]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil A la une Yvette Rabetafika vavy tokana. Maty fanindroany noho no afitsoky ny « fianakaviana »

Yvette Rabetafika vavy tokana. Maty fanindroany noho no afitsoky ny « fianakaviana »

Mandria am-piadanana Rahavako ary misaotra anao ry namana efa hatrizay, tao amin'ny Lycée Galliéni sy tato amin'ny Paroisse réformée nisy ny Pasteur Lucien Perrot nanaovan-tsika sekoly alahady. Tohizo hatrany ny fanabeazana nomena antsika...

Misy dia misy tokoa karazan’olona diso tia tena sy miseho azy ho zavatra ka taty amiko no nanao fihetsik’alika (tsy misy teny hafa milaza ny nataony).


Rahantavololona Razanamahandry Alphonsine Razafindrakotohasina no anarana fenon'i Bao Andriamanjato, vehivavy malagasy injeniera voalohany indrindra manerana ny Afrika

Izaho dia mpanao gazety efa 45 taona latsaka kely izay, ary manao vain-dohan-draharaha ny mitahiry arsiva mikasika ny Tantaran’i Madagasikara. Na tranga izany na olona koa aza. Eny, satria ny Profesora Yvette Rabetafika dia tafiditra ao amin’ny sokajin’ny Malagasy manam-pahaizana toan-dry Bao Andriamanjato na koa Marthe Ralivao Ramiaramanana.


Marthe Ralivao Ramiaramanana, vehivavy dokotera malagasy voalohany teto Madagasikara. Avy any aminay...

Reharehan’ny Firenena malagasy izy ireo ary rariny raha anokanana tahiry amin’ny alalan’ny sary sy feo (« Audiovisuel »). Saingy tamin’izy mirahavavy farany ireo dia mbola tsy nanana fitaovana aho no mbola tsy nisy ny Youtube. Any ka vitsy ny Malagasy mahalala ny zava-bitan’izy ireo ho an’ny Firenena, ka tokony noraketana ho an’ny Tantara iombonana.

Noho ireo antony ireo dia noraisiko adidy, toa ny fanaoko -raha toa ka tratrako-, no maka vidéo (sary mihetsika sy feo tsy afa-misaraka) rehefa tonga ny fotoana andaozana ity tany fandalovana ity, indrindra any am-piangonana. Ny antony ? Satria tsy maintsy misy olona ao no mitantatra ny momban’ilay nandao antsika. Eo no mipetraka ny Tantaram-pirenena momba azy. Ny teny Ankatso moa tsy tratrako toan’ny nataoko ho an’i Elie Rajaonarison hatrany am-pasana. Ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny mpitolona Rakotovao Martin tao amin’ny Akademia Malagasy (volana aogositra 2023), dia miandry kely satria goavam-be ny lanonana tao ka mila kajiana tsara ny "montage". Mila faharetana ianao Andriamatoa Governoran’Ankaratra, zanany. Misaotra maharitra miandry. Tsy very akory ny sary nalaiko tao.

Maro ihany ireo olom-pirenena nalaiko vidéo, ka tafiditra ao amin’ny tantaran’i Madagasikara ny zava-bitany tamin’ny fandalovany teto an-tany. Izany dia tsy mila fahazoan-dalàna satria olom-pirenena no hanaovana arsiva an-tsary ho an'ny taranaka malagasy tsy an-kanavaka. Fa tamin’ny Profesora Yvette Rabetafika dia « hafa kely ». Araka ny fombako, satria -ankoatra ny fianarana hafa tsy dia tiako hivalamparana- dia nianatra tao amina « Ecole de Cinéma » ao Parisy aho, ka tonga aloha be foana aho hanao « repérages », hitady ny toerana tsy anelingelanana olona. Maro ireo olona nandalo teo anoloanako io andro io ary tsy vitsy no nahalala ahy. Tsy nisy nilaza mihitsy, ny hoe tsy mahazo maka vidéo.

Tonga ny razana, nijanona teo ivelany ela ela ihany. Avy eo, avy hatrany dia nakarina hiditra ao am-piangonana, tsy nanaovana porizenitra na « hommage militaire » satria tokoa ny Profesora Yvette Rabetafika dia « Grand-Croix de l’Ordre National Malagasy ». Dia naka video « en marche arrière » aho hatreny amin’ny alitara ary niverina avy eo ankavia, niakatra haka toerana eny ambony mba tsy hanelingelina olona, niandry ny Tantaran’ny Profesora Yvette Rabetafika. Marihiko fa fantatro, fa ny tsara dia olon-kafa mihitsy no mitantara mivantana ho henon’ny hijery ilay « vidéo historique » any aoriana any. Indrisy…


Tampoka teo iny nisy diakona niantso ahy. Niverina aho ary tsy iza fa i Alain Pierre-Bernard, sady niara-nianatra tamiko tao amin’ny Lycée Gallieni no koa niara-nanao sekoly alahady fony ny Pasteur Lucien Perrot no nitondra io « Paroisse internationale » Avaratr’Andohalo io. Nilaza tamiko izy fa tsy maka vidéo dia hoe fafana ireo nalaiko. « Ay ? Aza manahy Pierre-Bernard  fa tsy misy mivoaka n’aiza n’aiza izany ireo nalaiko ».

Fa avy any nisy ramatoa nivatravatra be : « tsy misy maka sary sy video fa mpaka sarin’ny fianakaviana ihany, izay ny baikon'ny fianakaviana ». « Iza ? », hoy aho. Tsy nisy valiny fa dia ny « fafao » no tao an-doha. « Aucun tact », hoy ny Frantsay. « Pierre-Bernard no garant, fa tsy misy mivoaka n’aiza n’izao ny vidéos nalaiko », hoy aho sady lasa nivoaka ny varavaram-be.


Inona no nataony ? Narahiny aho ary nosintominy niverina tamin’ny akanjoko teo amin'ny fidirana ny fiangonana, tsy niraharaha izay olona nahita, sady nivazavaza hoe « fafao ny vidéos ! ». Fa ahoana marina ny fanabezana azon’ity ramatoa ity e ! Aminy izany, olona 71 taona nanome ny teniny (« donner sa parole ») fa tsy hanao « publication » dia tsy misy dikany, fa atao toa ireny misambotra mpangalatra ireny ! Tsy Louis Ranjeva, Tompoko, no anarako fa Jeannot Ramambazafy ! Sady mpanao gazety ara-tantara no efa tafiditra ao anatin’ny Tantaran’i Madagasikara ihany koa. Ary fotoana manjombona toa iny tsy misy toerana ho an’ny politika gasy velively na koa « cache-cache sans rime ni raison ». Fianakaviana IZA ? Yvette Rabetafika anie vavy tokana e !

Lehibe kokoa ETO

Dia mandehana indray manala baraka tena hitory ahy. Ao anaty Internet, Tompoko, no misy io « arbre généalogique » io. Ary izany Yvette Rabetafika izany, vakoka, fananam-pirenena ka adidy ny manome voninahitra azy ho tsaroan'ny Malagasy handimby antsika rahatrizay.

Ka ireo ary no tena fianakavian’ny Profesora Yvette Ranjeva, ny razambeny sy ny taranany. Iza amin’ireo no nanakana tsy hisiany arsiva ara-tantara momban'ny fahalasany ka nanomezam-boninahitra an'Andriamanitra ? Satria ilay Ramatoa be fiavy sy ny mpibaiko dia tsy mahalala mihitsy koa fa i Marie Michelle Rajaonera -vadin’ny Jeneraly Marcel Ranjeva- dia naman’ny zokiko vavy iray.


Ny Profesora Yvette Rabetafika, agrégée de lettres anglaises, dia nampianatra ny zokiko vavy iray hafa tao amin’ny Lycée Jules Ferry, Faravohitra, talohan’ny taona 1972, niaraka tamin’i Faranirina Rajaonah, agrégée d'Histoire sy Jeannine Rambeloson Rapiera, agrégée de lettres françaises.


Nisy gazety izay nanoratra hoe : «La diplomatie malgache et le monde académique pleurent la disparition de la Professeure Yvette Rabetafika-Ranjeva». Indrisy fa noho ny fitiavan-tena sy ny fisehoana ho zavatra dia tsy hisy ny fahatsiarovana ho an’ny taranany sy ho an’ireo vahiny nahalala azy fony fahavelony. Adinon’ireo nandràra fa vavy tokana ny Profesora Yvette Rabetafika. Fa ao koa ny olona tsy te-ho hita na koa tsy tiana aseho. Eisy e !

Mitodika amin’izay amin’ilay ramatoa kizintin-doza aho : vita ny iraka nasaina nataonao : henikaja henin-boninahitra izany ianao izao ? Aiza no tsy hahafantarako hoe iza ianao potapota iny... ? Manana ny hajany ny raiamandreninay sy ny anaranay. Fa nataonao toa olo-olom-poana mihitsy aho. Tsy ho vita mora ny nisintominao ahy toa jiolahy avy nangalatra na namaky trano ireny. Tsy izaho no hanasazy anao mivantana. Fantatrao ny atao hoe Karma ?


Tia « scandale » loatra ianao. Izay no maha "Andriana" anareo ?... Ny marina dia niampanga tena na ny naniraka na ny nomena baiko : fanotronan'ny misora-tena ho mpanohitra ny fitondrana ny Profesora Raymond Ranjeva no nisy tao amin'io Fiangonana io, te-hampiseho fa "miray hina", fa tsy hiatrika fotoam-pivavahana ho fanomezan-boninahitra an'Andriamanitra noho ny nahalasan'ny Profesora Yvette Rabetafika, vavy tokana tsy nanana fianakaviana niaviany intsony.


Dia tsy te-hita ao amin'ny Youtube-ko. Ny mahavariana dia teny Ankatso anefa dia nalalaka ny fakana vidéo nataon'ny Kolo Tv. Rehefa "personnalité nationale plus que publique", tsy misy izany "exclusivité" izany. Tiana atao lova tsy mifindra mihitsy ny zanaka vavy tokan'i Henri Rafaralahy sy Rose Ramanitra ?

Maninona no afaka naka "vidéo" aho tamin'ny nahalasan'i Jean-Pierre Domenichini ?


Fiatsarambelatsihy ("Hypocrisie") izany eo anatrehan'Andriamanitra ary fanararaotam-paty ara-bakiteny. Ka tsy nivorivory tany ambadika tany indray koa ve satria efa tafiaraka ihany, nanomana planin'ny tsy maty voalavo an-kibo?

Tamin'ny nahalasan'i Henri Raharijaona, dia i " tonton Raymond " mihitsy no nitantara ny zava-bitany ho an'ny Firenena malagasy. Toa io no tokony natao koa ho an'ny Profesora Yvette Ranjeva, "Monument de l'Histoire de Madagascar". Saingy, sendran'olona tsy mandinika sy tsy mahalala izany hoe " postérité " izany. Mampahonena e ! Oui : il y a la Foi et la mauvaise foi...

VIDEO ETO

Farany : ho an’ny rehetra dia fantaro fa tsy karama velively ny aho ka tsy sandaina n’inona n’inona, na « frais », na vola na inona, ny asako (soratra, sary, vidéo). Fa izaho tsy mandà kosa raha misy misaotra rehefa vita ny asako ka mivoaka ao amin’ny Youtube-ko. Fa tsy voatery velively. Miankina amin'ny tsiriray izany.

Izay no zava-nisy teny Andohalo, tamin’ny faraveloma natao ho an’ny Profesora Yvette Rabetafika. Samia mandini-tena mafy fa tsy mitondra mankaiza loatra anie ny hambo-po diso toerana e ! Maty fanindroany izy satria tsy hisy tahiry sary mihetsika sy feo mitambatra (« film » na « vidéo ») matihanina ho an’ny taranany.

Fa aza kivy : Nahita tsara ilay ramatoa sy ilay lehilahy niaraka taminy -izay nilamina kosa na ny fihetsiny na ny fiteniny fa sarotra ny handainga- fa tena nofafako ny sary tao anatin'ny caméra-ko. Mety tsy fantany fa mahavita fahagagana ny teknolojia amin'izao fotoana izao...


Mandria am-piadanana ianao Yvette Rabetafika. Amen.


Jeannot Ramambazafy

Antananarivo, 21 Jona 2025

Mis à jour ( Lundi, 23 Juin 2025 15:12 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30