]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une London. Raharaha Romy Andrianarisoa. Fijery avy amin'ny NCA sy CPS

London. Raharaha Romy Andrianarisoa. Fijery avy amin'ny NCA sy CPS

Rehefa niaiky fa meloka i Philippe Tabuteau, dia tsy nilainy intsony ny niatrika fitsarana. Azo antoka anefa fa hihena ny saziny noho ny an’i Romy Andrianarisoa izay niziriziry tamin’ny filazana fa tsy manan-tsiny.

Eo am-piandrasana ny didim-pitsarana havoakan’ny Mpitsara momban’ny sazy (« Juge des peines »), ny 18 Marsa 2024, dia ireto misy fanambarana roa avy amina olona ambony britanika nahazo alàlana ny hiteny, taorian’ny didim-pitsarana navoaka, tamin’ny 20 Febroary 2024, tao amin’ny fitsarana SCC (« Southwark Crown Court ») -Jereo eto-.

Misy azy indray ny Mpanjakavavin’ny mpanoratra tantara valamaty ao amin'ny facebook, noho ny fankahalany hatrany amin’ny tsinay maintiny ny Filoha Rajoelina. Tsy ilaina ny manoratra ny anarany eto fa izy ihany no hahafantatra ny tenany.


Fanambarana avy amin'i Andy Kelly, Lehiben'ny Sampana Iraisam-pirenena momba ny kolikoly ao amin'ny NCA (« National Crime Agency » na Sampan-draharaham-pirenena momba ny heloka bevava) :

« Ity fanadihadiana ity dia mampiseho ny fahaizan'ny ICU (« International Corruption Unit » na Sampanana iraisam-pirenena miady amin’ny kolikoly) amin'ny fampiasam-bola amin'ny fiaraha-miasa amin'ny sehatry ny Indostria sy ny ady amin’ny tsy fanajàna ny Fanjakana tan-dalàna. Tena mankasitraka manokana ny orinasa Gemfields izahay noho ny fampilazany anay ny tranga nahazo azy tamin’ity raharaha ity sy ny finiavany nanohy hatrany ny fiara-miasa miaraka aminay nandritra ny fanadihadiana mba nahazoana vokatra tsara sy mazava tsy azo kianina ».

Fanambarana avy amin'i Thomas Short, mpampanoa lalàna manokana momba ny hosoka ao amin'ny CPS (« Crown Prosecution Service »), dia nilaza hoe:

« Mpiasam-panjakana mpanao kolikoly i Romy Andrianarisoa izay nisafidy ny hanankarena amin’ny alalan’ny toerana ambony nisy azy teo amin’ny asam-panjakana. Ny CPS dia nanome torohevitra ara-dalàna ho an'ny NCA nandritra ny fanadiadiana sy ny fanenjehana mba nafahana nanolotra dosie feno sy mavetsara teo anoloan’ny fitsarana. Ny fanomezan’ny orinasa Gemfields vaovao mari-pototra tany amin’ny manam-pahefana, mikasika ireo olona roa tonta ireo tamin'ny manam-pahefana, dia fiarovana ny orinasany sy orinasa hafa ihany koa, eo anatrehin’ny nafitsok’ireto olona roa tia vola loatra sy tsy misy tranon-kenatra ireto ».

Tsiahivina etoana fa voaray horonam-peo daholo ny fomba nangatahin’i Romy Andrianarisoa vola be tamin’ny Tale jeneralin’ny orinasa Gemfields.

Nadikan'i Jeannot Ramambazafy avy amin'ny teny anglisy

Mis Ă  jour ( Jeudi, 22 FĂ©vrier 2024 06:11 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30