]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Accueil Flash Infos Antananarivo. Tena marary mafin’ny… Asa ny Praiminisitra Christian Ntsay

Antananarivo. Tena marary mafin’ny… Asa ny Praiminisitra Christian Ntsay

O ry zareo a ! Tehirizo tsara mihitsy ny horonam-peon-dry tranon-dainga ao amin’ilay fandaharana nalain-tahaka, “Miara-manonja”, mikasika ny Praiminisitra Christian Ntsay nolazaina fa marary mafy any La Réunion ka efa misy solony ao ambony ao… Ilaina ireo atsy ho atsy satria tena mba misy fetrany ihany anie ny fandaingana sy ny fanelezana vaovao tsy marina e ! Ny sefon’izany mpandrebireby ny saim-bahoaka izany moa dia tsy iza fa ry Hanitra Razafimanantsoa, Fidèle Razara Pierre ary Vonison Andrianjato Razafindambo (ATO ny ho avin’izy ireo).

Raha ny marina anie dia tena mararin’ny… asa ny Praiminisitra Christian Ntsay. Androany Sabotsy 06 Febroary 2021 maraina ary dia nitsidika ny toby lehibe famatsian-drano (“Station de traitement d’eau”) eny Anosizato izy. Ny anton’io fitsidihana io dia ny fijerena ifotony ny fandehan’ny asa rehetra momba ny fanamboarana fotodrafitrasa fototra ho amin’ny famatsiana rano madio an’Antananarivo.


Hamokatra rano hatramin’ny 100 m3 isan’ora ity toby lehibe ity, ary hamatsy ny sinibendrano ao Ambatondratrimo Ampitatafika; hanampy amin’ny famahàna ny olan’ny famatsiana rano amin’ny lafiny andrefan’Antananarivo, amin’ny faritra atsimondrano. Efa eo andalam-pahavitàna ny toby, ary heverina fa ho vonona tanteraka ao anatin’ny telo herinandro. Hoy indrindra ny Praiminisitra Christian Ntsay : “Miasa ho amin’ny tombontsoa iombonana, eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Repoblika, ny fitondram-panjakàna ary mitady vahaolana hatrany. Ahatsapàna izao zavatra hita izao hoe tsy mijanona fotsiny amin’ny vahaolana vonjimaika, fa miroso amin’ny vahaolana maharitra. Tafiditra ao anatin’ny politikan’ny fanjakàna amin’izao fotoana izao ny hanomezana rano ny Faritra rehetra eto Madagasikara, ka hijerena vahaolana mifandray amin’izany olan’ny famatsian-drano izany avokoa ny distrika miisa 119”.

Nomarihin’ny Lehiben’ny Governemanta fa ho an’Antananarivo manokana dia mahatratra 100.000 m3 isan’andro ny tsy fahampian-drano. Eo anatrehan’izany dia vahaolana telo (03) no nentin’ny fitondram-panjakàna : ny voalohany dia ny nanamboarana toby famatsian-drano lehibe faharoa ao Mandroseza, izay mamatsy rano hatramin’ny 40.000 m3 isan’andro; ny faharoa dia ny fanorenana toby famatsian-drano lehibe toy io ao Anosizato io amina faritra miisa 8 eto andrenivohitra, ary tsy ho ela dia handrakotra famatsiana ny faritra rehetra eto Antananarivo izany ; ny vahaolana fahatelo kosa dia ny fametrahana lava-drano manaraka fenitra ara-teknika (“forage”) amina fokontany maro, ka eo amin’ny 46 isa eo ny lava-drano efa vita.

Ny anton’izany fepetra izany, hoy ihany ny Praiminisitra Ntsay, dia ny hanatrarana ny fahataràna nohon’ny fihitaran’ny tanàna tao anatin’ny taona maro nifanesy, satria an-taonany maro no tsy nisy ny fanorenana fotodrafitrasa toy izao atao izao.

Jeannot Ramambazafy

Nanome ny vaovao sy ny sary: Seraseran’ny Primatiora ao amin’ny Lapan’i Mahazoarivo

 

Mis à jour ( Dimanche, 07 Février 2021 10:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30