]
Les quotidiens du 19 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara Coronavirus. Tany Avatry ny Nosy ny PM Christian Ntsay

Madagasikara Coronavirus. Tany Avatry ny Nosy ny PM Christian Ntsay

Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Praiminisitra

1 aprily 2020 - Nampivory ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny tany Nosy Be sy Mahajanga ny Praiminisitra, Lehiben’ny governementa, Ntsay Christian, niaraka tamin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, nidinika ny fomba ampiharana ireo fepetra izay napetraky ny Fitondram-panjakana ho fiarovana amin’ny fianaky ny valan'aretina Coronavirus.

Mazava ny hafatry ny Praiminisitra nandritra izao fidinana ifotony izao : “Ny fahaizantsika mifehy tena no fitaovana entintsika miaro tena sy miaro ny hafa amin’ny alalan’ny fanarahana ireo fepetra rehetra izay apetraka”.

Notsiahiviny nandritra ny fivoriana ireo fepetra rehetra noraisin’ny fitondram-panjakana ho fiarovana amin’ny fianaky ny Covid-19. Isan’izany ny fametrahana ny “Centre de commandement opérationnel (CCO)” na ao Nosy Be na ao Mahajanga, izay miandraikitra ny fandrindrana sy ny fandaminana ny asa rehetra ho fiatrehana ny ady atao amin’ity valanaretina ity. Miara-miasa amin’ny fitondrana foibe, ny eny ifotony sy ny mpitandro ny filaminana ihany koa ity ivon-toerana CCO mba ho ao anatin’ny fitoniana sy fandriampahalemana ny fiatrehana ny fiantraikan’ity valanaretina ity.

Naneho fankasitrahana ireo solontenam-panjakana sy ireo tompon’andraikitra amin’ny sehatra tsy miankina amin’ny fanjakana ao Nosy Be ny Praiminisitra, noho ny fifanomezan-tanana sy ny firaisankina asehon’izy ireo amin’ny fanatanterahana ireo fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondram-panjakana. Indrindra ireo mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany izay nanaiky ny tsy hanala ireo mpiasa ao aminy na eo aza ny fiantraikan’ity aretina ity amin’io sehatra io, izay tena iankinan’ny toekarena any an-toerana.

Efa misy raha teo ny ezaka avy amin’ny fitondrana ny amin’ny fampiatoana ny fandoavana ny hetra sy ny haba, ny jirama ary ny latsakemboka eny anivon’ny Cnaps amin’ireo seha-pihariana manara-drafitra rehetra ho fanalefahana ny vola mivoaka amin’ireo orinasa ho fitsinjovana ireo mpiasa amin’ny tsy miankina rehetra.

Maro ireo ezaka efa vita ary mbola misy fanatsarana tokony entina hoy ny Praiminisitra mikasika ny fiatrehana ny valanaretina amin’ny faritra Boeny, nandritra ny fandalovany tao Mahajanga.

Eo amin’ny lafiny sosialy kosa dia apetraka amin’ny toerana maro ny “Tsena mora” mba tsy hisian’ny fikorontanana sy ny filaharam-be hisoroana ny mety hiparitahan’ny valanaretina sy ho fanamaivanana ny vahoaka.

Mikasika ny fifamoivoizana indray kosa dia, sahala amin’ny fitaterana an-tanety ihany, mitsahatra ny fifamoivoizana an-dranomasina ankoatra ireo mitondra entana.

Nangonin'i Jeannot Ramambazafy

Sary : Seraseran'ny Primatiora Mahazoarivo

Mis Ă  jour ( Jeudi, 02 Avril 2020 08:19 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul