]
Les quotidiens du 23 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Analyse Ireo Lalam-panorenana sy ny Andrim-panjakana

Ireo Lalam-panorenana sy ny Andrim-panjakana

Hisy fitsapan-kevim-bahoaka (« referendum ») ho tontosaina indray atsy ho aty, mba hanavaozina ny Lalàm-panorenan’ny Repoblika Malagasy. Mbola tsy fantatra aloha hoe rahoviana. Mandrampiandry izany fitsapan-kevim-bahoaka faha-enina eo amin’ny Tantaran’i Madagasikara izany, dia indreto aloha ireo Lalàm-panorenana nisy hatramin’ny fiverenan’ny Fahaleovantena. Niniana nosoratako amin’ny teny malagasy ity lahatsoratra ity ka mba adikao teny vazaha (frantsay, anglisy, sns, sns…) ho an’ny namanareo liana amin’ny hoavin’ity firenena iombonan-tsika ity. Misaotra mialoha

Lalàm-panorenena tamin’ny 29 aprily 1959

Na dia nisy aza solombavam-bahoaka Malagasy niatrika ny famolavolana azy dia niala avy tamin’ny Lalàm-panorenena frantsay tsotra izao ity Lalàm-panorenana ity. Satria tokony tadidin-tsika fa ny 26 jona 1960 vao naverina tamintsika ny Fahaleovantena very tamin’ny taona 1896. Fito taona (« Septennat ») no fe-potoana hiasan’ny Filoha tamin’izany, ary ireto avy ny Andrim-panjakana : Ny Filohan’ny Repoblika, ny Lehiben’ny Governemanta, ny Antenimieram-pirenena, ny Antenimieran-doholona, ny Filan-kevitra fara-tampon’ny Andrim-panjakana (« Conseil Supérieur des Institutions » na CSI). Io no Repoblika voalohany. Andriamatoa Philibert Tsiranana no Filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara voalohany. Ny antoko « Parti social démocrate » na PSD (Pisodia) no natanjaka sy nanjaka ary ny AKFM (« Parti du Congrès pour l’Indépendance de Madagascar »), antoko natsangan’ny Pasitora Richard Andriamanjato kosa no loha laharana teo amin’ny mpanohitra.

 



Lalàm-panorenena tamin’ny 31 desambra 1975

Ny 11 febroary 1975, nisy namono ny Kolonely Richard Ratsimandrava izay vao nomen’ny Jeneraly Gabriel Ramanantsoa fahefana feno hitondra ny tany sy fanjakana (Tsihavina eto fa ny Jeneraly Ramanantsoa moa dia nahazo fahefana feno ihany koa avy tany amin’ny Filoha Tsiranana izay voatery niala tao aorian’ny fitsapan-kevim-bahoaka tamin’ny 8 oktobra 1972.). Natsanga ary ny « Directoire militaire » ary ny 21 desambra 1975 dia nisy indray ny fitsapan-kevim-bahoaka mikasika ny fanovana ny Lalàm-panorenana. Lany ny « eny ». Teo no manomboka ny Repoblika faha-II. Ny Capitaine de Frégate Didier Ignace Ratsiraka (izay minisitry ny Raharaham-bahiny tao amin’ny governemanta Ramanantsoa) no lasa Filoham-pirenena. Ireto avy ny Andrim-panjakana tamin’izany vanim-potoana izany : Filohan’ny Repoblika, ny Filan-kevitra fara-tampon’ny Tolom-piavotana (« Conseil Suprême de la Révolution » na CSR), ny Antenimieram-pirenenam-bahoaka (« Assemblée Nationale Populaire » na ANP), ny Governementa, Ny Komity Miaramila ho an’ny Fampandrosoana (« Comité Militaire pour le Développement » na CMD), ny Fitsarana avo momba ny Lalàm-panorenana (« Haute Cour constitutionnelle » na HCC). Mbola fito taona ihany ny fotoam-piasanan’ny Filoha. Lasa Repoblika Demokratikan’i Madagasiraka ny Firenena Malagasy. Ny Antoko Revolisioneran’i Madagasikara na AREMA (« Avant-garde de la Révolution Malgache ») sy ny Boky Mena (« Livre rouge » no nisolo an’ny Pisodia. Avy tamin’io Boky mena io no nandrafetana ny Satan’ny Revolisiona sosialista (« Charte de la Révolution socialiste ») izay nisary marxisma tokoa. Tsy nisy antoko mpanohitra fa natambatra tao amina vondrona roa (FNDR na « Front National pour la Défense de la Révolution » sy CSR). Màzana ny sivana sy ny fanampenam-bava tamin’izany fotoana izany satria najoro koa ny DGID (« Direction Générale des Investigations et de la Documentation ») lasa DGIDIE (« Direction Générale des Investigations et de la Documentation Intérieures et Extérieures») taty aoriana.

 

 

 

“Convention” na Fifanarahana tamin’ny 31 oktobra 1991 (tao amin’ny Hôtel Panorama)

Alohan’ny fidiran’ny Malagasy ao amin’ny Repoblika faha-III noho ny zava-nitranga nandritra ny taona 1990 sy 1991, izay nitondra tamin’ny fandrodanana ny Repoblika faha-II (Mandan’i Jeriko), dia nisy ny fepetra tetezamita ka ireto avy ny Andrim-panjakana tamin’io fotoana io : Ny Filohan’ny Repoblika dia ny Amiraly Didier Ignace Ratsiraka izay efa tsy nanana fahefana firy intsony; ny Fahefana avon’ny Firenena (« Haute autorité de l’Etat » na HAE) izay ny Pr Zafy Albert (Minisitry ny Fahasalamana tao amin’ny governemantan’ny Jeneraly Ramanantsoa) no Filohany ; ny Governemanta tetezamita izay Guy Willy Razanamasy no nitarika ary ny HCC. Noravana ny CSR sy ny ANP. Raha mikasika ny HCC manokana dia navoaka ny Ordonnance n°92-018 tamin’ny 8 jolay 1992, mikasika ny fomba fanendrena ny mambra ao aminy sy ny fe-potoana hiasan’izy ireo. Fotoanan’ny HERY VELONA (« Forces Vives ») tamin’io.

Lalàm-panorenana tamin’ny 18 septambra 1992

Narafitra io ary dia niditra tao amin’ny Repoblika faha-III ny firenena. Ny 25 novambra 1992 no natao ny fifidianana Filoham-pirenena ka resy ny Amiraly Ratsiraka ary lany ny Pr Albert Zafy izay nanao finihanana ny 27 marsa 1993. Nipoitra ny antoko UNDD (« Union Nationale pour la Défense de la Démocratie ») noforonin’ny Profesora Zafy. Rava ny HAE sy ny CMD. Tafajanona ny ambiny, fa mbola tsy tafapetraka ny tena Fahefan’ny Fitsarana (« Pouvoir judiciaire ») indrindra ilay « Haute Cour de Justice » (HCJ) izay afaka mitsara ny olona ambony dia ambony amin’ny firenena. Na izany aza dia tratry ny « empêchement » ny Filoha Zafy, ny 5 septambra 1996. Nisy ary ny fifidianana Filoham-pirenena mialohan’ny fotoana (élections présidentielles anticipées »), nokarakarain’i Norbert Lala Ratsirahonana, izay nanjary Filoham-pirenena sy Filohan’ny Governemanta vonjimaika (« Chef d’Etat et Chef du gouvernement provisoire »). Natao tamin’ny 5 novambra io fifidianana io. Nisy fiodinana faharoa izy io ka lany indray ny Amiraly Ratsiraka na dia nanao izay afany ireo mpomban’ny Profesora Zafy izay resiny, tamin’ny 29 desambra 1996.

Lalàm-panorenana navaozina tamin’ny Lalàna n°98-001 tamin’ny 8 aprily 1998

Lasa Andrim-panjakana feno ny HCC ary dia nanome vahana be dia be an’ny Filoha Ratsiraka ity fanavaozina ity. Ireto indray ny andrim-panjakana tamin’izany fotoana izany : Ny Filoham-pirenena sy ny Governementa, ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona (« Sénat »), ny HCC. Efa nihena ho dimy taona ny fotoam-piasan’ny Filohan’ny Repoblika ka mahazo mirotsaka in-telo misesy. Rehefa lany filoha Andriamatoa Marc Ravalomanana dia io Lalàm-panorenena tamin’ny 18 septambra 1992 navaozina tamin’ny 9 aprily 1998 io no mbola manan-kery hatramin’izao. Nipoitra ary nahazo tanjaka toa ny PSD sy ny AREMA teo aloha ny antoko TIM (Tiako i Madagasikara) izay natsangan’i Marc Ravalomanana. Mbola tsy manazava ny mikasika ny Faritany mizaka tena (« Provinces autonomes »). Mbola misy PDS (« Chefs de province provisoires ») foana anefa. Mbola tsy tafapetraka ny HCJ fa napetraka kosa ny Faritra (« Régions ») miisas 22, ny BIANCO (« Bureau Indépendant Anti-Corruption ») sy ny CSLCC (« Conseil Supérieur de Lutte contre la Corruption ») izay lasa CSI na « Conseil Supérieur pour l’Intégrité ». Novana ho CIS (« Central Intelligence Service» izay teny anglisy mira amin’ny C.I.A. amerikana), ny DGIDIE. Ny vola kosa niverina ho Ariary. Torak’izany koa ny anarana hoe « Repoblikan’i Madagasikara ».

 

Jeannot Ramambazafy

Journaliste

www.madagat.com Madagascar

.

Mis Ă  jour ( Samedi, 16 AoĂ»t 2008 16:52 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)