]
Les quotidiens du 23 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Communiqué Déclaration Madagascar Corruption : Mise en place des DAC au niveau des communes

Madagascar Corruption : Mise en place des DAC au niveau des communes

Debout, le Général Faly Rabetrano, Directeur général du BIANCO

Atelier d’harmonisation de la mise en place des dispositifs anti-corruption des communes financées par le FDL – 23 & 24 février 2012

Le Fonds de Développement Local (FDL) œuvre pour l’amélioration des conditions de vie des populations, en finançant des projets de développement ou d'infrastructures socio-économiques et les investissements publics prioritaires identifiés par les Communautés rurales.

Le FDL, selon des critères prédéfinis et conformément à des procédures préétablies, confère aux Communes jugées éligibles, des fonds d’un certain montant dont l’usage sera réservé à des investissements communaux ou à la mise en place d’infrastructures communales.

Souciant de l’utilisation et de la gestion de ces fonds, une Convention liant le FDL et le Bureau Indépendant Anti-Corruption (BIANCO)a été établie le 19 octobre 2010, en vue de renforcer la gouvernance locale, dont l’un des objectifs attendus étant l’aboutissement à une gestion transparente et efficiente des fonds alloués.

La mission d’éducation et de prévention du BIANCO au profit des détenteurs de ces fonds (entre autres les maires,…) va dans l’esprit de cette convention. C’est ainsi que l’atelier de deux jours, du 23 au 24 février 2012, se penche sur l’harmonisation des approches dans la mise en place des dispositifs anti-corruption auprès des communes financées par le FDL.

Debout, Mme Hanitra Rasolonjatovo, Directeur général du FDL. A droite, un représentant du PGDI

Objectifs

La mission consiste à uniformiser les approches pour la mise en place de Dispositifs anticorruption (DAC) au niveau des communes d’intervention du FDL, des outils efficaces et nécessaires, aussi bien matériels que textuels, aux fins de verrouiller toutes les zones de risques de corruption et de fraude se rapportant à leurs activités et à la gestion des fonds qui leurs sont alloués.<

Il s’agit ainsi de rendre opérationnel le mécanisme de standard de services publics au niveau des Bureaux des Communes et d’apporter, suite à des panels des textes et des normes de procédures existantes, des propositions d’amélioration ou de renforcement.

RĂ©sultats attendus

Après cet atelier, on attend de la mise en place de Dispositifs anticorruption l’amélioration de la qualité des services publics offerts par la commune ainsi que l’instauration et le renforcement de la culture de lutte contre la corruption au niveau de l’équipe communale et l’adoption de la culture de refus de la corruption du côté des usagers.

Notons que cet atelier est le fruit du partenariat entre le FDL, le Programme de Gouvernance pour le DĂ©veloppement Institutionnel (PGDI) et le BIANCO.

===============================================

KABARIN’NY TALE JENERALIN’NY BIANCO MANDRITRA NY FANOKAFANA NY ATRIKASA PGDI SY FDL ARY BIANCO MAHAKASIKA NY FAMETRAHANA FOMBA FIASA MANARA-PENITRA AMINA KAOMININA VATSIAN’NY FDL VOLA

23 febroary 2012 – Hôtel Le CARAT


Andriamatoa Mpandrindra Foiben’ny PGDI

Ramatoa Tale Jeneralin’ny FDL,

Ianareo Tale sy Tomponandraikitra isan-tsokajiny ao amin’ny sehatra telo miara-miasa ankehitriny dia ny PDGI sy ny FDL ary ny Bianco,

Tompokolahy sy tompokovavy.

Arahabaina isika mianakavy, indrindra ianareo avy lavitra tonga eto amin’izao atrikasa iombonan’ny PGDI sy ny FDL ary ny Bianco izao.  Atrikasa izay handrindra fametrahana fomba fiasa manara-penitrra amin’ireo kaominina vatsian’ny FDL vola ary tanterahina eto amin’ny LE CARAT eto Ambatofotsy ankehitriny. Tsy voasemban’ny ankaso ny dia ary tsy voasakan’ny sampona ny lalana ka indro isika mifanatri-tava samy mirana ary mifankahita tarehy samy tretrika.

