]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Mialy Rajoelina, 28 Avrily 2020. Nanolotra Vatsy Tsinjo

Mialy Rajoelina, 28 Avrily 2020. Nanolotra Vatsy Tsinjo

VIDEO ETO

Amin'izao fidiran'ny mpianatra mpanala ny fanadinana izao, dia tonga nanome ny Vatsy Tsinjo ho an'ireo mpampianatra ny teo anivon'ny Fikambanana Fitia. Nahazo izany ny mpampianatra avy amin'ny CEG Nanisana, ny LTP Ampasampito, ny EPP Ankorondrano ary ny Lycée Analamahitsy.




Nanatanteraka ny fizarana izany tamin'ireo toerana ireo ny Filohan'ny Fikambanana Fitia, Ramatoa Mialy Rajoelina. Nanomboana izany, ny Talata 28 Aprily 2020 ny teny amin'ny CEG Nanisana, misy mpampianatra miisa 140.


« Antom-pisian'ny Fikambanana Fitia dia ny mitsinjo hatrany ny mpiara-belona, ary seha tra manokana iasana ny eo anivon'ny fampianarana. Mahatsapa tena izahay mànana adidy mandray andraikitra mba anohana anareo mpampianatra mpanabe, satria ianareo no mikolokolo ny zanantsika », hoy Ramatoa Mialy Rajoelina nandritra ny lahateny nataony fanolorana ny vatsy tsinjo.


Nozaraina « pack » tsirairay avy ireo mpampianatra izay misy : Fonosana Covid-Organics ho an’ny fianakaviana, vary 5 kg, voamaina 2kg, menaka, ronono, siramamy, moringa (voanambo), sira, tantely, arovava roa avy amin’ny Fikambanana Fitia ary gel hydroalcoolique fanasana tanàna.


Nampirisika hatrany ny asa makadiry izay iantsorohan'ireto mpampianatra ireto ihany koa ny Fikambanana Fitia. Nasiana fanazavana ihany koa ny momba ny fampiasana ny fonosana Covid-Organics izay sahaza ho an'ny fianakaviana iray : ampangotrahana amin'ny rano roa litatra dia arotsaka ao anaty rano mangotraka ny fonosana iray, dia avela mangotraka mandritra ny roa minitra. Esorina avy eo ambony afo dia avela hilona mandritra ny 15 minitra. Tsy azo haverina hafanaina fa tsy maintsy sotroina ka taperina ao anatin’ny iray andro.


Momban’ny fisotroana azy ho an'ny ankizy dia 33 cl in-telo mandritra ny herinandro, mifanelanelana iray andro. Izany hoe raha nisotro androany alatsinainy, dia tsy misotro raha tsy aminy alaobia. Ho an’ny lehibe indray dia 33 cl in-droa isan'andro mandritra ny herinandro. Marihana fa ireo zaza izay efa nisotro tany ampianarana dia tsy nisotro an'ity fonosana vao nozaraina ity, fa ireo tsy mbola nisotro no misotro azy ity.


« Mitondra fahavitrihana ho an'ny mpampianatra ny fanampiana toy izao », hoy ny tale ny CEG Nanisana, Ramatoa Andrianasolo Fanjatiana. Ho an'ireo ankizy mpianatra izay tsy te hisotro ity Covid-Organics ity dia tsy terena fa manana safidy izy ireo. Tao amin’ny CEG Nanisana dia miisa 24 ireo tsy misotro, misy amin'izy ireo no efa nisotro teny anivon'ny fokontany ka tsy misotro intsony any an-tsekoly.


Ary dia nitovy amin’izay fizotrany tao amin’ny Ceg Nanisana izay ny zava-niseho sy notontosaina tany amin’ny LTP Ampasampito, ny EPP Ankorondrano ary ny Lycée Analamahitsy fa ny isan’ny mpianatra sy mampianatra no samihafa. Marihina fa mpianatra hanala fanadinana ihany ireo mpianatra niverina nianatra ireo.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Mercredi, 29 Avril 2020 13:22 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix Ă  Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30