]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Ny fikambanana miaro ny tany Malagasy. Antso avo ho hanafahana an-dry Robison sy Tsihoarana

Ny fikambanana miaro ny tany Malagasy. Antso avo ho hanafahana an-dry Robison sy Tsihoarana

Ny fikambanana miaro ny tany Malagasy, Collectif TANY

ANTSO AVO HO AN’NY HANAFAHANA IREO MPITARIKA NY FIKAMBANANA “VONA FITIAVAN-TANINDRAZANA”,

izay hivondronan’ny mponina any ifotony manohitra ny tetikasa fitrandrahana harena an-kibon’ny tany ao SOAMAHAMANINA

Ny faha-22-n’ny volana Septambra tao Soamahamanina dia noravàn’ny herim-pamoretana tamin’ny etona mandatsa-dranomaso ny hetsika nataon’ny mponina ao an-toerana manohitra tetikasa fitrandrahana harena ankibon’ny tany. Taorian’izany, dia voasambotra ny mpiandraikitra roa ao amin’ny fikambanana “VONA FITIAVAN-TANINDRAZANA” izay iarahan’ny solontenan’ny tanàna vokasiky ny tetikasa. Mitaky ny hamotsorana tsy misy hatakandro an’i Pierre Robison sy Andrianony Tsihoarana izahay

Soamahamanina dia kaominina misy mponina 14 000, ao amin’ny distrikan’i Miarinarivo, faritra Itasy, 70 kilometatra avy ao Antananarivo, renivohitr’i Madagasikara.

Ny fahazoan’ny orinasa Jiuxing Mines SARL alàlana hitrandraka volamena, sy mineraly maro : zinc, fer, plomb ary berillium, mandritry ny 40 taona ao Soamahamanina ary ao amin’ny kaominina mifanolo-bodi-rindrina aminy, ao Arivonimamo II - sy ny fahazoana alàlana manokana eo amin’ny faritra iray (AERP na Autorisation exclusive de réservation de périmètre) ao Morafeno – dia niteraka hetsiky ny mponina teny amoron’ny lalàm-pirenena voalohany nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona 2016.

Io tetikasa firandrahana izay mahakasika velaran-tany 7 500 hekitara io tokoa mantsy dia toherin’ny olona monina amin’izao fotoana izao eo amin’ny faritra voakasiny ary manamafy ny fahavononan-drizareo hiaro ny taniny, ny toerana hiainany, ny harena voajanahary ananany, ny fitaovana hihariany harena sy sakafo hohanina, ny fasan-drazany, ary ny fahavononany hitandro ny fiangonana sy sekoly izay voalaza fa harodana.

Ny fivoahan’ny alàlana ara-tontolo iainana ho an’ny toby ao Andravolobe tamin’ny 26 May 2016, – ny alàlana ara-tontolo iainana izay dingana farany mialoha ny fahafahana manomboka ny fitrandrahana – dia nampisongadina fomba fakàna ny hevitry ny mponina izay tsy azo ekena satria ny ankabeazan’ny mponina dia na tsy nanontaniana ny heviny, na nandà. Ny mponina ao an-toerana dia mitanisa fahavoazana ara-tontolo iainana samihafa hiseho raha toa ka miroso ny fitrandrahana harena ankibon’ny tany izay mampiasa fitaovana vaventy.

Na izany aza, dia tonga nanenika ilay toby niaraka tamin’ny mpiasany sinoa maro sy ny fiarabe ary fitaovana vaventy ilay orinasa.

Tamin’ny faha-20-n’ny volana Jona, tao aorian’ny fivoriana nanentanan’ny eveka mpikambana ao amin’ny Justice et Paix (Fahamarinana sy Fandriam-pahalemana) dia nanangana Fikambanana Fanoherana ny mponina, izay niteraka avy eo ny VONA Fitiavan-tanindrazana, izay ivondronan’ny solontena avy amin’ny fokontany rehetra voakasika. Ity hetsika ity dia nahazo ny fanohanan’ny fikambanana avy amin’ny firaisamonim-pirenena, avy amin’ny kaominina manodidina ary avy amin’ny olom-pirenena maro. Hany ka ny faha-19-n’ny volana Jolay nanapa-kevitra ny Masoivohon’ny Shina ao Madagasikara sy ny Filan-kevitry ny Governmanta fa hampiato ny asan’ny orinasa Jiuxing Mines.

Saingy ny fialàn’ny orinasa sy ny fitaovany tanteraka no takian’ny hetsika.

Raha ny marina, dia tsy manome lanjany ny fitarainan’ny mponina ny manam-pahefana fa mitady kosa hampangina azy. Hita indrindra izany tamin’ny fotoana nanaovan’ny Filohan’ny Repoblika fitsidihina tao Miarinarivo, renivohitry ny Faritra, tamin’ny faha-8-n’ny volana Septambra izay noraràna ny fanehoana hevitra sy fitakiana amina sora-baventy : nahavita nampiseho ny fitakiany tamina sora-baventy ny mponina avy ao Soamahamanina io andro io.

Manoloana ny tsy fisian’ny fihainoana avy amin’ny governemanta, dia naverimberin’ny solontenan’ny mponina tamin’ny fanambarana maromaro manoloana ny mpanao gazety ity fangatahany ity, nentina nandritry ny filaharambe tao an- tanàna ary navoitra tamin’ny alàlan’ny « ultimatum » (na fanomezana fetra ara-potoana hentitra) nofaritina hifarana ny 21 Septambra. Ny ampitson’io, taorian’ny hetsika an-dalam-be, dia nianjera tambonin’ny mponina ny famoretana.

Manoloana ny herisetra atao amin’ny mponina miaro ny fananany, manoloana ny fanindriana sy fanaporetana tsy azo ekena atao amin’ny tany Malagasy izay atokan’ny lalàna manan-kery ho « paradisan-karena » ho an’ny mpampiasa vola amin’ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, dia manao antso avo amin’ny olom-pirenena rehetra eran-tany ny fikambanana Collectif TANY mba hitaky :

- ny fanafahana tsy misy hatakandro an’i Pierre Robison sy Tsihoarana Andrianony

- ny fampijanonana ny famoretana rehetra ny hetsiky ny mponina

- ary ny fanomezana fahafaham-po ny fitakian’ny mponina maro an’isa ao an-toerana.

Parisy, faha-28 Septambra 2016

Ny fikambanana miaro ny tany Malagasy, Collectif TANY

Mis Ă  jour ( Lundi, 03 Octobre 2016 05:36 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30