Tsy misy zavatra tongatonga ho azy izany eo amin’ny tontolon’ny politika politisianina. Izao no dikan’ny « politique politicienne » : « elle désigne généralement les manœuvres d'un parti politique ou d'une personnalité politique qui placent leurs intérêts et leurs ambitions personnelles avant les objectifs politiques qu'ils défendent devant leurs mandants et au détriment des enjeux du moment et de l'intérêt public ». Ny « mpanao politika » no tena mampiasa azy io, izay fomba maizina ampiasaina hiarovana ny tombon-tsoa manokana ka mifanipaka amin’ny tanjona ho an’ny tombon-tsoan’ny maro an’isa. Ary mahavita hatramin’ny mamono olona mihitsy ny sasany…
Ho tontosaina eto Madagasikara ny Fivoriana faha-5 an’ny COI (« Commission de l’Océan Indien »). Maro no tsy mahalala fa ity Fivorianan’ny Filoham-pirenena sy ny Lehibe ana Governemanta voalohan’io COI ity dia efa natao teto Antananarivo, ny 16 marsa 1991. Fa talohan’izany dia Malagasy no voafidy ho Sekretera jeneralin’ny COI voalohany, dia Atoa Henri Rasolondraibe, ny 5 Jona 1989.
Amin’ity Fivoriana faha-5 ity dia Atoa Edgard Razafindravahy no Sekretera jeneralin’ny COI faha-10, voafidy ny 15 Jolay 2024. Tsy adino Ramatoa Monique Andreas Esoavelomandroso, Sekretera jeneralin’ny Fivorianan'ny COI faha-5, izay nandao antsika ny 17 marsa 2025.
Izany dia tantara marina, tsy noforonina ary azo hamarinina raha tena mahay mikaroka sy liana amin'ny fandrosoana sy fampandrosoana ny firenena.
Tsy resaka COI anefa no ataoko eto fa fampidirana ny filazana fa hanatrika io Fivoriam-be io ny Filoham-pirenena frantsay, Emmanuel Macron, izay ho tonga anao fitsidihina ara-pomba ofisialy, ny 23 avrily 2025. Ary ny fihaonana momban’izany dia hatao ao amin’ny Lapan’ny Praiminisitra (« Palais du Premier ministre ») eny Andafiavaratra.
Tsy misy zavatra tongatonga ho azy, rehefa resaka politika politisianina (izay politika maloto sandaina volabe hatrany). Raha hoe Lapan’ny Praiminisitra no resahina eto Madagasikara dia ny Praiminisitra Radilofera (na Radilifera) Rainilaiarivony no resahina sy an-tsaina. Dia ny zanak'io olona io no nanaovan’ingahy Patrick Raharimanana tantara be nampifandraisiny amin’ny Filoha malagasy ankehitriny, Andry Rajoelina.
Eto ingahy Patrick Raharimanana dia sarona tanteraka. Io fanazavana ambony io dia navoakan'ny Rakibolana Malagasy ao amin'ny facebook, ny 6 Aogositra 2020. Efatra taona mahery izay ho an'ireo tsy mahay manisa... Ary io ambany io no tena sarin'io Rajoelina lazain'ingahy Patrick Raharimanana fa « raiben'ny Filoha ankehitriny ».
Izy no Rajoelina XIII Voninahitra zanaky ny Praiminisitra Rainilaiarivony sy Rasoanalina izay lazainy fa « vady an-jorony »...
Izy Patrick Raharimanana ihany no mamitaka ny tenany satria izany fomba izany anie ilay fomba fiadin’i Gallieni hoe « diviser pour régner » na zarazarao hanjakana, vao nataon’i Syntia Randriambolona izy ny 12 avrily 2025, tao Parisy (hivoaka tsy ho ela ny boky miakitra ireo nolazainy ireo. Ka mitady « arbre généalogique » moa izy ka dia io aloha :
Eny, araka ireo ambony ireo dia nananjanaka nitondra ny anarana Rajoelina tokoa ny Praiminisitra Rainilaiarivony. Izany dia tamin’ny vadiny mitondra ny anarana hoe Rasoanalina. Eto dia olona iray ihany, ny Praiminisitra resahina, na Radilifera na Radilofera.
Dia asa ny ataony hoe « anjorony », fa ireto misy porofo an-tsoratra fa tsy resahina fotsiny ihany. Ny fomban’ny mpikaraman’ady moa miseho be fahalalana kanefa dia mamorona tsotra izao. Zanaky ny Praiminisitra Rainilaiarivony sy Rasoanalina io Rajoelina XIII vonanihatra io. Efa voamarina tamin'ny taona 2020.
Raha hiverenana ingahy Patrick Raharimanana dia mazava fa resa-bola no nanosika azy nanoranoram-poana. Ary mody tsy tadidiny ny nanaovan’ny zana-dambon’i Marc Ravalomanana ny ray niteraka azy. Io no porofo.Izay angaha ilay hoe : pecunia non olet na "tsy misy fofona ny vola"?
Ao koa ny fankahalany an’i Andry Rajoelina izay nataony ialahy mihitsy tamin’ny fotoan’andro. Saingy « gourmand » be io Patrick « Vitan-tsika » io. Fa vitany tokoa aloha no mampiatra ny politikan’i Gallieni. Vakio tsara io ambany io.
Rehefa Tantaram-pirenena no resahina dia atao matanjaka be ny porofo fa tsy mandika vilana (« fausses vérités ») na koa manao vinavina (« interprétations ») arakaraky ny tombontsoa tadiavina.
Nanambady io Rajoelina io ary ny zanany lahy dia Rajoelison (Zanak’i Rajoely amin’ny teny anglisy) Rahamina no anarany.
Io no anaran'ny zanaka lahin'i Rajoelina XIII Voninahitra
Ny anarana, maneran-tany, dia tanimboanjo. Fianakaviana Rajoelina hafa mihitsy no nipoiran’ny Filoha malagasy ankehitriny, Andry Rajoelina. Tsy izaho no miseho mahalala fa misy ireto porofo ireto, « miteny » ho azy. Ary mbola vavolombelona velona ny rainy (Roger Yves Rajoelina) sy ireo mpiray tampo amin’ity farany fa Alfred Rajoelina (mpanoratra) sy Martine Razanadraony no nipoiran’ny Filoha Andry Rajoelina. Ireo no ray aman-drenin’ny dadabeny sy ny mamabeny, izay Bernard Rajoelina sy Yvonne Raharimalala. Misy taranany mbola velona ary nahita azy ireo.
Ny tsy adino, ary nisy ka mbola mitohy hatramin’izao taona 2025 izao, dia mbola tsy mahazatra ny Malagasy no manoratra fa lovan-tsofina sy afatra am-bava no mahazatra. Tamin’ny andro taloha dia tena tsy laitra io, satria « mitomany » ho Andriana daholo, « sao dia » mba mahazo avara-patana, ara-bakiteny, eo akaikin’ny zakan’Andriana. Aty aoriana dia ireo lova-tsofina sy afatra am-bava ireo no adika tetiarana (« généalogie ») izay maro no diso. Ny « vazaha » moa dia ao anatin’ny kolontsainy izany manana tahiry an-tsoratra na « archives ». Raha ny raharaha 1947 vao notsarovana vao tsy ela dia tsy ry zareo Frantsay no manana « archives » feno sy betsaka fa ny Anglisy. Raha mikasika ny tetiarana dia any Etazonia no tena feno na ny mikasika ny Malagasy aza…
Resa-dehilahy moa izy ity, ary resaka « Raiben'i Andry Rajoelina", ka ireo ambany ireo misy sary roa. Afaka hamarinanareo any amin'ny havan'ny Filoha. Tsy niera taminy mihitsy aho nanitsy ny Tantaran'i Madagasikara izay tsy azo osehosena n'inona n'inona antony !
Ny marina iray sy tokana ary tsy mety maty. Ingahy Patrick Raharimanana mamorona tantaran’olona noho ny resa-bola no mampahonena. Maninona no tsy tamin’ny fotoana naha voafidy Filoha voalohany an'i Andry Rajoelina no navoaka io tantara valamaty (2019 dia voasongona ny nosoratan'ny «Rakibolana» etsy ambony) ? Ainareo ny tohiny : nanantena (vola sy voninahitra) be.
Ka ho ratsy sa ho tsara fiafarana izy ingahy Patrick Raharimanana ? Hatreto aloha dia « vitany » tokoa ny mamono tena, ka manasa tà nana toa i Pilato aho. Tsy vao izao izy no mamoaka soratra diso fa dia asa raha mbola hiantona ihany ny sazy azony.
Io no asan'ny rain'ny dadaben'ny Filoha Andry Rajoelina
Farany : tsy ilaozan’ny adala anontany hoe : ohatrinona no nomen’i Andry Rajoelina anao ? Efa nilaza mazava aho : tsy hangoron-karena no andalovako eto an-tany. Tsy « matérialiste » aho. Na fiara, na kaonty amina banky tsy ananako. Tsy mitady toerana sy voninahitra aho. Ho 71 taona aho atsy ho atsy. Hahatratra izany taona izany ve ianareo be kajy ireo ? Maty tampoka noho ny ataonareo ihany ianareo.
Jereo kely anie ery Andafiavaratra e ! Eo amin’ny kianjan’i Dox. Misy trano be amboarina. Mba manontania anie ny manodidina hoe : an’iza io ? Tsy mahagaga… Fa tsy ho entiny any am-pasana io ka. Hiadivan’ny mpandova izay ho fatifaty hifamono noho ny resaka lova natsidik’ingahy Patrick Raharimanana anatin’ny anganony izay hoaniny atsy ho atsy.
Jeannot RAMAMBAZAFY