]
Les quotidiens du 19 Apr 2025
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Editorial Madagate Affiche Madagasikara StarTimes. Hivantana ny lalao kitra "Laliga Santander" 2020 hatramin'ny 2024

Madagasikara StarTimes. Hivantana ny lalao kitra "Laliga Santander" 2020 hatramin'ny 2024

Nanokatra tolotra vaovao ny StarTimes Madagasikara amin’ny alalan’ny fividianana fitaovana toy ny fahitalavitra, "décodeur antsoina" hoe « StarTimes GO ». Tsy voatery mandalo eny amin’ny toera-pivarotana intsony ny mpanjifa fa azo atao avy hatrany ny mividy tolotra amin’ny alalan’ity « StarTimes GO » ity.

Karazan’irony fivarotana entana « en ligne » ireny ihany izy ity, saingy ny tolotra amidy dia ho hita ao amin’ny chaine ny « StarTimes Novela F » sy  amin’ny fahitalavitra misy eto an-toerana. Mampiavaka azy dia aterina any amin’ilay olona mila ilay tolotra ny entana, ary amin’ny vidiny ambany kokoa noho ireo hita eny amin’ny toeram-pivarotana.


Amin’izao fanombohana izao, dia  ireo izay mividy ny fahitalavitra na décodeur dia mahazo maimaimpoana avy hatrany ny fomba afahana manao fangatahana ny  entana atao hoe streaming « StarTimes ON », ary afaka miantso avy hatrany ny laharana 020 22 202 75. Araka ny fanazavana nomen’ny Ramatoa Joyce ZAFERA, Tomponandraikitra ny Serasera, dia maro ireo entana izay tafiditra azo anaovana fangatahana « en ligne », ankoatra ny fahitalavitra sy "décodeur". Anisan’izany, ohatra,  ny kiraro, ny poketra sy ireo entana samihafa.


Ho an’ny mpitia baolina kitra kosa dia nahazo ny fahazahoan-dàlana  handefa ny lalao rehetra amin’ny « Laliga Santander » ny StarTimes. Lalao any Espagne izy ireo ary haharitra hatramin’ny 2024 ny handefasana azy ireo mivantana eto Madagasikara. Ny 12 septambra 2020 no hanomboka ho hita amin’ny  StarTimes ireo lalao ireo ary hisy isakin’ny herinandro.Marihina fa hisy amin’ny teny frantsay ny fitantarana io « Laliga Santander » io.

Andry Rakotonirainy

Mis Ă  jour ( Samedi, 05 Septembre 2020 14:27 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Mandroseza, 18.04.2025. Président Andry Rajoelina, un grand bâtisseur ayant un programme bien défini, et du... répondant face aux beaux parleurs pas patriotes pour un sou.

 

Ambohimanoro. Orchestre Symphonique Saint Paul. Concert de Pâques le 26 avril 2025 à 15h

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… Voazara ny boky ho an’ny tranom-boky lehibe roa eto Antananarivo.

 

BASE TOLIARA. FANTARO ALOHA… BOKY NOSORATAN'I JEANNOT RAMAMBAZAFY

 

Wednesday Morning Group Madagascar. Et de 7 pour le Salon du Chocolat et de la Gourmandise, le 12 avril 2025 au Carlton Anosy

 

Président Andry Rajoelina. Islam : discours de fin du Ramadan 2025 à Madagascar

 

Colonel Charles Andrianasoavina. Parcours d'un... combattu,. Dernier livre historique de Jeannot Ramambazafy sur AMAZON

 

CHAN 2025. Tafiakatra amin'ny dingana famaranana ny Barea tarihin'ny Kapiteny NINA

 

ANTANANARIVO. 24 DESAMBRA 2024. NY FISIANAO ETO AN-TANY (TON EXISTENCE ICI-BAS)

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul