]
Les quotidiens du 26 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Marco, ilay gasy be hevitra taingina ao Frantsa ao

Marco, ilay gasy be hevitra taingina ao Frantsa ao

Misy fiteny frantsay milaza hoe : « Il faut de tout pour faire un monde ». Izany hoe na tiana na tsy tiana dia feno ny karazan’olona rehetra eto ambon’ity tany ity. Tokony tsy misy atao mahaga intsony mihitsy na tranga, na fihetsika nisy, misy ary mbola hisy avy amina olombelona toa anao mpamaky io. Saingy ao ny olona mandalo tsy hita izay nataony teto ambon’ity tany ity ary ao izay mba te-halaza ka manararaotra tranga iray mba hisehoany, satria nandritra ny amam-polotaona tsy nisy nahalala mihitsy ny fisiany.

Aleoko kilasina ao anatin’izany « te-halaza » izany ity gasy (tsy mendrika atao hoe Malagasy kosa aloha amiko !) monina any Frantsa efa ela, ka nipoitra tampoka miseho ao amin’ny Youtube izay tsy ny Malagasy rehetra eto Madagasikara no afaka mijery izany. Marco no anarany salorany (nariany hatramin’ny anarany feno, asa angaha ?...) ary amin’ny teny malagasy izy no maneho hevitra. Fa nisy nilaza fa avy ao Antohomadinika ao Antananarivo izy io. Ireo tena mahalala na nahalala azy dia afaka manamarina na tsia amin’io sary mivoaka eto io.

Izy ihany moa no milaza fa ny soratra mitoetra ka dia ireto manaraka ireto ny baiko ankolaka nomeny, ny 5 novambra 2020, mikasika ny « fitokanana ilay Colisée ». Ny tena marina dia ny Lapa Besakana sy ny Lapan’ny Mpanjakavavy ao anatin’ilay Rovan’i Madagasikara eny Manjakamiadana no notokanana ny 06 Novambra 2020 (ETO). Rehefa avy namaky ianareo, dia anjaranareo no mandinika ny hoe : milamina ara-tsaina ve ity Marco ity sa tsia ? Fa amiko aloha dia manala-baraka ny ray aman-dreny niaviany izy ary manozona ireo ho taranany izay hisitri-belona rehefa ho lehibe satria ny fiainana mitohy hatrany fa ny soratra mitoetra. Andao ary :

« (…) Hitokana io Colisée io no tena tanjon’i Rajoelina fa rebirebeny amin’ity haingon-dampihazo ity isika, ilay lazainy hoe couronne. Iny izany no ticket ho entiny miditra ao anaty Rova satria efa lilo ny sofiny nampahafantarana azy fa raha mitokana io Colisée io izy, tamin’ireny andro ireny, dia hahita raharaha izy. Fa izao izy izany mahita hevitra, ataon-tsika hoe nahita fika izy afahany miakatra eny. Be dia be ny hetsika niaraha-tsika nahita taty (Ttf : tao Parisy izany), ny hetsika taty ivelan’i Madagasikara, teto Frantsa, tao La Réunion, nanao hetsika momba io hoe : arovako ny rovako, ravao ny Colisée.

Izaho taty, indray mandeha na indroa raha betsaka indrindra no nanatrika io hetsika io. Rehefa nandeha tamin’ilay hetsika aho, ny zavatra nandrasako dia hoy aho hoe : tena mety ity fa tena mitovy fiasa amin’i Greenpeace (Ttf : fikambanana mpiaro ny tontolo iainana) ity : On étude dia tonga dia mi-passer à l’action (Ttf : ireo mihitsy no voatenin’io Marco io). Saingy tsy izay fa lasa resaka lava be dia tonga dia nanapaka hevitra aho, niaraka tamin’ny groupe-ko fa tsy miditra plan’ny Colisée, tsy anatin’ny plan-ko ny Colisée. Saingy miteny aho androany (Ttf : 05 Novambra 2020) satria misy ihany olom-pantatra, misy ihany akaikin’ny tena, malahelo aho miresaka io Colisée io.

Ity fitondrana ity izany, efa nampidiriny tao anatin’ny lohan’ireo Mpanjaka, Andriamanjaka sns, sns izay tsy nanaiky, nijoro, niseho fahitalavitra, niteny tamina radios hoe tsy manaiky an’io, dia nampidiriny ao anatin’ny lohany amin’izao fotoana izao hoe : io Rova io tsy an’Antananarivo fa an’ny Malagasy rehetra. Ny dikan’izay efa voaborosy daholo ny Mpanjaka tany amin’ny sisiny tany ho entina hiakatra ao Antananarivo hanatrika io fitokanana io Colisée io, ho entina mi-tsyle hoe : hanaterana ilay hoe, inona ity a a a, ilay couronne. Nanome ny hevitro aho rehefa tonga teny amin’ny fihetsiketsehina teto Frantsa. Hoy aho hoe : rehefa tsy misy action io dia ho tokanana io, tsy ho rava.

Bon, nandalo fotsiny moa izany ilay hevitra fa izay no naha tapakevitra ahy tsy hiditra amin’ilay resaka Colisée. Omaly aho mbola nanome hevitra, satria nisy niantso aho hoe : ahoana ? Dia hoy aho hoe : eny ary fa omeko anareo ny hevitro. Efa nanome ny hevitro aho hatramin’ny voalohany fa tsy nohenoinareo ilay izy. Izao izany no mba torohevitra omeko ho an’izay mbola vonona amin’io, indrindra indrindra ianareo Andriana, Andriamanjaka, tsy fantatro… Andro lehibe, hoy izy, hoy i Rajoelina, io andro io, rahampitso. Andro fety io aminy. Inona no tsy hanaovana fety ary ?

