]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Andry Rajoelina : Ny kabariny teo ampamaranana ny JMJ VII

Andry Rajoelina : Ny kabariny teo ampamaranana ny JMJ VII

VIDEO / TSINDRIO ETO

Excellences, Ianareo Arseveka rehetra manatrika etoana,

Ianareo Evekan’I Madagasikara rehetra,

Ianareo Pretra sy Relijiozy lahy sy vavy,

Ianareo Tompon’andraitra isan’ambaratongany eo anivon’ny Voamieran’ny Fikambanana masina,

Ianareo rehetra manam-pahefana sivily sy miaramila,

Ry Tanora namana isany,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

MbĂ´la tsara antsika jiaby e !

Misaotra an’Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra isika, fa tontosa an-tsakany sy an-davany ny fankalazana ny andian’ny faha-fito ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora. Hita fa maro dia maro tokoa ireo tanora nandray anjara tamin’ity JMJ andiany faha-fito ity.

Nasehon-tsika ohatra teto androany fa afaka atao tsara ny miray ao anatin’ny finoana, miaraka amin’I Kristy. Satria dia ny avy any Atsinanana; ny avy any Andrefana; ny avy ao Ampovoan-tany; ny avy any Atsimo dia tonga teto Avaratra avokoa. Midika izany fa miray fo, miray saina ny Tanora katolika rehetra ary adidy ireo ezahanay volena, ka aoka isika tsy hisy ady ady to any an’ny amin’ny “Campus” izay misy hoe ireto avy atsy na avy eroa fa dia nasehon-tsika ny firaisam-po sy ny firaisan-tsaina.


Modely ho an’ny Firenena n zavatra nitranga nandritra ity JMJ ity. Ary dia nasehoanareo ihany koa, ry archidiocèse-n’Antsiranana sy ry faritra Diana, ny fahaizanareo mandray vahiny, koa anterina ny fankasitrahana tamin’ny fikarakarana rehetra. Teo ihany koa ianareo Tanora namolavola ny fikarakarana ity Fihaonam-be ity. Fahasoavana sy tombony lehibe ho antsika rehetra tokoa mantsy ny niaina izay andro vitsy vitsy izay, ary dia napetraka sy niainana koa, ary enga anie ka hiainana mihitsy ny loha hevitra fiaraha-nankalaza izao andro izao, dia ny hoe “TANORA KATOLIKA MIJORO AMIN’NY FINOANA, MANOMANA NY FIAINANY AO AMIN’I KRISTY”.

Ny tanora Malagasy toa antsika rehetra mihitsy no iriako hanam-pasahiana hijor ao amin’ilay finoana marina, dia ilay finoana manova ny zavatra rehetra. Finoana tsy finoana fotsiny ihany fa ny finoana manetsika hiasa, dia ny asa sy ny fandraisana andraikitra eo anivon’ny Fiangonana, eo anivon’ny Fiaraha-monina, satria izany no fototra lehibe mampandroso sy ilain’ny Firenena. Inoako fa nahazo herim-panahy vaovao isika rehetra nandray anjara tamin’ity fankalazana ity.

Antenaiko fa samy nandray fiantsoana avy any amin’Izy Tompo ny tsirairay avy, ary mba hafaha-tsika miatrika ampahatoniana sy ampitokiana ihany koa ny ankehitriny sy ny hoavy. Rehefa manana finoana tokoa mantsy isika, ary araham-pitiavana, dia ho tanteraka ireo faniriana rehetra nokasaina na dia sarotra aza. Ho Hita mazava ny làlana rehefa miaraka amin’I Kristy isika. Fantatra izay tokony hitondrana an’ny fiainana, ary hita-tsika koa ny hafahana mametraka ny tanjona izay tokony hapetraka.

VIDEO HAFA ETO

Ary ho resy ireo mety ahiahy misy ao amintsika tanora. Noho izany ry Tanora namana manatrika etoana : zarao amin’ny rehetra ny Finoana azonao nanditra ity JMJ ity. Hampitao amin’ireo Tanora namanao, mpiara-monina aminao, mpiray Tanindrazana aminao. haoreno tsara ao amin’I Kristy ny fiainanao mba ho tontosa ny andraikitrao, ka hitondra sy fanavaozana sy fanatsarana ho an’ny fiainanao, ny ankohonanao, ny Fiangonana ary ny Firenena.

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Samia tsara isika jiaby ary mirary antsika ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ny fianakavian-tsika tsirairay avy. Satria mbola lavitra ny lalan-koaleha, ka ny Tompo anie hitarika ny dian-tsika tsirairay avy.

Misaotra sy mankasitraka antsika rehetra.

Andry Nirina Rajoelina

Filohan’ny Tetezamitan’i Madagasikara

Antsiranana, faha-9 Septambra 2012

Namadika ho soratra ny kabary : Jeannot RAMAMBAZAFY

Sary : Michaël RAKOTO-RAMAMBASON

Mis Ă  jour ( Lundi, 10 Septembre 2012 05:56 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30