]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Fanirisoa Ernaivo. F’inona ity nahazo ity kandida ho filoham-pirenena ity ?

Fanirisoa Ernaivo. F’inona ity nahazo ity kandida ho filoham-pirenena ity ?

Asa ry ireito fa toa maha lasa adala tokoa va re ny fanaovana politika ka tsy mahalala mifehy tena intsony na dia olona heverina fa mba nianatra sy manana ny maha-izy azy. Tsy mba tamin’ny alalan’ny MP (« Message privé ») fa tena « publication publique », azon’ny rehetra jerena sy vakiana no nandrahonan’i ramatoa Fanirisoa Ernaivo ny tenako. Mba lalina ihany izany. Tsy vitan’izany fa mbola sorabe mampiseho fa tsy mahalala fomba mihitsy kay izy rehefa tsy zaka io resaka politika io. Io avoakako ho vakinareo ny asa-soran’ity Filohan’ny SMM (« Syndicat des magistrats de Madagascar ») teo aloha, nanana ny naha izy azy ity. Indrindra tamin’ny raharaha Claudine Razaimamonjy.

Ka raha izao ny toetra naseho masoandro omaly alina, iza no hifidy anao ramatoa ? Mikasika ahy manokana dia aleho hitory izay hitory tsy olana. Fa aoka kosa ho fantatrao sy ny mpamakiko hoe avy aiza ireo sary tianao « esorina miaraka amin’ny vava » ireo. Tao aminy Facebook io, tompoko ka tsy aiko firy ny olona ho toriana ary firy no higadra ?

Mbola misy porofo an-tsoratra hafa izay haseho eny amin’ny tribonaly raha toa ka ilaina. Izay iray afa-baraka e ! Izaho anie mpanao gazety mandra-maty fa ianareo miseho ho zavatra ireo, ahoana marina ? Dia io mbola manambany an’i Madagasikara koa i ramatoa Fanirisoa Ernaivo amin’ny hoe « fantatro fa tany tan-dalàna ny any Frantsa fa tsy ohatry ny Madagasikara ». Mpitsara ve ianao dia mahasahy manoratra izany ho hitan'ny Malagasy maneran-tany? Sa « stratégie » araka ny nolazain'ny kandida Tabera Randriamanantsoa izay...



Farany : mba adikao amin’ny teny malagasy io taratasin’ny filohan’ny ASPA (« Association Sciences Po pour l'Afrique ») io ambony io, ary mba mandinihy tena fa tsy mendrika ho filoham-pirenena na iray segondra aza ny olona tsy mahay manaja tena toa i Farinisoa Ernaivo izay tena lasa akosom-bolamena fotsiny ihany… Diso fanantenana daholo ny ankizy aminao izay mba nataony « idole », tsy ho lazaina hoe « idéal ». Mahavariana satria ny zokiny Tsilavy anie niresaka tamiko tamin’ny alalan’ny MP ary tsy nidigin-drambo toa io e ! Nilamina rehefa nolazaiko hoe : samia maka ny andraikiny ny tsirairay. Fa jereo sy vakio ity nataon’ny zandriny…

Tsy izaho no hitomany na hiseho manana ny rariny fa ny marina tokana sy iray ihany. Toa adinonareo miana-kendry f’efa tamin’ny taona 1984 anie aho no nanao ity asa fanaovan-gazety ity e ! Folo taona izany Andry Rajoelina teniteneninareo tamin’ny izany fotoana izany. Ary ianareo miseho miaro fahatany ireo taiza ho aiza ? Indrindra ireo hoe mpianatra sy nianatra « Sciences politiques » ireo ?

Farany dia farany :  asehohy hitam-bahoaka ny porofo fa izaho, nandritra ny 30 taona mahery nanaovako gazety, dia nomen-dry Ratsiraka, Zafy, Ravalomanana, Rajoelina ary Rajaonarimampianina vola hiaro azy ireo. « Mpikaraman’ady », hoy ireo fanatika tsy mahalala ny Tantara politikan’i Madagasikara. Tsy Rolly mercia akory no anarako, aza fady, ka mahaiza mipetraka.

Jeannot Ramambazafy – Zoma 14 Septambra 2018

Farany tena farany : misy mahasahy mandrahona mivantana toa hita amin’ny « capture d’écran » io ambany io.


Mihevitra io Hevitra Rabe kanosa be io fa tsy ho hita ny misy azy. Efa an-dalàna ho an’ny amin’ny manampahefana aho hametraka « plainte de réserve ». Asa raha mahay manova ny adress IP io Hevitra Rabe io na dia hita fa compte fake aza? Dia ho tany tsy tan-dalàna tokoa ve ity Madagasikara ity sanatria ?

Mis à jour ( Vendredi, 14 Septembre 2018 10:05 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30