]
Les quotidiens du 05 Mar 2026
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Madagasikara. Orange Day Caravane médicale 2024. Hafatr’i Ramatoa Mialy R. Rajoelina

Madagasikara. Orange Day Caravane médicale 2024. Hafatr’i Ramatoa Mialy R. Rajoelina

Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina, 26 Novambra 2024. Natomboka io andro ilay hetsika « Fahasalamana manakaiky vahoaka », iarahan'ny Fikambanana Fitia, tarihin’ny Filoha mpanorina, Ramatoa Mialy R. Rajoelina, sy ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka ary ny OMS. Tafiditra ao anatin’ilay "16 jours d'activisme" mifandray amin’ny « Orange Day 2024 » (ETO) izy io.



Fiara miavaka momban’ny Fahasalamana samihafa sy tranoheva manodidina ny 20 no hita mandritra ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka amin'ity andiany ity.


Ahitana ireo tolotra ara-pahasalamana samihafa : fahasalaman'ny Reny sy ny Zaza, fahasalaman'ny ati-vava, fahasalaman'ny tenda, maso, sofina, nify, fahasalamana ankapobeny, fitiliana diabeta, VIH, tosi-drà, torohevitra mahasoa ary fandrindram-piterahana.


Tsy adino ilay hoe « caravane médicale » na « clinique mobile ». Izany hoe hopitaly kely, misy mpitsabo sy fanafady, afaka mivezivezy, izay natomboka ny taona 2019. Andininy fahatelo izy ity ho an’ity taona 2024 ity.


Hetsika miisa 28 no efa vita hatramin'ny nanombohan'ny "caravane médicale" ary nitety Faritra maro manerana an'i Madagasikara ny "clinique mobile". Tanjon'ny hetsika ny hanampy ny mponina marefo mba ho afaka hisitraka tolotra ara-pahasalamana maimaim-poana.


Amin’izao vaninandro iainantsika izao, efa tafiditra anatin'ny politika ankapoben'ny Fanjakana malagasy ny fanaovana ny fahasalamana manakaiky vahoaka laharam-pahamehana ary nahazoana vokatra azo tsapain-tanana izany. Satria efa 480.000 no fizahana ara-pahasalamana notontosaina manerana ny Nosy, araka ny antontan'isa avy eo anivon'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, miampy ireo olona 80.000 nisitraka izany tamin'ny andiany roa tamin'ny « caravane médicale » natao tamin'ity 2024 ity.


Ny andiany voalohany natao tamin'ity taona ity izay nihazo ny tapany Atsinanana ary nitety Faritra miisa efatra: Faritra Analamanga (Manjakandriana), Faritra Alaotra mangoro (Moramanga), FaritravAtsinanana (Brickaville, Toamasina), ary Faritra Analanjirofo (Fenerive Est).


Ny andiany faharoa kosa dia nihazo ny tapany Atsimo ary nitety ny Faritra Vakinakaratra (Antsirabe), ny Faritra Matsihatra Ambony (Ambalavao) ary ny Faritra Atsimo Andrefana (Sakaraha Antanimeva).


Toy izao kosa ny fandaharam-potoanan'ity "caravane médicale" manokana ho an'ny "16 jours d'activisme" ity, faran’ny taona 2024 :

26 Novambra. Antananarivo IV : Lapan’ny Fanatanjahantena, manolohan’ny « Bazar du quartier »

27 Novambra. Antananarivo V : kianja fanaovam-baolina Tsarahonenana

28 Novambra. Antananarivo Avaradrano : Kianja ao Ankadikely

29 Novambra. Antananarivo III : Antanimenabe

30 Novambra. Antananarivo VI : Kianja fanaovana basket, Kaominin’Ambohimanarina

02 Desambra - Antananarivo I : Kianja Malacam

03 Desambra - Antananarivo Il : Kianja ambanin’Antanimora

HAFATR’I RAMATOA MIALY R. RAJOELINA, VADIN’NY FILOHA AM-PIRENENA

LAPAN’NY FANATANJAHANTENA MAHAMASINA, 26 NOVAMBRA 224


" Tompokovavy sy Tompokolahy,

Miarahaba am-pifaliana anareo tonga manatrika izao "caravane médicale" eto amin’ny Palais des sports izao. Nomarihana omaly ny andro iraisam-pirenena hanafoanana ny herisetra atao amin'ny vehivavy (ETO). Anatin'ny "16 jours d'activisme" tanteraka isika ka asa mivaingana, mipàka mivantana amin'ny mponina eny ifotony no iharahantsika. Raha ny mahazatra dia ireo marary no manatona ny tobim-pahasalamana. Fa noho ny fahatsapana ny hazakazaka atrehan’ny mponina andavanandro dia ireo mpitsabo sy mpiasan'ny Fahasalamana no navondrona tamina toerana iray (…).

Ny "Fahasalamana manakaiky vahoaka" dia manao ihany koa fitiliana ny diabeta sy tosidrà ary ny tsy fanjariantsakafo eo amin'ny ankizy ; ny fitarafana toy ny « radiographie », « échographie » ary « mammographie ».

Ao koa ny fitsaboana nify sy ny ati-vava ary ny fanaovana vaksiny.

Tsy adino fa eo foana ny fanentanana momba ny ady amin'ny herisetra, ny ady amin’ny VIH/SIDA, ny homa-miadan'ny nono (« cancer du sein ») sy ny homa-miadan'ny vozon'ny tranon-jaza (« cancer du col de l’utérus »).

Koa aza misalasala àry, manentana anareo tsirairay avy aho hanatona ireo matihanina amin’ny Fahasalamana mandritra ny fotoana handalovan’ny « caravane ».


Eto am-pamaranana dia manolotra fankasitrahana feno ho anareo mpisehatra tsy ankanavaka ny tenako.

Singaniko manokana ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ireo mpiara-miombon'antoka ara-teknika sy ara-bola.

Misaotra amin'ny fifanomezan-tanana.

Hita taratra tokoa fa isika rehetra dia samy mahatsapa fa : "Sarobidy ny aina" ary ny "fahasalamana no voalohan-karena".

Ny vahoaka salama tokoa mantsy no afaka mihary sy miasa an-kalalahana.

Ny firaisankina sy ny fiarahamientantsika rehetra dia fanoitra entina mitondra fampivoarana ny mahaolona sy fampandrosoana ny Firenentsika.

Mankasitraka antsika rehetra ! ".

Ramatoa Mialy R. RAJOELINA

Vadin’ny Filoham-pirenena

Nandray an-tsoratra : Jeannot RAMAMBAZAFY

Sary madagate : Andry Rakotonirainy

Mis à jour ( Mercredi, 27 Novembre 2024 07:37 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Annick Danielle Raherimanana, mpanao gazetin’ny Radio Antsiva. Nodimandry ny 28 Janoary 2026

 

Antananarivo Grand séminaire ALL GEN REVOLUTION : LE PROGRAMME ET LES INTERVENANTS

 

AIRTEL AFRICA ET SPACEX S’ALLIENT POUR RÉVOLUTIONNER LA CONNECTIVITÉ MOBILE EN AFRIQUE GRÂCE À STARLINK DIRECT-TO-CELL

 

Madagascar Wednesday Morning Group. La 63è édition du Bazar de Noël aura lieu le samedi 29 Novembre 2025 au Carlton Antananarivo

 

Ramatoa Céline Ratsiraka, teraka Velonjara. Nodimandry ny 22 Aogositra 2025, teo amin’ny faha-87 taonany

 

Heavenly Culture, World Peace, Restoration of Light (HWPL). 11e Sommet mondial pour la paix à Cheongju

 

Mvola Madagascar : simplicité, rapidité et la sécurité des transactions financières au quotidien

 

Antananarivo, volana Jona 2025, ankatoky ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara. Fanapoizinana ara-tsakafo nahafaty tanora roampolo. Fankaherezana avy amin’i Jeannot Ramambazafy sy ny ekipan’ny madagate.org

 

YVETTE RABETAFIKA RANJEVA. Ny Faraveloma hatao azy - Ses Obsèques : Zoma 20 Jona 2025 - Vendredi 20 juin 2025

 

Ambohimanoro, Cathédrale Anglicane: Deux concerts classiques inédits de l'OCPAA et de l'Orchestre symphonique St Paul, le dimanche 04 mai 2025 à 15h30