]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Madagasikara Seces : « miha manalavitra ny fampiharana ny tany tàn-dalàna »

Madagasikara Seces : « miha manalavitra ny fampiharana ny tany tàn-dalàna »

FANAMBARANA

Ny SECES (Sendikan’ny mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra) dia mahatsapa fa miha manalavitra ny fampiharana ny tany tàn-dalàna ny eto Madagasikara satria:

- Tsy mitsaha-mitombo ny endrika fitsaram-bahoaka noho ny tsy fahatokisan’ny vahoaka tsy mandady harona ny fihetsika sy fitondran-tenan’ ny sasantsasany amin’ireo lazaina fa tandroka aron’ny vozona sy mpiaro ny vahoaka sy ny fananany. Noho izany, mila mandray fanapahan-kevitra hentitra sy malaky ny lehibe mpitantana azy ireo ka hanitsy an’ireo mpitandro filaminana mihoa-pefy sy tsy manaja ny fitsipi-pifehezana sy ny antom-pisiana tokony hananany;

- Mahamenatra eto anivon’izao tontolo izao ny fihetsiky ny fitsarana malagasy tamin’ny famoahana didim-pitsarana ny andron’ny 14 Febroary 2017 tao Anosy, izay tsy natrehin’ny voampanga na ny mpisolovava azy akory. Ahiana tanteraka ny hampitombo hatrany ny elanelana misy eo amin’ny tsy fahatokisan’ny vahoaka ny fahaleovantenan’ny fitsarana eto Madagasikara;

- Foin’Andriamanitra ho nosy i Madagasikara. Koa tsindrinay etona fa Madagasikara dia natao ho an’ny Malagasy tsy vaky volo. Toherinay ny fanomezana tany na ny fampanofana izany amin’ny vahiny mandritra ny fotoana maharitra.

Amin’ny maha vato nasondrotry ny tany dia raisinay ho adidy ny:

- Mitaky ny hamoahan’ny fitsarana ampahibemaso ny tena rangory fototry ny afo, tompon’antoka voalohany amin’ireo endrika fandrobana harem-pirenena, izay hitam-poko, hitam-pirenena saika manerana ny Nosy, anisan’izany ny fanondranana tsy ara-dalàna andramena, volamena, vatosoa, sokatra, …sns sy ny fampiharana na koa famoronana didim-pitsarana faran’izay henjana toy ny asa an-terivozona mandra-pahafaty;

- Milaza fa tsy ekena ny hevitra mifonofono hanomezana mpandraharaha tsy miankina ny fitantanana ny orinasam-panjakana JIRAMA sy Air Madadagascar izay hany sisa miantoka ny fiandrianam-pirenena. Olana ara-pitantanana sy ara-politika no mangeja ireo orinasa ireo koa tsy fahotana ny fibaboan’ny fitondrana ampahibemaso raha toa tsy afa-manoatra izy amin’ny famahana sy fanarenana ireo fananam-pirenena iombonana ireo. Vonona ny teknisianina, ny avara-pianarana sy ny vato nasondrotry ny tany ny amin’ny fifanomezan-tànana ho fanarenana ny orin’asam-panjakana izay latsaka an-katerena toy izao raha ilaina;

- Milaza ho ren-tany, ho ren-danitra manoloana ny hetsika am-pilaminana ho fitakiana ny zo sy hasina ka nahatonga fampitsaharana ny asa fampianarana sy fikarohana avy amin’ireo mpampianatra-mpikaroka sy mpikaroka-mpampianatra any Toliara fa tsy azonay leferina velively no sady toherinay amin’ny herinay manontolo ny fandrahonana miampy antsojay nataon’ny mpitantana ny Oniversiten’i Toliara amin’ny mpitarika sendikaly.

Ny mitabe tsy lanin’ny mamba.

23 Febroary 2017

NY BIRAON'NY SECES ANTANANARIVO

Mis à jour ( Samedi, 25 Février 2017 06:15 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30