]
Les quotidiens du 20 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Antananarivo. Ny Papa François sy ny fifamoivoizana

Antananarivo. Ny Papa François sy ny fifamoivoizana

Fandaminana sy fandrindràna ny fifamoivoizana mandritra ireo andro hivahinianan’i Papa Fransoa eto Madagasikara ny 6 hatramin’ny faha 10 septambra 2019 :

Manomboka ny faha 6 septambra dia ho tapaka ireo làlana amin’ireto faritra ireto : Aéroport Ivato sy ny manodidina, Aéroport sy Tsarasaotra hatrany Ivandry sy ny manodidina rehetra.

Faha 7 septambra tapany maraina : ho tapaka ireo làlana eny Ivandry sy ny manodidina rehetra, Ankorondrano, Antanimena, Analakely, Ambohidahy, Anosy, Rond point Filatex Ankadimbahoaka, By pass Iavoloha. Ho tapaka miaraka amin’izay ihany koa : Ankadindratombo, By pass, Mandroseza, Mahazoarivo, Ambanidia, Ampasanimalo, Fort Duchesne, Ampandrianomby, Nanisana, Analamahitsy, Nonciature Ivandry.

Faha 7 septambra tapany hariva : ho tapaka kosa eny amin’ny Nonciature Ivandry sy ny manodidina, Ankorondrano, rond point Jesosy Mamonjy, Antanimena, Analakely, Ambohijatovo, Antaninarenina, Andohalo, Faravohitra, Antaninandro, Ankadifotsy, Antanimena, Ankorondrano, Ivandry, Soamandrakizay sy ny manodidina rehetra.

Faha 8 septambra
: ho tapaka tanteraka ny eny Soamandrakizay, Ivandry sy ny manodidina. Ny hariva dia ho tapaka avokoa ny lalàna eny Ambohimangakely, Mahazo, Ampasapito, Fort Duchesne, Ankorahotra, Tunnel Ambohijatovo, Analakely, Ambohidahy, Anosy, Amparibe, Analakely, Antanimena, Ankorondrano,
Nonciature Ivandry.

 

Iangaviana raha azo atao dia tsy dia mampiasa fiara firy mandritra ireo andro hahatongavan’i Papa Ray Masina Fransoa eto Madagasikara. Izay no anton’ny nanaovana ny tapak’andron’ny Zoma folakandro ho andro tsy fiasàna mba hampihena ny fifamezivezen’ny fiara ary hampalalaka kokoa ny fifamoivoizana.

Laza tsara ho an’ny Firenena Malagasy ny fahatomombanan’ny fandraisana Vahiny tena manan-kaja sy Ambony toa ny Papa Ray Masina, indrindra koa itarafan’izao tontolo izao ny fahendren’ny Mpitantana ao aminy, ary ny fahaiza-mandray vahiny ananan’ ny Vahoaka Malagasy. Koa entanina isika olom-pirenena rehetra hiray saina sy fo amin’ny fiaraha-mientana sy fifanomezan-tànana ny ho amin’izany.

Visite du Saint Père à Madagascar

 
Bannière

Madagate Affiche

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul