]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Monde malgache Communauté Malagasy Chine. Nanamafy ny fahavononany hanampy an'i Madagasikara amin'ny Fampandrosoana

Chine. Nanamafy ny fahavononany hanampy an'i Madagasikara amin'ny Fampandrosoana

Notontosaina teny amin’ny Carlton Anosy ny 25 novambra 2019 ny atrikasa fijerena ny fanamafisana ny fiara-miasa eo amin’ny firenena Sinoa sy Madagasikara nomena ny lohahevitra hoe : “Colloque sur le développement de la chine”.

Andriamatoa David Rajaon, Tale jeneralin'ny IEP

Niara-niasa akaiky tamin’ity hetsika ity ny avy ao amin’ny ivon-toeram-pampianarana sehatra politika IEP (“Institut d’Etude Politique”). Nampafantarin’ity farany nandritra izany ny maha zava-dehibe ny dingam-pampandrosoana nisy teo amin’ity firenena sinoa ity nahalasa lavitra io firenena io ka nahatonga azy ho firenen-dehibe faharoa eo amin’ny tanjaka ara-toekarena.

Ramatoa Yang Xiaorong, masoivohon'ny Chine miasa eto Madagasikara

Izany dia nohon’ny fazahoana tombony amin’ny fanànana ny traikefa eo amin’ny fananganana ny “parc industriel”. Ho an’i Chine manokana dia tsy navelany ho azy irery izany traikefa izany fa naparitany eo amin’ireo firenena Afrikana izay miara-miasa aminy ka anisan’izany isika eto Madagasikara. Izy rahateo araka ny lahateny nataon’ny masoivoho sinoa miasa eto amintsika, Ramatoa Yang Xiaorong, dia firenena faharoa maneran-tany mahasintona mpampiasa vola.

Ramatoa Lantosoa Rakotomalala, minisitry ny Indostria sy ny Varotra

Mana-tombony manokana i Afrika noho izany fivoaran’i Chine izany, indrindra isika eto Madagasikara izay efa naharitra 47 taona niara-niasa ka nanamafisan’i Chine ny fahavononany hatrany, nandritra ny fivoriana FOCAC natao tanyBeijing. Raha ny eto Madagasikara indray dia efa misy ny vina izay hametrahana ny orinasa indostrialy eto Madagasikara ny taona 2020, araka ny fanazavana nomen’i Ramatoa Lantosoa Rakotomalala, minisitry ny Indostria sy ny Varotra.

 

Hahazo vahana amin’izany ireo tanora sy vehivavy manana fahavonana amin’ny fananganana ny orinasa madinika sy salantsalany.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Samedi, 30 Novembre 2019 03:08 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30