]
Les quotidiens du 21 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

Ny Kardinaly Farrell no nanao izao fanambarana izao androany 21 avrily 2025 maraina :

“Ry rahalahy sy anabavy malala, amin’ny alahelo lalina no tsy maintsy anambarako aminareo ny fodiamandrin’ny Ray Masina François. Tamin’ny 7 ora sy sasany maraina (ora an-toerana) dia nody any an-tranon’ny Ray ny Evekan’i Roma, François, izay nanokana ny fiainany manontolo ho amin’ny fanompoana ny Tompo sy ny Fiangonany.


Nampianatra antsika hiaina ny soatoavin’ny Filazantsara amin’ny fahatokiana sy ny herim-po ary ny fitiavana maneran-tany izy, indrindra fa ho an’ireo faniranovana sy ireo voahilikilika.

Ary dia nanampy izao Monsenera Farrell : “Amin’ny fankasitrahana lehibe, noho ny ohatra nasehony amin’ny maha-mpianatr’i Jesosy Tompo marina azy, dia mametraka ny fanahin’i Papa François izahay, eo amin’ny Fitiavana tsy manam-petra an’ilay Andriamanitra telo (ny Ray, ny Zanaka ary ny Fanahy Masina) izay iray sy tokana ihany.


Raha tadidin-tsika dia niditra tao amin’ny « polyclinique Gemelli », ao Roma, ny Papa Francois (Jorge Mario Bergoglio), ny 14 febroary 2025, noho ny aretina « pneumonie ». Nivoaka tao izy taloha kelin’ny andron’ny Paska izay nankalazainy niaraka tamina mpino maro be tao Vatican, ny Alahadin’ny Paska 20 Avrily 2025.

Raha tsiahivina, ny taona 2023 dia naniry halevina ao amin’ny « Basilique Sainte-Marie Majeure de Rome » ny Papa François, izay teraka tany Flores, Bueno Aires, Argentina ny 17 Desambra 1936.

Nandika avy amin’ny teny anglisy : Jeannot Ramambazafy

Mis à jour ( Lundi, 21 Avril 2025 09:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

DECES DE SEM RIJA RAJOHNSON. COMMUNIQUÉ DE L’AMBASSADE DE LA RÉPUBLIQUE DE MADAGASCAR EN FRANCE

 

Papa François. Nodimandry ny 21 avrily 2025 maraina, teo amin’ny faha-88 taonany

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA