]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Vie politique Dossier Madagasikara. Fihaonan’ny governemanta tamin’ireo parlemantera, 21.04.2020

Madagasikara. Fihaonan’ny governemanta tamin’ireo parlemantera, 21.04.2020

FAMPITAM-BAOVAO

Fihaonan’ny governemanta tamin’ireo parlemantera


Antananarivo, 20 aprily 2020 – Tonga nitondra fampahafantarana sy nifanakalo hevitra tamin’ireo birao maharitra ao amin’ny parlemanta roa tonta, mikasika indrindra ny lafiny fitantanana ara-bola ny fiatrehana ny ady amin’ny covid-19, ny governemanta, izay notarihin’ny Praiminisitra Ntsay Christian, ka nahitàna ny minisitry ny Toe-karena sy ny Vola, ny minisitry ny Mponina, ny Fiarovana ara-tsosialy sy ny Fampiroboroboana ny Vehivavy, ary ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka.


Nambaran’ny Praiminisitra fa mampiseho taratra ny fifandraisan’ny andraikitra eo amin’ny governemanta, ny solombavambahoaka, ary ny loholona izao fihaonana izao, satria manoloana ny toe-javatra miseho eto amin’ny firenena, ankoatra ny fanapahan-kevitra mety horaisin’ny Filoham-pirenena ao anatin’ny fahamehana ara-pahasalamana, toy ny didy hitsivolana, dia manana adidy handray anjara amin’ny fifehezana ny tsy hiparitahan’ny vananaretina covid-19, sy amin’ny hampandehanana ny raharaham-pirenena, ireto parlemantera ireto. Noho izany, na dia tsy ao anatin’ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalazan’ny lalàna aza, dia nifampiresahana, na tao amin’ny Antenimierampirenena, na tao amin’ny Antenimierandoholona, ny mikasika ny fitantanana ny firenena amin’ny ankapobeny, ny amin’ireo fanampiana azo avy amin’ny mpamatsy vola, na nomena izany na nindramina, ary ny fomba hitsinjaràna sy hampiasàna azy eto an-toerana.


Mikasika manokana ny harinkarem-pirenena dia nomarihiny fa sarotra ny manarina ny toe-karena ao anaty sy aorian’ny krizy, ka mila mandray lesona ny firenena mba tsy hitrangan’ny fitotonganana, indrindra koa mba tsy hidangana ny vidim-piainana ary ho voaloa hatrany ny karama sy tambin-karama, na ho an’ny mpiasam-panjakana izany, na ho an’ny zokiolona. Noho izany dia tokony hanomana vahaolana dieny izao isika, mba hitsinjovana ny fandeha sy fitohizan'ny fiainam-pirenena, ary koa hifehezana ny fihanaky ny corona virus.


Nohazavain’ny Praiminisitra ihany koa fa ireo fanapahan-kevitra noraisina, hifehezana ny fihanak’ity valanaretina covid-19 ity, dia miteraka fihenan’ny fahafahana eo am-pelan-tanan’ny fanjakana izay tokony hampiasainy hanatontosàna ireo adidy tsy maintsy sahaniny. Ohatra noraisiny tamin’izany ny fiantraikan’ny vokatry ny fanapahan-kevitra eo amin’ny kitapom-bolam-panjakana, mikasika ny fampihatoana ny fandoavan’ireo orinasa hetra sy haba, ny fihatoan’ny fifamoivoizana mampifandray amin’ny any ivelany, ary mifandray amin’izany ny vola miditra amin’ny fadin-tseranana; ka ilàna fahaiza-mitantana sy fandrindràna ireo fanampiana azo, entina misoroka ny krizy sy hahafahana manarina ny firenena.

Noho izany dia tsy maintsy iantohana ny fandoavana ny karaman’ny mpiasam-panjakana sy ny zokiolona, ny fampihodinana ny hopitaly sy ny fanatsaràna ny kalitaon’ny tolotra, ny fampandehanana ny sekoly, sns, hoy ny Praiminisitra. Ary ny tombony ho antsika Malagasy, hoy izy teo am-pamaranana, dia ny fahafahantsika mandresy lahatra ireo mpiara-miombon’antoka mba hanome ireo fanampiana hahafahana manampy ny Malagasy.


Fantatra nandritra izao fihaoana izao fa matoky ny fomba fitantanana sy fomba fiasa itarihan’ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra, ny firenena mikambana sy ireo fianankaviambe iraisam-pirenena ka tsy misalasala manampy ara-bola an'i Madagasikara.

Ny Serasera

Mis à jour ( Mardi, 21 Avril 2020 15:58 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30