]
Les quotidiens du 26 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Hanitra Razafimanantsoa. Mpampianatra fandikan-dalàna ikoizana

Hanitra Razafimanantsoa. Mpampianatra fandikan-dalàna ikoizana

Ny Tantara, Tompoko, tsy azo foronina velively ary tsy miova araka ny sitrapon’ny tsirairay. Ny soratra koa mitoetra ary tsy misy tokony tsy ahafantatra ny lalàna ny Malagasy tsirairay izay tsy ambonin’ny Lalàna na ny iray aza.

Nilaza, ary naniziginzina mihitsy, i Ramatoa Hanitra Razafimanantsoa, solombavambahoaka malaza nianatra sy nandalina ny lalàna, fa tsy maintsy hanao tatitra ho an’ny vahoaka ao amin’ny boriboritany enina eto Antananarivo ry zareo solombavambahoaka TIM vitsy an’isa (16 amin’ny 151) ary tsy maintsy eo amin’ny zaridain’Ambohijatovo androany sabotsy 20 febroary 2021.

Satria, hono, izany tatitra izany dia voalaza ao amin’ny Lalampanorenana fa tsy maintsy atao. Isika eto tsy hanambany tena toa azy ka hamelabelatra ny hoe : iza no hanao iray sy iray amin’iza, fa hampahafantatra anareo mpamaky kosa izay voasoratry ny Lalampanorenana («Constitution») mikasika izany tatitra ezahina ho tontosaina androany sabotsy 20 febroary 2021 eo Ambohijatovo izany.

Ao anatin’ny Lalampanorenan’ny Repoblika faha-efatra an’i Madagasikara dia manomboka ao amin’ny andininy faha-68 ka hatramin’ny andininy faha-79 ny mikasika ny mpanao lalàna. Eo amin’ny andininy faha-68 no manomboka ny Zana-dohanteny II, ny amin’ny mpanao lalàna, milaza fa : « Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no mandrafitra ny Antenimiera. Izy no mandany ny lalàna sy manara-maso ny asan'ny Governemanta ary ny fanaovana tombana ny politikampanjakana ». Ireo izany no tena asany fa tsy ny finiavana hanongam-panjakana hamerenena an’i Ravalomanana velively akory.

Raha mikasika ny Antenimierampirenena manokana dia izao no voasoratra : Toko voalohany : Ny amin’ny Antenimierampirenena

Andininy 69. Fidin’ny daholobe hiasa mandritry ny dimy taona amin’ny alàlan'ny latsabato mivantana ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena ka izay mahazo vato be indrindra no lany.

Ny fomba fanatanterahana ny latsabato dia ferana amin’ny alàlan'ny lalàna fehizoro.

Ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena dia mitondra ny anarana hoe: « Solombavambahoakan’i Madagasikara ».

Andaniny 70. Didim-panjakana raisina eo amin’ny Filankevitry ny Minisitra no

mametra ny isan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena, ny fitsinjarana toerana manerana ny tanim-pirenena sy ny fizarazarana ny fari-pifidianana.

Andininy 71. Tsy azo ampirafesina amin’ny andraikitra hafa maha-olom-boafidimbahoaka sy izay mety ho fisahanana asampanjakana hafa ankoatra ny asa fampianarana ny andraikitry ny solombavambahoaka.

Miato avy hatrany amin’ny maha olomboafidy azy ny solombavambahoaka voatendry ho mpikambana ao amin’ny Governemanta. Ny mpisolo toerana no misolo azy.

Manatanteraka ny asany araka ny feon’ny fieritreretany ary ao anatin’ny fanajàna ny fitsipika fototra voafaritra araka ny fomba voadidy arahina ao amin’ny andininy faha-79 etsy ambany ny solombavambahoaka.

Andininy 72. Mandritra ny fe-potoana iasany, ny solombavambahoaka dia tsy afaka miova vondrona politika mba hiditra any aminà vondrona vaovao, ankoatra ny anaran’ny vondrona izay nahavoafidy azy, raha tsy izany dia aongana.

Raha misy ny fandikàna ny andàlana etsy aloha, dia ambaran’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny sazy fanonganana.

Ny solombavambahoaka voafidy ka tsy avy aminà antoko iray dia afaka miditra ao amin’ny vondrona parlemantera araka ny safidiny eo anivon’ny Antenimiera.

Ny fanonganana solombavambahoaka iray dia azon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana anaovana fanambarana ihany koa, raha toa izy ka mivoana amin’ny làlam-pitondran-tenan’ny vondrona parlemantera misy azy.

Ny fomba fanonganana sy ny fitsipika momba ny toetra fototra ary ny fitandroana ny hasin’ny asa dia faritana amin’ny alàlan’ny lalàna mikasika ny antoko politika sy ny didy amam-pitsipika mikasika ny famatsiam-bola ny antoko politika.

Andininy 73. Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina, karohina, samborina, tànana am-ponja, na tsaraina noho ny hevitra naposany na latsabato nataony teo am-panaovana ny asany.

Tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra mandritra ny fotoam-pivoriana raha tsy nahazoan-dàlana tamin’ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby.

Tsy misy solombavambahoaka na dia iray aza azo samborina ivelan’ny fotoampivoriana, raha tsy nahazoan-dàlana tamin’ny Biraon’ny Antenimiera, raha tsy hoe tratra ambodiomby, noho ny fanenjehana nomena alàlana na ny fanamelohana tanteraka.

Afaka manao fitarainana an-tsoratra any amin’ny Birao maharitry ny Antenimierampirenena izay rehetra olona manana fanamarihana momba ny tsy

fahavitan’ny solombavambahoaka iray ny asa nankinina taminy. Tsy maintsy manome valiny amin'ny antsipiriany mikasika ilay raharaha ny Birao ao anatin’ny telo volana.

Andininy 74. Fidina eo amin’ny fiandohan’ny fotoam-pivoriana voalohany ny Filoha sy ny mpikambana ao amin’ny Birao mandritry ny fotoam-piasany.

Na izany aza noho ny antony lehibe, dia azo esorina amin’ny toerana misy azy ireo avy ny mpikambana ao amin’ny Birao amin’ny alàlan’ny latsabato miafina ataon'ny roa ampahatelon’ny solombavambahoaka.

Andaniny 75. Mivory ara-potoana indroa isan-taona ny Antenimierampirenena. Ny faharetan’ny fotoam-pivoriana isanisany dia Ferana ho enimpolo andro.

Manomboka ny talata voalohany amin’ny volana mey ny fotoam-pivoriana voalohany ary ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra kosa ny fotoam-pivoriana faharoa izay atokana indrindra amin’ny fandaniana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolampanjakana.

Andininy 76. Mivory tsy ara-potoana araka ny lahadinika voafaritra ny Antenimierampirenena noho ny fitarihan’ny Praiminisitra, na noho ny fangatahan’ny antsasa-manilan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena araka ny didimpanjakana noraisin’ny Filohan’ny Repoblika teo amin’ny Filankevitry ny Minisitra.

Tsy mihoatra ny roa ambin’ny folo andro ny faharetan’ny fotoam-pivoriana. Na izany aza anefa, raha vantany vao tapitra ny lahadinika izay niantsoana ny Antenimieram-pirenena, dia faranana amin’ny alàlan'ny didimpanjakana ny fivoriana.

Andininy 77. Ampahibemaso ny fivorian’ny Antenimierampirenena. Tanana an-tsoratra izany, ary havoaka ho fantatry ny besinimaro araka ny fepetra voalazan’ny lalàna.

Mivory tsy ampahibemaso ny Antenimierampirenena araka ny fangatahana ataon’ny ampahaefatry ny mpikambana ao aminy na ny fangatahana ataon’ny

Governemanta. Anaovana fitànana antsoratra ny fanapahana nofaranana.

Andininy 78. Manao fivoriana manokana avy hatrany ny Antenimierampirenena ny talata faharoa manaraka ny fanambarana ny vokatry ny fifidianana azy mba hananganana ny biraony sy ny fanamboarana ny vaomiera.

Manana zo amin’ny toeran’ny filoha lefitra iray ny mpanohitra ary mitarika ny iray amin’ireo vaomiera farafahakeliny.

Mifarana ny fivoriana raha vao tapitra ny lahadinika.

Andininy 79. Ny fitsipika mikasika ny fampandehanana ny Antenimierampirenena dia faritan’ny lalàna fehizoro ao amin’ny foto-kevitra ankapobe sy faritan’ny fitsipika anatiny ao amin’ny fombafomba arahiny.

Avoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika ny fitsipika anatiny.

Mazava izany ny ao anatin’ny adininy 73. « Tsy misy Solombavambahoaka na dia iray aza azo enjehina sy samborina noho ny heloka bevava na heloka tsotra… ». Io no reharehan-dry Hanitra sy Fidèle. Adinony ilay fanampiny : « raha tsy hoe tratra ambodiomby ». Isan’andro vaky izao izy ireo, efa ho iray volana mahery no manompa ny fitondrana, mandainga, manely vaovao tsy marina ao amin’ilay fandaharana natao « copie-collé ». Ny mpihaino rehetra dia nahatratra ary mahatratra azy ambodiomby. Miatrà ho azy ireo avy hatrany ny « code pénal » sy ny  « loi sur la cybercriminalité ». Ry Vonison Andrianjato Razafindambo sy ry Guy Maxime Ralaiseheno moa tsy solombavambahoaka ka afaka tonga dia nampanantsoin’ny mpitandro filaminana mba ho enohina. Inona anefa no nataony ? Tsy nipoitra izy ireo ary miafina mihitsy aza. Wanted izany… satria nanao « refus d’obtempérer » sy « délit de fuite ». Mahana foana ny mpanao ratsy e !

Mazava ihany koa ny ao amin’ny Lalampanorenana fa tsy misy resaka tatitra tsy maintsy ataon’ny Solombavambahoaka izany, na teny iray aza. Dia efa tranon-dainga izany ity Hanitra Razafimanantsoa ity ary manabado ny Malagasy rehetra, ka tafiditra ao ny taranany. Loza ! Fa inona no tena marina raha mikasika ilay hoe tatitra tsy maintsy atao ? Ao anatin’ny fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena no ahitana io resaka tatitra io sy ny fotoana anaovana izany. Fa ireto aloha no tsy maintsy fantatrareo mpamaky hajaina.

Fitsipika anatin’ny Antenimierampirenena, Toko voalohany : ny amin’ny fanokafana sy famaranana ny fotoam-pivoriana

Andininy 204. Ny Filoha no manambara ny fisaokafan’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany ny talata voalohan’ny volana mey sy ny fivoriana ara-potoana faharoa natokana indrindra handaniana ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana ny talata fahatelo amin’ny volana oktobra. Ny faharetan’ny fotoam-pivoriana isanisany dia ferana ho enimpolo andro.

Andininy 205. Ny Filoha no manambara ny fisokafan’ny fotoam-pivoriana tsy ara-potoana, avy amin’ny lahadinika voafaritra, tamin’ny alalan’ny didim-panjakana avoakan’ny Filohan’ny Repoblika noraisina tao amin’ny Fivorian’ny Minisitra, na avy amin’ny finiavan’ny Praiminisitra, na avy amin’ny fangatahan’ny antsasasamanilan’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena. Tsy mihoatra ny roa ambin’ny folo andro ny fotoam-pivoriana. Na izany aza anefa, raha vantany vao tapitra ny lahadinika izay niantsoana ny Antenimierampirenena, dia faranana amin’ny alalan’ny didim-panjakana ny fivoriana.

Andininy 206. Ny Filoha no manambara ny fikatonan’ireo fotoam-pivoriana ara-potoana roa isan-taona eo amin’ny fiafaran’ny famaranana ny fivoriana farany voafaritry ny Diniky ny Filoha enimpolo andro aorian’ny fisokafan’ny fotoam-pivoriana isanisany. Mijanona ny fiadian-kevitra rehetra rehefa vakina ny didim-panjakana fanakatonana ny fotoam-pivoriana iray. Faranan’ny Filoha eo no ho eo ny fivoriana.

Andininy 207. Takina amin’ny Solombavambahoaka rehetra ny mampahafantatra mandrakariva sy manao tatitra amin’ny fiafaran’ny fivoriana tsirairay amin’ny mpifidy.

Asa raha mahay mamaky teny malagasy ireto solombavambahoaka TIM ireto, tarihin’i Hanitra Razafimanantsoa amin’ny sangany ireto -noho ny fitiavany manokana dia manokana ilay Filoha mpitsaoka ady sy resy lava-, fa mazava io andininy faha-207 io, izay tsy milaza mihitsy fa dimy volana aorian’ny fivoriana farany no tsy maintsy ao Ambohijatovo no atao izany tatitra izany. Ireto avy ny anaran’izany solombavambahoaka TIM vitsy an’isa izany sy ny toerana nahalany azy :


Rabenirina Maminiaina Solondraibe (Ambohidratrimo), Andriamanjato Liantsoa Bina (Andramasina), Ratsimbazafy Alain Jean (Antananarivo Atsimondrano), Randriambolaina Gerry (Antananarivo Avaradrano), Razafimanantsoa Lobo Hanitriniaina (Antananarivo I), Randrianarisoa Stanislas (Antananarivo II), Ralambomanana Fenoherintsoa (Antananarivo III), Ramboasalama Emilien (Antananarivo IV), Ralamboazafimbololona Razafitsimialona (Antananarivo V), Andriamampandry Todisoa Manampy (Antananarivo VI), Rakotomanjato Edmond Rodin Georges (Arivonimamo), Jean François Michel (Antsirabe I), Randrianantenaina Olivier Antonny José (Antsirabe II), Rakotorahalahy Modeste (Mandoto), Razara Pierre Ravolaza Fidèle (Ambatondrazaka), Rabekijana Solofo Hery (Amparafaravola). Miisa 16 izy ireo raha 151 ny solombavambahoaka ao Tsimbazaza ao. Ny 2 Jolay 2019 no navoakan’ny HCC tamin’ny fomba ofisialy ireo anarana ireo.

Nanomboka io daty io efa mba nisinisy ihany ny fivoriana (na ara-potoana na tsia) notontosain’ny Antenimierampirenena an ! F’efa mba nahare ve ianareo fa nisy tatitra nataon’ireo solombavambahoaka TIM miisa enina eto Antananarivo teo Ambohijatovo ? Tsiary nisy, araka ny fiten’ny solombavambahoaka voafidy tao Toamasina, Roland Ratsiraka izay tsy TIM… Dia ilay vitsy an’isa tsy manara-dalàna indray izany no hamerina ny fanjakan’i Baroa eto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara ? Na dia ho avy « hanatevin-daharana » sy « hanotrona » ry RMDM, ry « Panorama », ry loholona Hvm very seza, ry tsy aiko intsony… Asa hitatitra inona koa ? Mazava aloha fa fivoriana ara-politika ilay izy ary fikendrena hidina eo anoloan’ny Lapan’ny Tanàna eo amin’ny Araben’ny Fahaleovantena.

Satria manam-bola ry Ravalomanana sy Rajaonarimampianina izay mihevitra fa tena tohanan’ny firenena matanjaka ? Dia ho feno ny be sandry (« gros bras ») voakarama handravarava sy hamotika ny tanàna ? Diso be izany ry zalahy a ! Ny firenena milaza fa matanjaka izao aloha difotry ny Covid-19, ary tsy toa ny tamin’ny 26 janoary 2009 akory ny androany. Ampahatsiahiviko ?

Baiko avy amin’i Marc Ravalomanana no tsy nampihetsika ny mpitandro filaminana nahatonga ny vahoaka efa difotry ny mosary namaky ireny « grandes surfaces » ireny. Nireharehany mihitsy moa izany tao amin’ny Rfi. Ity manaraka ity ny fanambarany tamin’ny teny frantsay, tsy novana na nahitsy, mikasika io alatsinainy 26 janoary 2009, nanoloan’ny tranon’ny Ortm may eo Anosy, ny 27 janoary 2009 tamina mpanao gazety vahiny :


Question : Monsieur le président, l’absence de réaction de la part des services d’ordre, lundi (Ndlr : 26 janvier 2009), donnait l’impression qu’il n’y avait plus de gouvernement à Madagascar.

Marc Ravalomanana : Oui. Y’a déjà pas mal de gens qui a pensé à çà. C’était moi qui a donné l’ordre aux militaires de ne pas prendre des mesures (Ttf: re ao amin'io vidéo ambony io). C’était moi pour éviter, il faut gérer, il faut bien gérer la crise sinon c’est catastrophe ici, hein. C’est le bain de sang.

Mazava izany fa dia izy no nanome baiko ny mpitandro filaminana tsy hihetsika ka nahatonga tsy nisy nanakana mihitsy ireny fandrobana ireny. Soa ihany fa nampiàtra ny «couvre-feu» ny Ben’ny Tanàna Andry Rajoelina, ny alin’io 26 janoary 2009 io, raha tsy izany dia asa angamba… Teo amban’ny fahefany ny mpamono afo (« sapeurs-pompiers ») ary tonga saina ny ankamaroan’ny polisy.

Androany sabotsy 20 fébroary 2021 dia hafa ny zava-misy satria hihetsika daholo ny mpitandro filaminana rehetra (polisy, zandary, miaramila isan-tokony) hampiatrà ny lalàna. Ny fahatongavan’ireo solombavambahoaka TIM « hanao tatitra ao Ambohijatovo» dia tsy ara-dalàna mihitsy. Tsy mila resahina eto akory aza ny tsy fahazoan-dalàna na ilay toerana eo an-dalàna fanamboarana ho zaridaina bôtanika mahafinaritra. Ary io finiavana hiditra amboletra ao amin’io toerana io dia afahan’ny birao maharitra ny Antenimierampirenena manaisotra ilay « immunité parlementaire » reharehana loatra, satria tratra am-bodiomby araka ny andininy faha-73 ao amin’ny Lalampanorenana.

Ary i Fidèle Razara Pierre maninona eny ? F’angaha voafidy teto Antananarivo izy ? Zony kosa io araka ny adininy faha-69 ao amin’ny Lalampanorenana milaza fa : Ny mpikambana ao amin’ny Antenimierampirenena dia mitondra ny anarana hoe : «Solombavambahoakan’i Madagasikara». Sady tsy masina an-taniny mihitsy izy any amin’izay nahavoafidy azy ka tsy hitany fa vita tanteraka ilay toerana hoe «Manainga zipo» niomehezany ary an-dalàm-pahavitana ny RN44 Moramanga-Ambatondrazaka. Androany isika Malagasy rehetra dia ho vavolombelona velona fa misy Malagasy tsy mitsinjo izany ho avy izany fa mivaro-tena noho ny fankahalana sy ny tazon-karena diso tafahoatra, satria misy koa Malagasy manaiky ataony «robots» (masinina tsy misy saina fa manaraka izay baiko omena) hanatontosa zava-doza tsy voahevitra mihitsy.


Mbola ho avy ny fotoana hamoahana ny zava-drehetra nolazain’ity Fidèle ity tao amin’ny fandaharana «Anao ny fitenenana» nandritra ny taona 2009. Misy fotoanany ny zava-drehetra fa ity misy santionany. Hoy tokoa io Fidèle io : «Tsy misy izany Andriamanitra izany raha tafaverina eo amin’ny fitondrana izany Marc Ravalomanana izany». 12 taona aty aoriana toa tanteraka izany teny izany ka inona indray no tadiavina eny Ambohijatovo eny ? Ay moa « robots » mifono vy daholo ireo olona tonga eo ireo. Izy Fidèle Razara Pierre mihitsy no nilaza izany, ny 6 Febroary 2021, teny Imerikasinina tsy nahitana ilay mpampirisika akory. Asa, iza marina no tena lehibe tsy aman-tsaina ao anatin’ity tsy fitiavana tanindrazana tanteraka ity, satria atao toa ny tsy misy koa izany coronavirus izany. Famonon-tena faobe e ! Izay ve ny lahatra ? Maty noho ny fitiavan-tsezan’ny sasany ? Aoka re…

Farany dia farany, ary tsy ho sasatry ny hanoratra ity manaraka ity aho : tsy ny fahavalo fantatra sy hitam-poko hitam-pirenena no tokony atahorana fa ireo fahavalo ao anatiny («ennemis de l’intérieur»), mihaino resaka eny anaty Lapa eny, mifandray tendro amin’ireo miara-manondrana ireo. Fa misy koa ireo tena eo akaikin’ny Filoham-pirenena maka fepetra tsy manjary sy manao ramatahora lava ka ny anaran’ny Filoha no arangaranga hatrany. Aza ny tsy fahaizanareo, miandry «mission» fotsiny ihany hanaovana «selfie», no atsipy any amin’ny hafa. Tohizo ary fa tandremo sao tratry ny tsy ampoizina…

Jeannot Ramambazafy - Nivoaka koa ao amin'ny "La Gazette de la Grande île" androany Sabotsy 20 Febroary 2021


Mis à jour ( Samedi, 20 Février 2021 11:23 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024