]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Madagasikara-FMI : Noho ireo ezaka sy asa goavana vitan’ny fitondrana Rajoelina, hisitraka ny FFRD ny Firenena malagasy

Madagasikara-FMI : Noho ireo ezaka sy asa goavana vitan’ny fitondrana Rajoelina, hisitraka ny FFRD ny Firenena malagasy

Ny Alahady 07 may 2023 dia noraisin'ny Filoha Andry Rajoelina teny amin'ny Lapam-panjakana ao Iavoloha ny Delegasiona avy aminy Tahirim-bola Iraisam-pirenena na ny FMI (« Fonds monétaire international ») izay notarihin' Andriamatoa Abebe Aemro Sélassié, Talen'ny departemanta ao amin’io vondrona tafiditra ao amin’ny Banky Iraisam-pirenena (Banque mondiale) io.

Anisan'ny lohahevi-dehibe noresahina tao anatin'izany fihaonana izany ny Fivoriana tombana andiany faha-4 na ny « 4e revue » an'ny FEC (« Facilité élargie de crédit »). Hodinihina mandritra izany Fivoriana tombana izany ny fanatanterahana ny fandaniambolam-panjakana na ny « Exécution budgétaire » sy ny fijerena ny fampidirambolam-panjakana, indrindra fa ny mikasika ireo vola avy amin'ny mpandraharahan'ny solika.

Noentin'ny Filoha nanoloana ireto delegasiona avy amin'ny FMI ireto ny asa nataon'ny fitondram- panjakana sy ny governemanta tao anatin'ny 4 taona, izay nanamafisana ny Fitondram-panjakana manakaiky vahoka tamin'ny alàlan'ny fananganana fotodrafitrasa tena mikendry ny Fampandrosoan’ny Firenena malagasy marina -fa tsy ho ana tombontsoa manokana-, toy ny sekoly (efitrano miisa 4.000 no natsangana manerana an’ny Nosy) ; ny oniversite ; ny hopitaly (13 no tafatsangana ary hiampy tobim-pahasalama miisa 15) ; ny làlana (RN44, la RN5A, la RN10, la RN9, la RN6), ary farany teo, ny fantsona lehibe (« pipeline ») mitondra rano manomboka eo renirano Efaho mankany Ambovombe sns... Ohatra ihany ireo.

Nidera manokana ny Fitondram-panjakana malagasy moa ity Talen’ny FMI ity tamin'ireo asa maro be notanterahina, na dia nisy aza ny valanaretina covid-19 nampikatso ny sehatra malagasy tsy tambo isaina nandritra ny 20 volana, teo anelanelan’ny fiantomboan’ny taona 2020 sy ny amaranana ny taona 2021.

Notsipihany ihany koa ny tokony hanamafisana bebe kokoa ireo ezaka momba ny Fampandrosoana ny Fambolena. Nifampiresahan'ny roa tonta ihany koa ny hafahan'i Madagasikara misitraka ilay « Fonds Fiduciaire pour la Résilience et la Durabilité » na FFRD avy amin’ny FMI. Izy ity dia natao indrindra hamatsiana ireo fanavaozana mila hatao mba ahafahan’ny firenena miatrika bebe kokoa ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetrandro na « Changement climatique ».

Fantatra fa voasokajy ho isan’ny firenena afaka misitraka (« éligible ») izany i Madagasikara noho ny efa fananany ny antsoina hoe lasitra ara-toekarena mikasika ny fiovaovan’ny toetrandro.

Amin'ny 12 may 2013 no mifarana ny Fivoriana tombana andiany faha-efatra izay dingana ihany koa amin’ny fifampiresahana momba ny programma FFRD amin’ny volana oktobra - novambra 2023.

Raha hiverenana ilay hoe FFRD dia fandaharanasa famatsiam-bola vaovao avy amin’ny FMI izy ity. Voarakitra tamin’ny volana aprily 2022 ny famoronana azy ary nampiharina nanomboka ny volana mey 2022. Anisan’ireo firenena nangataka tamin’ny fomba ofisialy ny hisitraka izany i Madagasikara. Ity FFRD ity dia mikendry ny hanampy ara-bola ireo firenena marefo sy antonony misedra olana ara-drafitra maharitra izay miteraka olana goavana eo amin’ny lafiny ara-ekonomika. Olana toy ny fiovan'ny toetr'andro sy ny areti-mifindra.

Fa ny antony lehibe nahatonga ny Firenena malagasy hisitraka io FFRD io dia : 1. Noho izy nametraka ny CMAP (« Programme d'évaluation macroéconomique du climat » na Programa fanombanana ny toetrandro eo amin’ny lafiny macroekonomika) ; 2. Satria ao anatin’ny Praograma FEC hatrany i Madagasikara. Farany, ny FFRD dia hanome fanohanana ara-stratejika ihany koa, ankoatry ny famatsiam-bola.

Jeannot Ramambazafy – Sary zAndry

Mis à jour ( Mercredi, 10 Mai 2023 17:10 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30