]
Les quotidiens du 25 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Marc Ravalomanana: mbola tsy mahatoky ny Malagasy toa azy ihany e!

Marc Ravalomanana: mbola tsy mahatoky ny Malagasy toa azy ihany e!

Io Ingahy Brian Currin, fanavotana farany. Ho an’iza anefa? Tsy ho an’i Jean Louis Robinson velively aloha e ! Hono, hoy aho: tsy mampihomehy anareo ve ny tarehiny ? Tsara niaraka nanao sarimihetsika tamin'i Louis de Funès ô ?

E e e ! 64 taona izy izao ary mino ahy fotsiny ihany ianareo fa tsy hiova intsony izy amin’ny fomba amam-panaony nanomboka izy niditra teo amin'ny sehatry ny polifika.

Mpiambina vazaha, mpanolo-tsaina vazaha, Dg Air Madagascar vazaha, Dg Jirama vazaha… Lazao indray fa mpandainga aho e ! Izao indray dia mbola niantso vazaha hiditra ao anatina raharaha tokan-tranon’ny mpifidy malagasy izay nidify Filoham-pirenena malagasy fa tsy vazaha.

Tsy iza io olona resahina io fa Ingahy Marc Ravalomanana, nahay nanipy ny fahefany teo am-pelatànany teny amina “Directoire militaire” ary nitsoaka tsy re tsaika ao Afrika atsimo ao. Dia nanantena fa avy ihany izy hiverina soa aman-tsara rehefa ripaka daholo ny mpitolona. Tsy izany no niseho ary efa fantatr’izao tontolo izao ny tohiny…

Gaborone (Botswana), 6 Jona 2011. Io i Brian Currin, eo akaikin'i Mamy Rakotoarivelo. Samy mihenoheno amina "casque" fotsiny dia mahazo volabe. Inona ny vokatra azo tany anefa ?

Mikasika ilay vazaha indray dia tsy iza fa ilay Brian Currin, Afrikana tatsimo fotsy hoditra, izay tsy nahovoka mihitsy nandritra izay efa-taona mahery lasa izay. Nefa karamaina vola be mihitsy. Dia nibitaka tsy misy toa izany ny tao amin’ny Magro Behoririka fa tena Dadany i Dada ary tonga ny mpamonjy vazaha. Hahirato amin’izay ny maso lereitsy a !

Ny fehiny? Dondrona daholo ny mpahay lalàna Malagasy eto Madagasikara amin’Ingahy Ravalomanana. Ny adinony anefa dia tsotra : hampihetsika ny ambo-pon’ireo mpahay lalàna eto an-toerana io nahatongavan’io Brian Currin io ka dia hifototra aminy indray io tsy firarahiny ny Malagasy rehefa ny tombontsoany no arovany. Ka na dia ny mpahay lalàna ao amin’ny fikambanana Avana aza dia toa ny tsy misy dikany aminy. Ka iza amin’izay ary no tahafin’i Jean Louis Robinson amin’ny fombana jiolahim-boto nandritra ny propagandy sy amin’izao fotoana izao, manao amboletra ? Any aminareo ny valiny.

Jeannot Ramambazafy – 27 Desambra 2013

Mis Ă  jour ( Vendredi, 27 DĂ©cembre 2013 20:03 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024