]
Les quotidiens du 19 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara sy ny Coronavirus. Hafatra avy amin'ny Biraon'ny Fivondronam-ben'ny Eveka

Madagasikara sy ny Coronavirus. Hafatra avy amin'ny Biraon'ny Fivondronam-ben'ny Eveka

Homba antsika mianakavy anie ny Fiadanan’ny Tompo

Ry havana,

Efa manodidina an’i Madagasikara ny areti-mifindra Coronavirus (Covid 19) ankehitriny.

Miantso antsika rehetra hiombom-bavaka amin’ny Papa François ho an’ireo firenena tratran’izany. I Jesoa Kristy Tompo nibaby ny rofintsika rehetra ka nandresy ny ratsy tamin’izy nitsangan-ko velona anie, hanome hery ireo marary sy ireo mpitsabo, ary ny fianakaviany. Ary ankinintsika amin’ilay Ray be famindrampo ny fanahin’ireo havantsika namoy ny ainy.

Manasa antsika ho tony ary hanaraka ireo toromarika marina rehetra momba ny fihetsika, omen’ireo tompon’andraikitra sy manam-pahefana amin’ny alalan’ny haino aman-jery, eny fa na dia ny tsotra indrindra tokony harahina andavanandro aza hiarovana ny fihanak’ity aretina ity.

Manasa antsika hifampilaza ny tokony hatao na any amin’ny toeram-pitsaboana na any am-piangonana na any am-pianarana na eny an-dàlana...

Mankahery ireo dokotera sy ny mpiasan’ny fahasalamana hanana ny herim-pon’ny aleoko maty mba handresena ny aretina fa tsy hanary na handositra ny marary.

Miantso antsika ho sahy hifanampy, hifampiaro, fa indrindra hiaro ireo efa manana aretina mitaiza na ireo mahantra tsy manana fiarovana.

Miantso ny Eveka, ny pretra, ny relijiozy sy ny mpikatroka rehetra amin’ny sehatra pastoraly katôlika tsy hatahotra fa hanaiky hanatona sy hikarakara amim-pitandremana ireo marary ary hiara-miasa amin’ireo hôpitaly rehetra hiara-hanohitra ny aretina.

Manasa antsika rehetra izahay Biraon’ny Fivondronamben’ny Eveka mba hiombona ka hanao vavaka hasivianandro manomboka ny 19 martsa ho fankalazana manetriketrika an’i Masindahy Josefa mpiaro ny Fianakaviana Masina sy izao tontolo izao ka hifarana amin’ny faha-27 martsa. Tafiditra ao anatin’izany hasivianandro izany indrindra ny 24 ora ho an’ny Tompo hiombonam-bavaka amin’ny Eglizy manerantany (ny 20-21 martsa) sy ny Fankalazana manetriketrika ny Filazàn’ny Anjely ny Fahatongavan’ny Zanak’Andriamanitra ho nofo (25 martsa).

Inona àry no hataontsika amin’izany?


Hiaraka hanao ny Raozery masina isika, ilay vavaka nahomby tamin’ny fiarovana ny Eglizy rehefa nisy fahavalo nitady hanapotika an’i Roma, ka nahatonga ny Papa Pio faha 5 nametraka ny datin’ny 7 oktôbra ho fanajana ny Mpanjakavavin’ny Raozery Masina.

Vavaka tena tsotra izany ary azon’ny rehetra atao amin’ny toerana rehetra. Koa ampirisihina manokana ny isam-pianakaviana, ny mpamonjy lamesa isan’andro, hanao sapile miaraka ka faranana amin’ity vavaka ity :

-Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka, Mpiaro an’i Madagasikara, mivavaha ho anay izay mangata-bonjy aminao

-Masina Maria fahasitranan’ny Marary, sitrano ny marary rehetra

-Md Josefa, Ray mpitaiza an’i Jesoa, mpiaro an’izao tontolo izao, mivavaha ho anay

-Md Jacques Berthieu, mivavaha ho anay

-Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, mivavaha ho anay

-Raphael Louis Rafiringa Olontsambatra, mivavaha ho anay

-Jean Beyzim Olontsambatra, mivavaha ho anay

-Lucien Botovasoa Olontsambatra, mivavaha ho anay



Ny Biraon’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara

Ny Kardinaly Désiré TSARAHAZANA, Filohan’ny FEM

Mis Ă  jour ( Jeudi, 19 Mars 2020 06:44 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul