Â
Antananarivo, Alarobia 08 Janoary 2025
Â
Rehefa nandinika ny toe-draharaha ankehitriny, ny vondron’antoko politika manohana ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA dia manao izao fanambarana izao:
FAMPANDROSOANA SY ASA VITA
Â
Tao anatin’ny 6 taona nitondran’ny Filohan’ny Repoblika, dia hita ny ezaka lehibe natao hanarenana ny firenena taorian’ny fahavoazana lalina navelan’ny fitantanana tsy nahomby tany aloha. Ny fanavaozana natao dia niompana amin’ny:
- Ady amin’ny kolikoly sy fanodikodinam-bolam-panjakana.
- Fifehezana ny fitantanam-bolam-panjakana.
- Fanatsarana ny tsenam-barom-panjakana.
Na eo aza ny fahasahiranana, hita fa nisy ezaka voaporofo ho tombontsoan’ny vahoaka, araka ny tatitra avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Tahirimbola Iraisam-pirenena (FMI).
FANOHERANA NY KORONTANA
Toherina tanteraka ny fambolena fanakorontanana ara-politika izay mety hanakorontana ny filaminana sy hampiditra an’i Madagasikara ao anaty krizy vaovao. Nanambara mazava ny vondrona fa ny fitoniana ara-politika no antoka lehibe hahafahana mamaha ny olana ara-toekarena sy ara-tsosialy.
FAMPATSIAHIVANA NY TAREMARIKA ARA-TOEKARENA
Araka ny tatitra farany:
- Ny tahan’ny fitomboan’ny harinkarena (croissance économique) dia 4,5% tamin’ny taona 2024 ary vinavinaina ho 4,6% amin’ny taona 2025.
- Nihena ho 7,6% ny tahan’ny sondro-bidim-piainana (taux d’inflation) tamin’ny volana Jolay 2024, ary tombanana ho mbola hihena hatrany amin’ity taona 2025.
ANTSO SY FANDRAISANA ANDRAIKITRA
Ny vondron’antoko dia:
1. Manohana tanteraka ny ezaka ataon’ny Filoham-pirenena hanamaivanana ny fahasahiranan’ny vahoaka.
2. Manainga ny tompon’andraikitra rehetra, olom-boafidy sy olom-boatendry, mba hanatanteraka haingana ny asa sy toromarika napetraka.
3. Miantso ny mpitandro ny filaminana mba hanao ny asany amim-pahamalinana sy hanasazy ireo mikotrika korontana.
4. Manentana ny vahoaka mba tsy ho voasarika amin’ny fandranitana mety hanimba ny firenena.
FIRAISANKINA SY FANOHIZANA NY EZAKA
Mbola adidin’ny rehetra ny miara-miasa amin’ny Filoham-pirenena amin’ny fanarenana ny firenena sy famahana ny olan’ny vahoaka. Miantso ny mpiray tanindrazana izahay mba hifikitra amin’ny filaminana sy ny fitoniana, izay antoky ny fandrosoana maharitra.
Ny Vondron’Antoko Politika Manohana ny Filoham-pirenena:
• ADN, AKFM, AVI, FREEDOM, TGV, RPSD, Ny Fireneko, sns.
• Ny senatera sy depiote manohana ny fitondrana.
• Mpikambana avy amin’ny antoko LEADER FANILO.