]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Madagascar WMG. Jazz no safidy tamin’ity Krismasy 2020 ity

Madagascar WMG. Jazz no safidy tamin’ity Krismasy 2020 ity

Niavaka tsy toa ny isan-taona ny fanamarihana ny fetin’ny Krismasy fanaon’ny fikambanam-behivavy Wednesday Morning Group Madagascar tamin’ity taona 2020 ity. Tsy nisy ny « Salon du Chocolat » sy ny « Bazar de Noël » fa kaonseritra mozika jazz tao amin’ny Motel Anosy no nokarakarain’ny fikambanana, ny Sabotsy 12 Desambra teo. Ny tarika Datita Rabeson sy ny LMM Quartet, mpitsoka saxophone, tarihin’i Seta Ramaroson no niaka-tsehatra. Manazava ny Filoha lefitry ny WMG Madagascar, Josiane Ralambotsirofo, teo an-tokontan’ny Motel Anosy.


« Ny fanamarihana androany ity, nanasana izay olona nanampy anay rehetra. Ny sponsors izany, ny partenaires sy ny « donateurs » rehetra. Nanasana ihany koa ireto Ambasadaoro miara-miasa aminay amin’io fanamarihinay ny krismasy io isan-taona. Nataonay tamin’ny sehatra mozika moa izany tamin’ity satria ilay mozika moa atao hamalifaly ny olona sy ireo nasaina, ny « partenaires » sy ny « sponsors » voazalaza tetsy aloha.

Ny mpanakanto niseho sehatra moa androany dia i Datita Rabeson sy ny ekipany dia ny LMM Sax Quartet tarihin’i Seta Ramaroson. Tamin’ity taona ity izany moa tsy dia tena ilay hoe hanangonam-bola (« levée de fonds ») ? Natao hampifalifaliana fotsiny ireto mpanohana anay isan-taona ireto. Satria tsy ho tanteraka mihitsy ilay « Bazar de Noël » tamin’ity taona ity noho ny antony maro be, dia tsy tianay nangingina ny WMG alohan’ny faran’ny taona, dia izay no nahatonga anay nanatontosa ity fialam-boly ity ho an’ireo olona mpiara-miasa aminay ireo.


Ny tsy tanteraka izany dia ny « Levée de fonds » amin’ny « Salon du Chocolat » sy ilay « Bazar de Noël ». Kanefa ny soa rehetra tokony nataonay aamin’ireo olona ampianay dia tanteraka daholo. Na tamin’irey « confinements » ireny ary izahay dia mbola nandeha nirotsaka an-tsehatra nanatitra « dons de PPN » tany amin’ny fokontanin’ny Betsizaraina dia tetsy Andohatapenaka.

Ny vola azonay tamin’ny « Bazar de Noël » tamin’ny herintaona dia nampiasainay tamin’ity taona ity ihany, na tao anatin’ny « confinements » aza. Amin’ity taona ity izahay dia mbola hanao ny « colis de Noël » ohatra ny fanaonay isan-taona, manasoa ny ankizy kely amina fanomezana samihafa. Ho tanterahinay ihany izany ny fanampiana samihafa na dia tsy nisy aza ny « Levée de fonds » eo amin’ny sehatry ny Ambasady »./.

Jeannot Ramambazafy sy Harilala Randrianarison

Mis à jour ( Lundi, 14 Décembre 2020 08:57 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30