]
Les quotidiens du 22 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Ampanihy, 14 May 2024. Natombok'i Rtoa Mialy R. Rajoelina ny fanaovam-baksiny faobe hamongorana ny lefakozatra

Ampanihy, 14 May 2024. Natombok'i Rtoa Mialy R. Rajoelina ny fanaovam-baksiny faobe hamongorana ny lefakozatra

VIDEO

" (...) Ny aretina poliomyélite dia tena mampitondra takaitra ary mety hitarika hatramin'ny fahafatesana. Mifindra amin'ny alàlan'ny piti-drora, ny fifampikasoana amina olona mitondra ny tsimok'aretina, ny atsembohona, ny diky, ny fihinana sakafo tsy voaaro... Ora vitsy monja aorian'ny fidiran'ny aretina ao anatin'ny rafi-pitatitra na ny "système nerveux", dia tratry ny fahalemena tsy azo sitranina, "paralysie irréversible",  ny zaza na ny olon-dehibe izay tafiditry ny polyo-virus.


Tsy ny fahalemena ihany fa miteraka olana eo amin'ny taova pisefoana, "problèmes respiratoires", sy fainain-tainan'ny hozatra, "douleurs musculaires" ihany koa ny aretina polyomiélite. Ary mety ho voan'ny lefakozatra ihany koa na ny ankizy na ny lehibe ary tsy misy fitsaboana mahasitrana azy, hatreto, fa ny fiarovana no lalan-tokana hiadina aminy, dia tsy inona izany fa ny vaksiny irery ihany.


Voaporofo ihany koa fa ny famerenena ny vaksiny, na ny "rappel", mandritra ny fahazazana, dia ampy hiaro ny ankizy amin'ny androm-piainany ka azo antoka fa tsy ho voan'ny polyomiélite izy.


Tsara ny manamarika fa azo atao vaksinin'ny polyomiélite foana ny zaza mandritra ny hetsika faobe, na dia ireo efa nahazo izany tamin'ny vaksiny tany aloha aza.


Ao anatin'izao hetsika vaksiny faobe atombontsika androany izao, dia ho amafisina ny fanatanterahana izany eo anivon'ireo CSB sy any an-tsekoly. Tsapa ary fantatra ihany koa fa matetika ianareo dia voatery mandeha tongotra lavitra vao mahita toeranam- pitsaboana. Ka noho izany, dia nosafidian-tsika ny nitondra ny vaksiny manĂ tona ny vahoaka anamorana ny fankasitrahan'ny Malagasy rehetra tsy an-kanavaka vaksiny.


Koa mamporisika ny ray aman-dreny rehetra aho mba hahay andray ny tombontsoa avy amin'izany fanakekezan'ny mpiasan'ny fahasalamana eto aminareo izany. Entano ny mpiara-monina sy ny manodidina ary ampahafantaro azy ireo fa hitondra soa sy hitsinjo ny fahasalaman'ny zanan-tsika no atongavan'ireo mpanao vaksiny.


Hitsan-tsika mijoro manolohana antsika eto, ry zareo mpanao vaksiny. Maro ireo faritra eto Madagasikara efa nahavita namongotra ny polyomiélite. Ho antsika eto Ampanihy kosa, dia mila amafisina ny ezaka ary mampirisika sy mampahery ireo mpanabe rehetra ny tenako, tsy hikely soroka amin'ny fanatanterahana ny fanaovanam-baksiny any an-tsekoly.


Manentana ny ray aman-dreny ihany koa aho, hanaraka an-tsakany sy an-davany ny tetiandro voafaritra anaovana ny vaksiny (...)"
.

Nandika an-tsoratra : Jeannot Ramambazafy

 

Mis Ă  jour ( Mercredi, 15 Mai 2024 19:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)