Ireo miandraikitra ny fisorohana sy ny fanabeazana ato amin’ny Bianco no mpandray anjara fototra amin’izao atrikasa izao. Manampy eo koa anefa ny mpikirakira ny vola enti-manana avy amin’ny Bianco satria kasaina hafindran’ny PGDI mivantana any amin’ny Biraom-paritry ny Bianco tsirairay ny tahiry voaomana hanaovana ny asa mba hahakinga ny fanatanterahana izany fomba fiasa manara-penitra izany any amin’ireo Kaominina voafantina ka nahazo famatsiam-bola avy amin’ny FDL.

Fanentsenana ny irika mbola mety hisehoan’ny tsy marina sy ny kolikoly eo am-panatanterahan’ny Kaominina ny asa nahazoany famatsiam-bola avy amin’ny FDL no tanjona amin’izao zavatra atao izao. Efa asa andavanandron’ny Bianco ny tahaka izany kanefa tsapa fa ilaina ny mandinika izay metimety hatrany sy ny itovizan’ny samy Biraom-paritra eo am-panatanterahana azy. Koa manan-joky ka miera ary manan-jandry ka mila hevitra isika samy isika raha mivory eto.

Tsy lafiny fisorohana ihany anefa izany, fa lafiny fanabeazana koa satria na tafapetraka aza ny fomba fiasa manara-penitra enti-manakana ny tsy marina sy ny kolikoly, ka tsy resy lahatra hampandeha azy ireo olona tomponandraikitra dia toy ny haingon-trano mirenty fotsiny izy ireny fa raha mbola mikiry manao ny fanaony ihany ireo zatra ny lalan-dririnina, ho very maina ny ezaka. Hanana anjara amin’izao atrikasa izao noho izany koa ny fandinihana ny fanabeazana ny olona, indrindra ireo tomponandraikitra mba hahomby izay fomba fiasa manara-penitra apetraka any amin’ny Kaominina voakasik’izany.

Koa alao hery àry fa adidy masina ho an’ny tanindrazana izao ataontsika izao mba hanjaka ny marina ary ho resy tosika ny kolikoly. Inoana fa amin-joto kanefa koa amin’ny faharesen-dahatra no hivoriana eto mandritra ny roa andro. Ary irariana isika rehetra rehefa miverina any amin’ny asa aman-draharahantsika andavanandro any mba hahaloaka an-tsakany sy hahatanteraka an-davany ny fandavorariana ny laminasa izay nifanarahana fa hatao, araka izay ho tapak’izao atrikasa izao.

Tsy azo atao ambany maso tsy hita toa vatan’orona na itodian-tsy tazana toa ravin-tsofina ireo mpiara-miombona antoka amin’izao asa dia ny PGDI izay loharano mamatsy ary rianaratra manetsika izay soloan’ny Mpandrindra Foibe ao aminy tena eto. Eo koa ny FDL izay tompon’ny asa kanefa tsy miseho ho mahatontosa irery na mihambo ho mahavita tena fa nametraka fitokisana tamin’ny Bianco, izay tarihin’ny Tale Jeneraliny etoana. Ho tsara anie ny fiarahantsika mientana ary ho soa ny fiombonantsika adidy.

Koa mahaleova sy mahalasana, aza mba solafaka omena tehina na ho tafitohina nomena kiraro àry isika. Kendreo ny mendrika, katsaho ny marina, ataovy ho zava-dehibe ny mahitsy fa izany no fomban’olon-tsoa sy fanaon’olom-banona.

Mankasitraka tompokolahy ary misaotra tompokovavy.

Mis Ă  jour ( Jeudi, 23 FĂ©vrier 2012 16:13 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)