]
Les quotidiens du 23 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Andry Rajoelina, 14.09.2019: “manomboka ny asa fanarenana ny lakan-dranon'ny Pangalana”

Andry Rajoelina, 14.09.2019: “manomboka ny asa fanarenana ny lakan-dranon'ny Pangalana”

Misy olona, Malagasy toa ahy toa anao, mba nanaraka fampianarana ambony ihany fa tsy mety raha tsy mamadika resaka foana. Asa hatramin'ny fahataperan'ny fofon'aina mihitsy angaha izany famitahana tena sy fandrebirebena ireo olona liam-baovao mampandroso... Fanarenana no resaka ka rehefa mitovy amin'izany dikany izany ny fampiasana ny voambolana “fanamboarana” dia iny izy fa midin-drambo ka milaza fa “600 km ve dia ho vita ao anaty efa-bolana?”. Dia alefa daholo izao karana resaka teknika tsy mitondra mankaiza. Fa iza izany? Olona milaza azy tena tia tanindrazana...

Momban'ny drafitr'asan'ny fanjakana mahakasika ny fanarenana ny lakan-draon'ny Pangalana ary dia io ambony io, amin'ny teny frantsay. Manaraka dia ny kabarin'ny Filoha Andry Rajoelina iray manontolo, tamin'ny14 Septambra 2019, andro fanomboana ara-pomba ofisialy izany fanarenena izany. Ny soratra tokoa mitoetra.

Jeannot Ramambazafy

************


Ry vahoakan'i Toamasina,

Tompokolahy sy Tompokovavy,

Ianareo rehetra manatrika etoana.

Tonga eto amin'ity toerana ity isika androany. Ity toerana ity no atao hoe port-ny Manangareza. Rehefa ny vahiny no tsy tafala intsony eto Madagasikara, dia hoy ny olona hoe: nisotro ny ranon'ny Manangareza ilay vahiny. Marina sa tsy marina? Izaho dia nigoka mihitsy ny ranon'ny Manangareza. Nigoka ny ranon'ny Manangareza ary nanao velirano tamin'ny Malagasy, tamin'ianareo mponina rehetra eto amin'ny Faritra Atsinanana hoe tsy maintsy hampandrosoana ny Firenena ary tsy maintsy mandrosoity Faritra Atsinanana iray manontolo eto Madagasikara, Tompokolahy sy Tompokovavy.

 

Ampifaliana foana, noho izany, mandrakariva, no hihaonako aminareo vahoakan'i Toamasina satria androany dia vorilànona indray isika eto amin'ity toerana ity. Asa goavana. Izany no atombon-tsika eto androany ary izay koa ny maharovy an-tsika marobe eto androany satria dia atombon-tsika ny fanamboarana an'ny canal des Pangalanes, ary tsy maintsy ho tantera-tsika manara-penitra ary hampifandray ny vahoaka malagasy iray manontolo ity canal des Pangalanes ity, Tompokolahy sy Tompokovavy.

 

Nandritra ny fampielezan-kevitra nataoko teto Toamasina sy manerana ny Nosy, izay mbola nohamafisiko rehefa lany ho Filoham-pirenena ny tenako, ary neveriko mihitsy izany teo anatrehin'ny Papa Ray Masina, nandritra ny fihaviany teto Madagasikara, dia nilaza sy nanao velirano ny tenako fa hitondra an'i Madagasikara any amin'ny fampandrosoana maharitra sy aingana. Noho izany dia vina sy fanamby maro samihafa no nambarako fa ho tanterahina mahakasika ny sehatra maro izay hitondra ny firenena mankany amin'ny fampandrosoana.

 

Koa, araky ny efa nambarako, dia fiovana amin'ny fiainan'ny vahoaka malagasy izay mipaka amin'ny andavanandrony, izany no ataon-tsika laharam-pahamehana. Koa ankehitriny ary, dia tonga eto isika ao anatin'ny fanatanterahana an'izany vina sy fanamby napetraka izany, izay no anisan'ny mahatonga antsika eto androany. Koa anio ary dia an-kafaliana lehibe tokoa no ilazana antsika fa hanatanteraka izao fanomboana ny asa izao isika.

 

Ny asa izay hataon-tsika, araka ny nolazaiko teo, dia ny fanamboarana ny lakan-drano na ny Canal des Pangalanes izay misy tetik'asa maro any amin'ny faritra hafa. Ohatra, any Toamasina, any Ambatondrazaka dia niteny aho hoe: tsy maintsy amboarina ny RN 44. Tsy handrasan-tsika famatsiam-bola avy any ivelany. Niteny ny Banque mondiale hoe: ho ampianay ianareo, ho atao io làlana io fa mbola miandry kely aloha. Ilay miandry kelin'ny mpamatsy vola mety ho herintaona, roa taona, telo taona. Ka hoy aho hoe: tsy handrinay izany. Ka rehefa vita ny tolo-bidy hanaovana ny RN 44 ankehitriny dia ny société Colas ny hanao izany ary hanomboka afaka iray volana ny asa hanaovana ny RN 44.

 

Toa izany koe ity Canal des Pangalanes ity. Maro ireo mpiara-miombinantoka, maro ireo firenena izay hanampy antsika, fa hoy aho hoe: ny fampandrosoana an'i Madagasikara tsy afaka andrasana afaka roa taona na telo taona. Manana isika ny orinasa Apmf (Agence Portuaire Maritime et Fluviale), manana isika ny ministera izay miandraikitra izany. Dia hoy aho hoe: tsy ataon-tsika andrasana ela fa androany dia androany dia atomboka ny asa fanaovana dragage an'ity Canal des Pangalanes ity, izay hampitohy an'i Toamasina an'i Vatomandry, Mahanoro, Mananjary ary mbola hataon-tsika tonga any Manakaka sy Farafangana izany fanamboarana izany Canal des Pangalanes izany, Tompokolahy sy Tompokovavy.

 

Fa izao: raha anao izany tetik'asa izany isika dia mila fantarina ny Tantaran'ny firenena, indrindra indrindra ny tantaran'ity Canal des Pangalanes ity. Zava-dehibe no azon-tsika amin'izy io, fa aleho fantarin-tsika kely hoe ahoana sy ahoana ny mahakasika ny tantaran'ny Canal des Pangalane. Ny Canal des Pangalanes dia nandalo vanim-potoana telo lehibe? Ny vanim-potoana voalohany dia tamin'ny andron'ny mpanjaka Radama I. Tamin'ny taona 1827 no namolavola tetik'asa ary nieritreritra ny mpanjaka Radama, tamin'izany ny hoe: tokony atao io Canal des Pangalanes io fa ilaina ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Saingy tsy tanteraka izany raha tsy 70 taona taty aoriana, dia tamin'ny andron'ny fanjanahantany, izany hoe tamin'ny taona 1901 izay vao nanomboka ny asa fanaovana ity Canal des Pangalanes ity. Ary vita soa aman-tsara tamin'izany fotoana izany. Tamin'ny taona 1988, dia nisy fanamboarana kely an'ity Canal des Pangalanes ity. Fa ny tena olana goavana dia tsy nisy intsony ny fikojakojana, tsy nisy intsony ny fikirakirana, dia ankehitriny tsy azo ifandraisana intsony ny mampitohy ireo tanàna maro izay efa nolazaiko anareo teo: Toamasina, Vatomandry, mandrapahatonga any Manakara, Mananjary sy Farafangana.

 

Tsy afaka intsony. Ohatry ny lalàna ihany io: rehefa tsy kojakojaina dia tsy afaka intsony ny mampifandray azy. Koa anio isika, isika mianakavy, dia tantara lehibe no apetra-tsika eto androany. Satria 118 taona no nanokanana ny Canal des Pangalanes. 59 taona taorian'ny niverenan'ny Fahaleovantena dia vory eto isika mianakavy. Tapa-kevitra isika fa hamelona sy hanokatra ny Canal des Pangalanes ary tsy maintsy ho vitain-tsika izany, Tompokolahy sy Tompokovavy, hampandrosoana ny Faritra Atsinanana iray manontolo sy Madagasikara !

 

Rehefa vita io, dia hisy sambo lehibe mpitatitra olona izay hampiray ireo tanàna rehetra izay nolazaiko teo. Ary handroso be ny Faritra Atsinanana satria betsaka ny tombontsoa ho azo amin'izany. Hitondra vahaolana maro ho an'ny mponina manamorona ny lakan-drano ary, indrindra indrindra, hitondra sy hiteraka asa ho an'ny rehetra ny fahavitan'izao Canal des Pangalanes izao. Satria mponina maherin'ny telo tapitrisa tokoa no higoka ny fampandehanana indray izany Canal des Pangalanes izany. Ary vokatra maro, toa ny letchis, ny jirofo sy ny sisa ny hivoaka sy hifamezivezy ao anatin'izany Canal des Pangalanes izany.

 

Izao dia toky no omeko anareo f'efa nanao velirano aho hoe: hanao ny ezaka rehetra hampandroso an'i Madagasikara. Mba azonareo an-tsaina fa efa zato taona maro no tsy nisy nijery ity Canal des Pangalanes ity. Maro ny hotely aroso hajoro. Rampitso izao, rahafak'ampitso dia hisy ny "Salon international du Tourisme" atao ao Antananarivo. Ary ao anatin'izany ny antony hitondrana mpandraharaha mankaty amin'ny Canal des Pangalanes mba hanao hotely maromaro, mba hanao ny resaka jiro, mba hanao ny resaka rano sy ny fanadiovana maro isan-karazany manodidina ity Canal des Pangalanes ity.

Ny tanjon-tsika dia tsy maintsy ho tratra ny hamelomana izany Canal des Pangalanes izany. Koa mila mifanome tànana ny be sy ny maro, mba hafahantsika manatontosa ny asa antsakany sy andavany ka hitondra antsika amin'ny tanjona izay ho tratrarin-tsika mba ho lakan-drano modely ary ho tsidian'olona maro maneran-tany ity Canal des Pangalanes ity. Mbola ho avy eo ny Marôkana, fa isika tsy miandry izay hamatsy vola. Mbola ho avy eo ny mpiara-miombinantoka maro isan-karazany fa isika tsy hiandry izany fa hanomboka isika izao. Isika no mitarika ny lamasinina; isika no lohan'ny lamasinina mitondra ny fampandrosoana manerana an'i Madagasikara, izay no hanomboan-tsika tsy misy atak'andro izany tetik'asa rehetra izany.

 

Mikasika an'i Toamasina manokana, dia maromaro ny minisitra tonga eto androany. Hijery izahay ny toerana hanaovana ny Buildings mora; hijery izahay ny toerana hanaovana ny trano mora; hijery izahay ny toerana hametrahana ozinina fanaovana simenitra eto Toamasina. Ary rehefa tafapetraka io dia hihena 40% farafahakeliny ny vidina simenitra miainga eto Toamasina fa manerana an'i Madagasikara.

 

Maro ny zavatra ho ataon-tsika hampandroso ny firenena fa indrindra hampandroso an'i Toamasina. Ary eto dia averiko, araka ny nolazaiko ombieny ombieny fa tsy ny tenako irery no afaka hitondra ny fampandrosoana fa isika rehetra miara-miasa no afaka manatratra ny tanjona famapandrosoana ho an'i Madagasikara sy ho an'i Toamasina.

 

Koa eto ary dia ambarako amin'ny fomba ofisialy, fa anio 14 Septambra 2019 dia manomboka ny asa fanarenana ny lakan-dranon'ny Pangalana. Manomboka izy androany ary tsy maintsy ho tanteraka izany, Tompokolahy sy Tompokovavy.

 

Mankasitraka antsika rehetra,

Mankatelina ny vahoakan'i Toamasina,

Misaotra, Tompokolahy

Mankasitra Tompokovavy”.

 

Andry Rajoelina

Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara

Mis à jour ( Mardi, 17 Septembre 2019 14:46 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)