]
Les quotidiens du 26 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Photos Antananarivo, 13 mai 2015. Hvm ou le Hery Vaovaon’ny faMoretana !

Antananarivo, 13 mai 2015. Hvm ou le Hery Vaovaon’ny faMoretana !

Général Florens Rakotomahanina. L'Histoire retiendra son nom comme ayant été un officier supérieur de salon au service d'un président froussard de coups d'état. Ce, en terrorisant par sa présence, un moment de recueillement pour un évènement historique sanglant


En français, « Hery Vaovaon’ny famoretana » signifie littéralement: Nouvelles forces de la répression. De mémoire d’étudiant -ayant eu 18 ans et ayant été présent sur l’avenue de l’Indépendance, devant l’Hôtel de ville, le 13 mai 1972-, c’est la première fois de la vie (et de la mienne) que le régime d’un président élu règlemente l’horaire de dépôt de gerbes pour commémorer un jalon pénible d’une Histoire commune, et c’est la première fois également que des forces de l’ordre quadrillent et bloquent toute cette avenue, créant une atmosphère de psychose et obligeant les commerçants à fermer boutique durant toute une matinée.

Il n’y a rien à dire et à redire, seulement que Hery Rajaonarimampianina et sa clique sont devenus les nouveaux dictateurs de Madagascar qui finissent toujours mal en général. En effet, ils ont tendance à effacer complètement des décennies d'Histoire. Mais, suis-je bête ! Ils n'ont jamais lutté et ne lutteront jamais comme je l'ai fait contre toutes les formes d'injustice existant au monde. Leur comportement indigne, vis-à-vis du peuple malgache, s'explique par cela.  Mais que je suis bête (encore une fois) : ils sont injustes eux-mêmes. Voyez seulement le cas Jean Eric Rakotoarisoa...

Place aux photos pour les archives de l’Histoire et de son tribunal. Les vidéos suivront incessamment.

Jeannot Ramambazafy et Harilala Randrianarison

*******************************

Antananarivo, 13 May 2015. Nahatsiaro ny tsingerintaona faha-43-n’ny raharaha 13 may 1972 ny mpitolona sy ny mpitarika ny hetsi-bahoaka teto amin’ny tany sy ny fanjakana hatramin’izay.

Fanaterana fehezam-boninkazo no hanehoana ny fahatsiarovana an’io tsingerintaona iray io.


Nahavariana fa nanaovan’ny fitondram-panjakana Hvm valan-dresaka manokana tamin’ny mpanao gazety tamin’ny alalan’ny Emmo-Far notarihin’ny lehibeny, dia ny jeneraly Rakotomahanina Florens mihitsy ity fahatsiarovana anio ity. Asa, satria ve ingahy Ramaroson Alain no tompon’ny fanentanana dia manahy ny fitondrana Hvm sao hanararaotra eo izy ?


Avy hatrany dia nanambara tao anatin’ny tafa niantsoany ny mpanao gazety ny Jeneraly Florens Rakotomahanina fa “amin’ny ilany atsinanana akaikin’ny Gastro Pizza no hanaterana ny fehezam-boninkazo, ary tsy misy filaharana na kabary na famoriana olona satria tsy nahazoana alalana”.

Mitono angaha no mahana ny fitondrana Hvm no nandeha an’ireo “be baoty” handrahona sy hampihorohoro ny vahoaka hahatsiaro ao anatin’ny filaminana sy fahanginana an’ireo lavon’ny mpitondra Pisodia tamin’ny 1972 ?


Mody nanao kilalaon-teny hafahafa mantsy ny jeneraly Rakotomahanina Florens omaly hoe “amin’ny 8 ora ka hatramin’ny 10 ora ihany no hahafahana manatitra fehezam-boninkazo mba handaminana ny fifamoivoizana satria andro fiasana io, ary hanemitra eny an-toerana ny mpitandro ny filaminana hitily izay mety hanararaotra na handika lalàna, fa tsy maintsy handray ny andraikitray izahay”.

Fandrahonana izany, tompoko. Olona mahatsiaro ny martioran’ny firenena ve dia hofehezinao ho tsy maintsy manatitra voninkazo ao anatin’ny ora roa ? Angaha fasan’ny fitondrana Hvm na an’ny Jeneraly Rakotomahanina ny eny amin’ny araben’ny fahaleovantena no izy no mamaritra an’izany ?


Ny andron’ny 13 may dia manomboka amin’ny 1 ora maraina ka hatramin’ny 12 ora alina anio alarobia. Raha amin’ny 11 ora antoandro izany izaho mpanao gazety izay nanana zanak’olona mirahalahy amiko vao afaka hanatitra fehezam-boninkazo eny dia hosamborin’ny jeneraly Rakotomahanina Florens fa tsy nanaraka ny fepetra nataony ? Aza dia zatra manao fihantsiana vahoaka toa izany re e!


Rehefa matahotra vahoaka ianareo dia tsory ny marina. Olona tsy manan-kevitra hilahatra na hifamory eny an-kianja no anaovana izao fepetra rehetra izao.

Mba inona aloha ny jeneraly Rakotomahanina Florens tamin’ny 1972? Ary tamin’ny 1991 sy 2002 ary 2009?

Aza manangam-pahavalo ho an’ny tenanao re r’ingahy be galona sao hanenenanao sy hanafaranao faramandimby izany e!


Ralay – LA GAZETTE DE LA GRANDE ILE

******************************

******************************

Mis à jour ( Vendredi, 15 Mai 2015 09:49 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024