]
Les quotidiens du 23 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Hery Rajaonarimampianina, îles Malagasy. Lettre ouverte de l’ANM, du CRAM et d’Emergence

Hery Rajaonarimampianina, îles Malagasy. Lettre ouverte de l’ANM, du CRAM et d’Emergence

Monsieur le Président de la République,

Nous nous adressons directement à vous, vous qui avez prêté serment le 25 janvier 2014 sur la Constitution de la IVème République. Vous êtes à la tête d’un État dont la souveraineté est non-négociable, mais aussi à la tête d’un peuple épris de Justice.

Monsieur le Président,

L’Histoire de Madagascar, particulièrement depuis son indépendance, acquise il y a maintenant 56 ans, vous la connaissez aussi.

Vous n’êtes pas non plus, quelle que soit l’interprétation de vos prises de position, resté diplomatiquement inactif au sujet des Nosy Malagasy.

Jusqu’à sa fin, votre mandat cristallise encore, les valeurs identitaires de la Nation ainsi que le « Soatoavina Malagasy ». L’interpellation d’aujourd’hui 25 novembre est claire: vous êtes désormais le seul, M. le Président Hery Rajaonarimampianina, le seul à pouvoir défendre l’intérêt supérieur de la Nation sur la question des Nosy Malagasy. La décision de porter ou non à la connaissance du Président de la République Française François Hollande la volonté du peuple Malagasy de finaliser la restitution des Nosy Malagasy, vous revient maintenant.

Comme tout Malagasy, nous voulons croire que vous êtes, vous aussi, profondément attaché à la terre de nos ancêtres. C’est à cette dimension sacrée que nous faisons référence ici.  Et heurter cette sensibilité, repousser cette question sensible à 2017, c’est heurter l’âme Malagasy même de manière irréversible.

Demain et après-demain, vous pouvez donner suite à la requête du peuple Malagasy auprès de votre homologue SEM François Hollande lors de son passage à Madagascar pour prendre part au Sommet de la Francophonie.

Monsieur le Président,

Vous avez le devoir devant l’Histoire, d’exiger de votre homologue français l’annulation sans tarder du Décret n°60-555 du 1er avril 1960 et du Décret n°78-146 du 3 février 1978.

  • Vous pouvez une fois les recommandations du Symposium National pour la restitution des Nosy Malagasy appliquées, remettre à l’ONU un rapport sans attendre la 72ème session de l’ONU en 2017 ;
  • Vous pouvez vous imposer et éviter une commission mixte ;
  • Vous pouvez demander des dommages et intérêts aux autorités françaises pour les Association et familles des pêcheurs Malagasy, morts en mer en 2014, lors d’affrontements avec les forces maritimes françaises alors qu’ils pêchaient dans les eaux territoriales Malagasy au large de Mahajanga.

Les résolutions onusiennes 34/91 du 12 décembre 1979 et 35/123 du 11 décembre 1980 qui enjoignent la France à entamer les négociations, la convention des Nations Unies sur le droit de la mer ainsi que la demande d’extension des limites de notre plateau continental déposée par le Premier Ministre Camille Vital en date du 26 août 2011 et en vertu de l’application de l’article 76 paragraphe 8 de la Convention de Montego Bay, vous autorisent de plein droit, à vous imposer en toute légitimité.

La France avec qui Madagascar partage des liens historiques et fraternels, dont la relation est faite certes de hauts et de bas… la France pour Madagascar reste ni plus ni moins le premier partenaire à la fois économique mais aussi affectif. La France, au regard des valeurs de la République, Liberté-Égalité-Fraternité, ne saurait rester insensible à cette requête. Madagascar étant dorénavant libre et indépendant, il est logique qu’une discussion d’égal à égal aie lieu en 2016.

La majorité du peuple Malagasy, la majorité des entités politiques à Madagascar, les parlementaires, la majorité des sociétés civiles, toutes les associations d’envergure nationales, les syndicats, les juristes, les diplomates, les journalistes, la diaspora, qui se sont entendus sur cette interpellation, veulent croire que vous aurez à cœur de lui donner suite à l’occasion de votre rencontre avec SEM le Président de la République Française, François Hollande.

Nous attendons. Veuillez agréer, Monsieur le Président de la République, l’assurance de notre profond respect.

Association Nosy Malagasy (ANM)

Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM)

Rassemblement des refondateurs de la République

Plateforme Émergence de Madagascar

Antananarivo, le 25 novambre 2016

*************************

TARATASY MISOKATRA HO AN’ANDRIAMATOA

Hery RAJAONARIMAMPIANINA – FILOHAM-PIRENENA

 

Andriamatoa Filoham-pirenena,

Mitodika manokana aminao izahay androany, ianao izay nanao fihanihanana tamin’ny Lalam-panorenan’ny Repoblika faha efatra ny 25 janoary 2014. Ianao no mitarika an’i Madagasikara sy ny vahoaka malagasy mangetaheta fahamarinana sy fampandrosana lovan-jafy. Ny fiandrianam-pirenena dia tsy azo hifampiraharahana na amin’iza na amin’iza.

Andriamatoa Filoha,

Ny tantaran’i Madagasikara, indrindra fa taorian’ny fahaleovantena dia heverina fa fantatrao tsara, nandritra ny 56 taona.

Manodidina ny fitakiana ireo Nosy Malagasy dia na inona na inona fandikana ny andraikitra norisinao dia azo ambara fa tsy nahomby ny diplomasia nampiharina.

Hatramin’ny faran’ny fotoam-piasanao dia tokony hisongadina ny hasin’ny Firenena, indrindra fa « Soatoavina malagasy ». Ny antso avo ataonay aminao androany faha 25 novambra 2016 dia mazava : Ianao irery Andriamatoa Hery RAJAONARIMAMPIANINA no any manana ny fahefana hiaro ny ny tombontsoa ambonin’ny firenena amin’ny resaka Nosy Malagasy. Ankehitriny dia eo an-tsorokao ny fampahafantarana ny hetehetan’ny vahoaka malagasy amin’ny famerenan’ny governemanta frantsay tsy misy hatak’andro ireo Nosy Malagasy amin’ny Filoham-pirenena frantsay François Hollande.

Mino izahay fa miredareda ao anatinao ny fitiavana ity tanindrazana iombonana ity. Ny fanemoranana ny fandinihana ny raharaha Nosy Malagasy amin’ny taona 2017 eo anivon’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana dia mandona tanteraka ny hambom-pon’ireo malagasy tia tanindrazana satria sambany teo amin’ny tantara no nanalana ny resaka Nosy Malagasy tsy ho isan’ny laha-dinika tao anatin’ny 37 taona.

Amin’izao fandalovan’ny Filoham-pirenena frantsay eto amintsika izao hanitrika ny fivoriana faha 16 ny tany miteny manontolo na amin’ny ampahany ny teny frantsay dia hanome valin-teny mazava ianao Andriamatoa Filoha ho setran’ny fangatahan’ny vahoaka malagasy, rahampitso na afak’ampitso.

Andriamatoa Filoha,

Manana adidy sy andriakitra ianao manoloana ny tantara hanery na hilaza amin’ny Filoha frantsay amin’ny fanafoanana tsy misy hatak’androny didim-panjakana laharana 60-555 tamin’ny 1 avril 1960 sy ny didim-panjakana laharana 78-146 tamin’ny 3 febroary 1978. Izany dia tafiditra amin’ny fampiharana ny Fehin-kevitra tapaka nanadritra ny Symposium Nationaly ho famerenana ireo Nosy Malagasy. Raha tanteraka izany dia afaka manao tatitra eo anivon’ny Firenena Mikambana ny Minisitry ny Raharahm-bahin’ny firenena roa tonta ary tsy tafiditra intsony amin’ny laha-dinika ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana amin’ny taona 2017 ny resaka Nosy malagasy.

Afaka tanterahana tsara izany mba hialana amin’ny « vaomiera iombonana » Malagasy sy frantsay.

Afaka mangataka onitra amin’ny governemanta frantsay ianao mba hanonerana ny fianakavian’ireo mpanjono malagasy maty tany an-dranomasina, manodidina ny Nosy malagasy Juan de Nova, ny 29 mars 2014 vokatry ny hetraketraky ny tafika an-dranomasina frantsay tao anatin’ny fari-dranomasina Malagasy satria 100 km monja miala ny morontsika I Mahanjanga no nisehoan’izany habibiana tsy roa aman-tany izany.

Ireo fehin-kevitra noraisin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana 34/91tamin’ny 12 desambra 1979 sy 35/123 tamin’ny 11 desambra 1980 dia manaingany governemanta frantsay hanao fifampiraharahana, ny fifanaharan’ny Firenena Mikambana momban’ny Lalana mifehy ny ranomasina, ny fametrahana ny fangatahana nataon’ny Praiminisitra Camille Vital amin’ny fanitarana ny « plateau continental » teo anivon’ny Firenena Mikambana ny 26 aogositra 2011 ho fampiharana ny andininy faha 76 amin’ny andalana faha 8 ny Fifanaharana tany Montego Bay dia manome fahefana feno anao Andriamatoa Filoha hitaky ny famerenana ireo Nosy Malagasy amin’ny governementa frantsay

Iaraha-mahalala fa manana fifandraisana ara-tantara i Frantsa sy i Madagasikara. Ny firenena frantsay no mpiray ombinan’antoka ara-toekarena voalohany amin’i Madagasikara. Manaja sy manandratra ny sata Repoblikana ny frantsay dia ny FAHAFAHANA – FITOVIANA – FIRAHALAHIANA ka antenaina fa tsy hipetra-potsiny manoloana izao fikakiana ataon’ny vahoaka malagasy izao ka ho tafaverina amin’i Madagasikara amin’ity taona 2016 ity ireo Nosy Malagasy.

Mandritra ny fihaonanao amin’ny Filoha frantsay François Hollande dia miombom-po amam-panahy tanteraka aminao ny maro an’isa amin’ny vahoaka malagasy, ny solombavam-bahoaka, ny mpanao politika, ireo mpikambana amin’ny fiaraha-monim-pirenena, ny mpahay lalana, ny mpanao gazety, ireo diplomaty, ireo mpiray tanindrazana any ivelany ary miandrandra vaovao avy aminao mba hampitsiry ny fanantenana fa afaka tanteraka amin’ny jiogan’ny fanjahantany i Madagasikara.

Raiso, Andriamatoa Filoha,ny haja ambony indrindra atolotray anao.

MASINA NY TANINDRAZANA

ANDRIAMANITRA MIARO AN’I MADAGASIKARA.

Association Nosy Malagasy (ANM)

Cercle de Réflexion pour l’Avenir de Madagascar (CRAM)

Rassemblement des refondateurs de la République

Plateforme Émergence de Madagascar

Antananarivo, faha 25 novambra 2016

Mis à jour ( Samedi, 26 Novembre 2016 10:02 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)