]
Les quotidiens du 24 Dec 2024
[ Midi ]
[ Express ]
[ Moov ]
Home Reportages Manifestation Madagasikara FFPM: Fankalazana ny Jobily faha-100 taonany

Madagasikara FFPM: Fankalazana ny Jobily faha-100 taonany

Video : Tsindrio eto


Ny FFPM na Fiombonan'ny Fiangonana Protestanta eto Madagasikara dia Fiombonana iarahan'ny FLM sy FJKM miasa tao anatin'ny 100 taona izao. Sampan'Asa maro no sehatra anehoana izany fiaraha-miasan'ny Fiangonana roa tonta izany, ka eo ambany fiahian'ny Biraon'ny Komitin'ny Protestanta tarihin'ny Filoha sy ny Filoha Mpanampy, izay ifandimbiasana isan-taona ny andraikitra amin'izany.

Manana Tonia sy Mpandraharaha Matihanina ny Birao Foibe ary Mpanolontsaina roa avy amin'ny FLM, roa avy amin'ny FJKM.


  • Ireo sampan'asa iombonana ny fitantanana azy dia mivondrona ao anatina Vondron-tsampana izay ny Vondron-tSampanasa Fanabeazana Protestanta, VS Fanasoavana Protestanta, VS Fitaizam-panahy, VS Fanolokoloana. Ao anatin'izany koa ny Radio Protestanta.

  • Ireo sampan'asa tantanin'ny Fiangonana tsirairay avy kosa dia miara-miasas ao anatina Farimbonasa Protestanta : Farimbonasan'ny Fifohazana, ny Farimbonasan'ny Lehilahy, Farimbonasan'ny Vehivavy, Farimbonasan'ny Tanora, Farimbonasan'ny Skoto, Farimbonasan'ny Sekoly Alahady ary Farimbonasan'ny Vokovokomanga.

  • Mifanatona amin'ny alĂ lan'ny atao hoe Vondronasa ireo Departemanta lehibe misy ao amin'ny FLM sy ny FJKM : Vondronasa Fampianarana Protestanta (DNFJKM, DNFFL), Vondronasa Fampandrosoana (SAF, SALFA, FANILO, FAFAFI), Vondronasa Fifandraisana (Fif, FJKM, FLF), Vondronasa Fitoriana ny Filazantsara (AFF, TMM).

Ny tena mampiray ny Fiangonana roa tonta ihany koa dia ny fananana ny Fihirana iombonana FFPM.

Ny Tsangambaton'ny faha-100 taona :

Fananganana « Station » radio FM Radio Protestanta mahaleotena ho fitoriana ny Filazantsara sy Fanabeazana ny olona manontolo ary fanolorana ny Fihirana FFPM voahitsy.

Ny Programa tsara ho tadidy :

Alahady 07 Avrily 2013 : Fanokafana ny faha-100 taona ao amin'nyFJKM Andrainarivo Fahasoavana

Alahady 13 Oktobra 2013 : Ivon'ny Fankalazana, feno 100 taona ny FFPM, tamin'ny 13 Oktobra 1913 no nahaterahany

Alahady 11 May 2014 : Fotoam-pamaranana ny Fankalazana.

Manao hetsika entiny mankalaza ny faha-100 taona avokoa ny Vondron-tSampanasa, ny Farimbonasa ary ny Vondronasa tsirairay ato amin'ny FFPM, araka ny daty na vaninandrony avy ato anatin'ny herintaona.


Video Hira Faneva : tsindrio eto

FANEVA : « Miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara ». Fil 1 : 27d

Ny Biraon'ny faha-100 taona

Sary : Harilala Randrianarison

Videos : Jeannot Ramambazafy – Steve Meyer

Mis Ă  jour ( Mercredi, 03 Avril 2013 12:33 )  
Bannière

Madagate Affiche

 

Cathédrale Ambohimanoro, Antananarivo, Samedi 21 Décembre 2024. Le Concert de musique classique de l'Orchestre Symphonique Saint Paul

 

Andry Rajoelina élu Leader politique africain de l'année 2024

 

Madagasikara « Orange Day » 2024. Hafatry ny Première Dame, Mialy R. Rajoelina

 

Antananarivo. Harilalala Ramanantsoa, kandida Numéro 7. Ny antony hifidianana azy ho Ben’ny Tanàna

 

W.M.G. MADAGASCAR. Un Bazar de Noël 2024 autrement exceptionnel

 

Madagasikara JIRAMA. Hatramin’ny oviana no hanjaka ny tsy matimanota mpandrendrika ny Firenena malagasy ?

 

Donald Trump, élu 47e Président des États-Unis d’Amérique, le 05 novembre 2024

 

Madagascar. Lancement officiel du Plan National d’Action II sur la lutte contre le travail des enfants (2025-2035)

 

Senseï Jean-Pierre Razafy-Andriamihaingo s'en est allé à 75 ans, le 5 octobre 2024

 

Tiana Rasamimanana - JIRAMA : Position du SIM (Syndicat des Industries de Madagascar)