]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. Kongresy amerikana. 6 ny mpikambana tonga, nizaha ary hitsara ny zava-misy marina

Madagasikara. Kongresy amerikana. 6 ny mpikambana tonga, nizaha ary hitsara ny zava-misy marina

Mbola tsy nisy mpitondra mpandainga sy tsy miraharaha vahoaka toa ireto Hvm ireto mihitsy teto Madagasikara, hatramin’izay niainako. Ary efa ela nihetezana aho fa tsy zaza vao omaly akory. Manana ny tombontsoany eto tokoa aloha ny Etazonia, toa ireo firenena matanjaka rehetra aty Afrika. Kanefa, tsy misangy mihitsy ry zareo rehefa resaka fitondra tsara tantana (« Bonne gouvernance »), fanajana ny lalàna (« Etat de droit ») sy ny zon’olombelona (« respect des droits de l’Homme »), ny ady amin’ny kolikoly (« Lutte contre la corruption »), ary indrindra ny fahafahana maneho hevitra (« Liberté d’opinion ») ka tafiditra amin’izany ny fahafahan’ny mpanao gazety (« Liberté de presse ») sy ny fahafahana miteny an-kalalahana (« Liberté d’expression »). Tsy adino ny fanajàna ny atao hoe Demokrasia.


AIza ho aiza ingahy Hery Rajaonarimampianina amin’ireo rehetra ireo? Ny sasany moa nanaovany propagandy nefa dia samy mahalala ny zava-misy daholo isika vahoaka malagasy monina eto an-tanindrazana. Ny 25 Janoary 2018 dia tapitra ny fe-potoana iasan’i Hery vaovao. Izany hoe, amin’io daty io tokony filoha voafidy indray no ho eo amin’ny fitondrana.


Tsy kisendrasendra ny nahatongavan’ireto mpikambana enina ao amin’ny Kongresy amerikana ireto. Taminy taona 2012 no nisy koa. Izany hoe herintaona alohan’ny fifidiana filoham-pirenena foana. Ao raha… Ireto avy ary izy ireo fa miandry ny tatitra ho ataony rehefa tafaverina any Etazonia. Satria raha ny mpitondra no henoina dia manga foana ny lanitra e ! Mavandy avao !


Jeannot Ramambazafy – 18 Aogositra 2017

Mis Ă  jour ( Vendredi, 18 AoĂ»t 2017 15:39 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30