]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Marc Ravalomanana. Taratasy misokatra ho azy avy any amin'i Toavina R.

Marc Ravalomanana. Taratasy misokatra ho azy avy any amin'i Toavina R.

« Raiamandreny ianao tompoko ka dia hajaiko.

Naneho ny safidiny izahay vahoaka Malagasy. Naniry ny ho filoha ianao ary ny vahoaka Malagasy koa naniry ny hanana filoha. Raha izao fizotran'ny valim-pifidianana izao dia tsy ho tanteraka ny fanirinao fa ho tanteraka kosa ny fanirian'ny Malagasy maro anisa izay nifidy, dia ny hanana filoha.

Tsy ho filoha ianao Andriamatoa Marc Ravalomanana. Tsy nifidy ny hamerina anao ho eo amin’ny fitondrana ny maro anisa. Mangataka anao hànana fo antra ny firenena sy ny vahoaka Malagasy.

Tsy mendrika korontana ny Vahoaka Malagasy. Tsy mahazaka korontana ny toekarem-pirenena. Inoako fa mbola manana fitiava-tanindrazana ianao. Ary ny atao hoe fitiavana ny tanindrazana dia fitiavana ihany koa ny mpiray tanindrazana. Ny mpiray tanindrazana izay namerina ny « tamberim-pitiavana » tamin’ny alalan'ny safidy nataony.

Andriamatoa filoha,

Mandeha sy manaraka ny lojika ny rehetra. Nisafidy ny tanora ao anatin'ny heriny ny mpifidy ary napetrany haka aina amin’izay ianao. Hipetraka ny tantara ary ny fanapahan-kevitrao sy ny hetsika ataonao farany ho an'i Madagasikara no ho tsarovana amin’ny anaranao.

Fototry ny krizy rehetra nifanesy ny toe-draharaha tamin’ny 2002.

Tsy nandamina na inona na inona ny tamin’ny 2009 ary very 5 taona ny firenena tamin’ny 2013.

Afaka mandray fiatombohana vaovao ny firenena ankehitriny. Mila izay ainga vao izay ny fiariana, ary maniry hibanjina fampandrosoana ny vahoaka Malagasy leo fahantrana.

Raiamandreny! Tsy voatery ho filoha vao afaka hampandroso. Fantatrao izany satria efa nisehatra tamin’izany ianao.

Ankehitriny ireo mpanao politika mpanara-dia aminao dia manoro hevitra anao tsy hanaiky ny vokam-pifidianana ara-dalĂ na. Tsy ny tombotsoan'izireo Andriamatoa Marc Ravalomanana no antony nirotsahanao ho filoha fa inoako fa ny tombotsoanay vahoaka Malagasy tompon'ny safidy.

Tany tan-dalĂ na i Madagasikara ary ianareo olobe no antenaina hametraka izany.
Koa antso no ataoko aminao Raiamandreny. Raha tombotsoa sy harena, efa hananao izany. Raha ny fitiavan'ny Malagasy indray dia mivavaka aminao ireo pomba anao.
Miangavy anao aho : ataovy safidy ny " VARAVARANA MADIO ". Ary omena ny voninahitra mifanaraka amin’izany ianao.

Ianao no arahin'ireo pomba anao. Afaka mijoro ho mpitarika hendry sy tia filaminana ianao tompoko. Efa nanompo tanindrazana ianao. Nahavita ny anjaranao ianao ho an'ny Madagasikara.

Ekeo ny feon'ny vahoaka izay feon'Andriamanitra, ary averiko ihany : safidin'ny maro an'isa. Ny safidin'ny maro anisa no arovana fa tsy ny an'ny vitsy an'isa.

IRAY tsy azo zaraina ny Malagasy ary aoka tsy ho avy aminao milaza fa tia tanindrazana sy mino an'Andriamanitra no hiavian'ny fisarahambazana amin’ny samy Malagasy.

Raiamandreny, fifaninana no natao ary tsy maintsy misy ny mandresy ary misy ny resy. Nandresy ny mpifaninana taminao.

EKEO ny vokampifidianana Andriamatoa Marc Ravalomanana fa sady izay no ara-dalĂ na nefa ny rariny ihany koa.

Tsy nisafidy anao ny maro an'isa ary mbola tsy hanaraka anao amin’ny fandàvana ny ara-dalàna ihany koa io " maro an'isa io".

Ny soa sy ny tsara no irario ho an'ny taranaka malagasy.

Atsipy ny tady eny an-tandroky ny omby ary atsipiko kosa ny teny ho any am-ponao mahalala.

Masina ny Tanindrazana ».

23.12.2019

Mis Ă  jour ( Dimanche, 06 Janvier 2019 10:43 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30