]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Chine : tena manampin-tsofina ity fitondrana malagasy vaovao ity !

Chine : tena manampin-tsofina ity fitondrana malagasy vaovao ity !

Tsikitsiky tsy ravina sisa ny an'ireto mpianatra voaraoka. Ho azy ary ?

VAOVAO MIVANTANA AVY ANY CHINE

Manankery hatrany ny fe-potoana 30 Jona 2014 nomen’ny talen’ny oniversite WUDA izay misy ireo mpianatra Malagasy miisa 18 tokony mahazo ny vatsim-pianarana avy amin’ny fanjakana malagasy

Efa ho roa volana mahery izay no nilazan’ny talen’ny oniversite WUDA Wuhan University ny fe-potoana farany tsy maintsy handoavana ny trosan’ireo mpianatra miisa 18 ireo nandritra izay roa taona izay. Saingy mbola tsy nahitana vahaolana mazava hatreto na dia efa namerimberina ny fitarainana any amin’ny haino aman-jery na aterineto na gazety aza ireo mpianatra ireo. Manontany tena sisa no azon’ireo mpianatra atao: inona marina ny tena tian’ny fanjakana Malagasy hatao amin’izy ireo? Ny ray amandrenin’izy ireo moa dia efa manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa any madagasikara, izany hoe miezaka mangataka fihaonana amin’ireo tomponandraikitra saingy ny mampalahelo dia tsy misy olona mihaino ihany koa izy ireo.

Ka noho izany ary dia efa misy ankizy sasan-tsasany voaroaka tamin’ny trano ao amin’ny oniversite ka tsy mahita toerana hipetrahana amin’izao fotoana izao. Araka izany dia tsy mitsahatra ny miantso vonjy amin’ireo tomponandraikitra mahefa izahay mpianatra miisa 18 ato amin’ny oniversite WUDA fa tena tsy manaiky intsony ny talen’ny oniversite ao WUDA ka miangavy anareo mpitondra sy ireo tomponandraikitra amin’ny ambaratonga samihafa mba hijery akaiky ny momban’ireo mpianatra ireo fa mijaly izy ireo sady tsy mahita toerana hipetrahana intsony fa mirenireny sady tsy mitombon-tsaina andro aman’alina mieritreritra ny ho avin’izy ireo.

Izahay mpianatra malagasy ao amin’ny Oniversite WUDA Chine

=====================================

Sady mahamenatra no mampahonena ny manjo ireo mpianatra malagasy tapaka vatsim-pianarana any Chine any, amin’izao fotoana izao. Efa ela ihany ry zareo no nanaitra fa tsy misy taitra ny mpitondra amin’izao fotoana izao. Izany tokoa angamba ilay hoe « rupture ». Asa.

Na inona na inona anefa ny filàza, satria samy manava vava hiteny, dia tokony jerena izy ireo. Ny reny androany 30 Jona 2014 niditra tao amin’ny radio Free Fm 104.2, ary tena mampitomany mihitsy ny teniny hoe : «  lelafina re ny faladianareo mpitondra (Ny Filoha, ny Praiminisitra, ny ministry ny fanabeazam-pirenena) fa mba jereo ireo ankizy ireo »… Mahontsa tokoa.

Ny mety ho anareo mpamaky dia ny mihaino io vidéo ambony io.

Jeannot Ramambazafy – 30 Jona 2014

Mis Ă  jour ( Mercredi, 02 Juillet 2014 16:48 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30