Mitambara ianareo Andriana, mitambara ianareo Mpanjaka, ianareo tsy fantatro intsony… Mandehana mitady vary amina gony, ataovy iray camion, ho ento miakatra eny amin’ny Rova, ho ento miakatra eo amin’ny Lapan’ny Fitsarana eo akaikin’ny fidiran’ny Rova io. Dia manaova antso ho an’ny vahoaka, dia ataon-tsika hoe : ry vahoaka marefo. Antsoy ny ambany tanàna hoe : hisy fizarana hataon’ny Andriana, fizarana fanampiana ataon’ny Andriana sy ny Andriamanjaka sy ny Mpanjaka sy ny tsy fantatro, eny amin’ny Rova, eo amin’ny vavahadin’ny Rova, eo amin’ny Lapan’ny Fitsarana eo akaikin’ny fidiran’ny Rova io.

Manao antso izao. Ataovy ny antso na rahampitso vao maraina aza. Mangalà mégaphone, mangalà fiara dia tetezo ny ambany tanàna asaivo miakatra eny ny vahoaka. Ny diaspora mivory ireo misy betsaka. Miresaha amin’ireo fa fantatro fa misy contacts ianareo amin’ireo. Atao izay ahazonareo azy ireo. Mividiana omby. Omby anankiray eo amin’ny trois millions eo. Mividiana omby efatra, ento miakatra eny, roahay ataovy mandeha tongotra, ento miakatra eny koa rahampitso. Dia avelao fa samy fety io. Afaka manao izany tsara mihitsy. Tsy misy autorisation io. Dia aleho hifanjevo ao. Ianareo tsy miditra ao anaty Rova. Ny olona tsotra tsy anaty Rova fa aty ivelany ny fizarana ny fanampiana. Ento io amin’ilay resaka corona, ento amin’ilay resaka marefo sy ny sisa. Fizarana normal dia aleho hifanjevo eo. Ento miakatra eny ireo vahoaka ireo. Avelao izy hanao fety ao amin’ny Colisée ao raha vitany.

Fa ny anareo tanterao, zarao ny vary. Be dia be ny Andriana manana contacts ao Antananarivo ao. Ireny namanareo Karana resao. Dia mangalà, hoy aho, vary iray camion dia ataovy ny fizarana eny ambony eny. Tsoriko eto fa ho lasa sous forme ana barrage io. Tsy maninona ! Raha eny no tokony hatomboka ny action dia hatomboka eny ny action. Ho lazaiko ny groupe-ko. Groupe, hoy aho, fa izaho tsy milaza hoe antoko na vondrona sao hafangaro an ! Tsy misy resaka politika io. Raha eny no mila hatomboka ny action dia hatomboka eny. Ny ahy ny plan-ko aloha, izaho tsy miditra plan Colisée. Fa izay no azokoa atao, izay no azoko hanampiana, raha torohevitra no ilainareo, mbola manana 24 heures hafahana mikaroka hoe : inona no hatao raha te-hizingizina amin’ny hoe ravao io, sakano io ?

Fa tsy miresaka tena hoe aleho hanao fa ravana ihany io rehefa avy eo. Na io ravana izao, na io sakana izao, na io avela ao. Eto aho dia hamaly kely ilay olona niantso aho. Ho valiako eto fa izaho tsy hanoratra satria ireny mipetraka. Ary fantatro izy fa mijery ilay vidéo eto. Dia miala tsiny aminao aho, mon Général : raha izany ketrika izany, hiala an’Ankatso dia Ambohidempona, tsy mety aminay (Ttf : fanonganam-panjakana ilay ketrika ?). Mazotoa.

Izay no azoko resahina androany fa amin’ny manaraka hiresaka ny fiainam-pirenena dia hitan-tsika hoe inona no ho lazaina, inona no ho atao. Fa ny Colisée aloha, izay no azo atao fa rehefa tsy hanao an’izay dia avelao ny olona hanao ny fetiny. Satria na ianareo Andriana koa anie tsy mitovy saina akory e ! Roa herinandro izay dia ny sasany nangataka sahady hoe aiza ny invitation no halaina ? Ianao anefa mihizinginzina hoe tsy hanaiky an’io ! Lasa mifandrebireby fotsiny. Izay ary aloha e. Amin’ny manaraka. Salama daholo./. ».


Ny vidéo ao amin’ny Youtube azo esorina fa ny soratra mitoetra ka izay tokoa ary aloha fa dia sokajina ho naman-dry Fleury Rakotomalala, Fanirisoa Ernaivo ary i Luc Hervé -izay samy monina ao Frantsa daholo, mahagaga- ity Marco « revolisionera » (jereo ny fomba fitafiny) be hevitra taingina. Ity no lahatsoratra tokana mikasika azy hipetraka ho an’ny Tantram-pirenena. Te-halaza izy ?

Tontosa ny faniriany, fa halaza manao akory ? Tsy hisy hanenjika azy, tsy hisy hisambotra azy fa ny nataony sy ny mbola hataony no handavo azy. Satria, aleho enjehin’ny omby masiaka toa izay enjehin’ny eritreritra. Ka avelao izy aloha hanohy ny fahaizany manome torohevitra dieny mbola salama saina sy vantana. Sa ahoana, hoy ianareo ? Izy anie tsy manompa kosa aloha. Revolisionera diso fotoana fotsiny. Béret mitomany Che Guevara misy kintana mena sinoa eo an-tampon-doha ; sary toa croix de Malte eo amin’ny T-shirt. F’inona ary ity ?

Jeannot Ramambazafy – Lahatsoratra nivoaka koa ao amin’ny « La Gazette de la Grande île » tamin’ny Alarobia 11 Novambra 2020


Mis Ă  jour ( Mercredi, 18 Novembre 2020 09:07 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024