]
Les quotidiens du 06 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Ban Ki-moon: «Ny fomba fiainan’ny Olombelona ihany ny mahatonga ny fiovaovan’ny toetrandro»

Ban Ki-moon: «Ny fomba fiainan’ny Olombelona ihany ny mahatonga ny fiovaovan’ny toetrandro»

Parisy, 30 Novambra 2015. Tamin’ny fanokafana ny COP21 tontosaina ao Parisy. Ny Sekretera Jeneralin'ny ONU, Ban Ki-moon; ny Filoha frantsay, François Hollande, ny minisitry ny Raharaham-bahin frantsay sady Filohan'ny COP21, Laurent Fabius. Ery aoriana, ny minisitry ny Tontolo iainana frantsay, Ségolène Royal. Sary: Rick Bajornas (ONU)

Iray andro nialohan’ny fanokafana ara-pomba ofisialy ilay Fihaonam-be COP21 (Konferansin’ny Firenena Mikambana momba ny Fiovaovan’ny Toetrandro) izay tontosaina ao Parisy, ny 30 Novambra ka hatraminy 11 Desambra 2015, dia nanao fanambarana Andriamatoa Ban-Ki-moon, Sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana (ONU). Tao amin’ny Foiben’ny filazam-baovaon’ny ONU tao Parisy no nanaovany izany, ny 29 Novambra 2015.


Paris, 29 Novambra 2015. Ban-Ki-moon tao amin’ny Foiben’ny filazam-baovaon’ny ONU nanaovany ity fanambarana manaraka ity. Sary: Rick Bajornas (ONU)

« Velom-panantenana aho ary resy lahatra fa ireo mpitondra maneran-tany dia hamoaka fifanarahana hanan-danja iraisan’izao tontolo izao, hiadiavana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Efa ela isika no niasa mafy ka fotoanan’ny fampiarana izao. Nahatsapa favitriana avy amin’ireo firenena mikambana ato amin’ny ONU aho. Fantatr’izireo fa tsy maintsy misy fepetra ho raisina. Nisy ny planina norafetana ka nampibaribary fa maro ireo firenena vonona ny andray fepetra mahomby hiadivana amin’ny fiovaovan’ny toetrandro. Maro koa ireo izay naniry hisiana rafitra ao anatin’ilay fifanarahana hafahan’izy ireo manafaingana ny vinany sy hahatratra ny tanjona iombonana, dia ny fitazomana ny mari-pana tsy mihoatra ny 2 « degré Celsius ». Miankina amin’ny fahombiazan’ny fivoriana COP 21 izany tanjona izany.

Ny tanjona faha-13 ao anatin’ireo ODD (Tanjon’ny Fampandrosoana maharitra) dia mifantoka eo amin’izay toetrandro izay. Raha ohatra isika tsy mampiatra fifanarahana entitra momban’ny fiovaovan’ny toetrandro dia hisy fiantraikany ratsy eo amin’ireo ODD rehetra satria tsy afaka mandeha irery na sarahina ka raisaina tsirairay izy rehetra. Manaporofo amina fomba mazava sy tsy azo ivalozana ny siansa fa ny fomba fiainan’ny Olombelona ihany ny mahatonga ny fiovaovan’ny toetrandro. Mazava izany fa tokony ny Olombelona ihany no manova ny fomba fiainany. Tsy maintsy hataon-tsika izany. Tsy manana fotoana ho laniana intsony isika. Izay ny mahatonga ahy manao antso avo ho an’ny mpitondra maneran-tany mba handraisany fepetra sy fitarihina mavitrika eo amin’ny lafiny ara-moraly sy ara-politika ho an’ny Zanakolombelona tsy an-kanavaka ».

Nandika : Jeannot Ramambazafy – 30 Novambra 2015

Mis à jour ( Lundi, 30 Novembre 2015 17:29 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30