingy efa nokikisana aretina izay nandavo azy izao maraina izao.


Izay no lahatra. Fomba fiteny tokoa satria inona moa izany 48 taona niainany raha oharina amin’ny 70 taonako mbola manoratra izao ? Saingy nangirifiry loatra i Lalie ka nalehon’ny Ray Tsitoha nampitsahatra izany irifiry izany ka handry am-piadanana miandry ny fitsanganan’ny fanahiny.


Ho antsika kosa, fianakaviana, havana, tapaka sy namana dia io sary io no atolotro ka io no hahatsiarovan-tsika an’i Lalie “kely”. Io “Coupe garçon” io no tena nahitan-tsika an’i Lalie.
VELOMA LALIE A !


Jeannot Ramambazafy


* * * * * *


VELOMA NAMAKO


Mba satriko aho hitsiky, kanefa te hisento,
anatiko ao mazàna, ito ora fisarahana.
Ka satriko aho hiala, tsy hijanona ela eto,
ho vetivety dia ho tonga amin'ny ora hiarahana.

tsy tantiko ianareo ny hijery ahy handao,
fa ndrao dia hankarary ny ato anatiko ny tsiahy;
mba satriko eny manko! mbola hitohy ny kilalao,
hifamerenan-tsika ho amin'ny sangisangy indray.

aleoko dia mangina, tsy hijery raha handeha,
tsy te hahita akory mason'olona mangaina;
fahatsiarovana sy sento, any anaty, tsy mba re;
sisa mihatra anaty fo sy mandranitra ny saina.

any mbola hiaona! ilay andro nantenaina,
veloma sy masina ry namana tsy foy;
diana sakaiza niara-dàlana ela manko,
sarotra adinoina, ka antenaiko hifanjoy.

ny andro no hifandimby, diavolana ho lava,
kilalao mbola ho ela, fa ny teny hofaranako;
na satry hitafatafa sy mbola hitabataba;
aleo dia mifandao, koa veloma re ry namako.

CEDARF

 

* * * * * *

ANJAHANARY, 1 MEY 2024. MANDRIA AM-PIADANANA LALIE A !


Tsindrio eto raha hiaino an’i Lalie

MISY TSIKINAO ‘ZAY

Misy tsikinao ’zay

Tsy hay akifika

Fa midongy ao

Ao an-tsaiko ao

Mikorana mora

Ao am-poko ao

Isan’andro ’zao !

’Lay tsiky kely mahasosotra ahy

Tia manaraka ahy

’Lay tsiky kely manadala ahy

Tsy mahasaraka ahy

Misy hiranao ’zay

Misy hiranao ’zay

Tsy hay adinoina

Fa mivazo ao

Ao an-tsaiko ao

Miresaka fitia

Ao an-poko ao

Isan’andro ’zao !

’Lay tsikinao adaladala ’zay

Tia manaraka ahy

’Lay hiranao hafahafa ’zay

Tsy mahasaraka ahy

Tiako sy iriko

Mba hijanona ao

Ao anatiko ao !

Mis à jour ( Jeudi, 02 Mai 2024 17:25 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30