]
Les quotidiens du 20 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Razanadrakoto Mamirinina. Lasa i Tonton Mamy be vazivazy sy hatsikana

Razanadrakoto Mamirinina. Lasa i Tonton Mamy be vazivazy sy hatsikana

Tonton Mamy sy Toutou Lilie tamin'ny nandraisana azy mivady mpandray Fanasan'nyTompo

Antananarivo, Alakamisy 7 Febroary 2019. Nandao antsika taminy telo ora maraina ny havanay, Tonton Mamy (Razanadrakoto Mamirinina), rehefa tsy nahatsiaro tena (« dans le coma ») nanomboka tamin’ny 24 Janoary 2019. In-droa natao scanner ny lohany ka hita fa misy lalan-drà tapaka ao.


Ny Alahady 20 Janoary 2019 no nivory tao Ampandrana ny fianakaviana, nifampiarahaba tratry ny taom-baovao. Nandray gitara i Tonton Mamy ka ny hirany voalohany dia «Mifankatiava ihany». Vita ny asany taty ka lasa niala sasatra Ary i Tonton Mamy. Malahelo ny fianakaviana iray manontolo kanefa izay no lahatr’Andriamanitra izay isaorana nanome antsika an’i Tonton Mamy nandritra ny 53 taona. Raha oharina amiko izay 65 taona dia tanora dia tanora tokoa i Tonton Mamy izao nandao antsika izao.

TSINDRIO ETO HO AN'IZAY MANANA COMPTE FACEBOOK

Ny fahatsiarovako an’i Tonton Mamy ? Izy sy Toutou Lilie no nitondra aho tany Mahitsy tao amin’ny hopitalin’ny Sinoa, ny taona 2000 rehefa tapaka fanintelony ny « clavicule »-ko. Simca 1100 ny fiarany tamin’izay. Io fiara koa no nandehanay tany Ambatondrazaka ny taona 2005 hamonja raharaham-pianakaviana tao Ambongamaneno. Tena « aventure » tamin'izay fa tsy ho tantaraiko eto...

I Tonton Mamy dia be vazivazy ary be hatsikana. Raha tsy nanam-pahaizana tamin’ny « mécanique automobile » angamba izy dia mety ho nanara-dia an-dry Francis Turbo sy ny tariny. Fa toa avy amin’ny fianakaviany mihitsy izany be vazivazy izany.

Efa niady ny ady tsara tokoa i Tonton Mamy ka lasa niala sasatra

Efa tonga tao an-tranony ao Ampandrana, ny alakamisy 7 Febroary 2019 io ihany, taminy 6h30 maraina ny razana. Hoy i Jerôme Randria, mpihira tao amin’ny tarika « Ny Railovy », izay : « Veloma namako salut la compagnie ! ».

Jeannot Ramambazafy

Mis Ă  jour ( Vendredi, 08 FĂ©vrier 2019 08:28 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul